Nampihomehy ahy ny zavatra nitranga androany. Efa hitako matetika fa ny ankamaroan'ny tononkira mitranga ao amin'ny GasyKaManja dia notrohana avy ao amin'ny tononkira.serasera.org avokoa. Tsy tompon'ny hira aho ka nikimpiako. Ny nanaitra dia mahasahy mampidi-bola betsaka ry zareo amin'ny resaka tononkira (misy publicités Google betsaka sy manelingelina), nefa na izaho aza tsy dia tena mahasahy manararaotra manao azy io ho fivelomana. Fa ny mampihomehy ahy sy mahakamo ahy dia ny ahita hoe dika-petaka be fahatany ilay izy, ka voadika hatramin'ny zavatra diso. Raha mba mitady tononkira izany ny olona, dia tononkira diso no hitany amin'ny site roa satria ilay efa diso taty amin'ny tononkira.serasera.org no notrohina nentina tatsy ampita.
Dia raha mijery ny hira maro ao dia tahaka izany daholo. Tsy miova hatramin'ny faingo, elanelana, teboka. Satria angamba tsy dika petaka fotsiny fa tena notrohana ara-teknika mihitsy.
Dia izay ry zalahy no mahatonga ahy tsy mizara firy satria manjary ataonareo fitadiavam-bola indray ilay izy avy eo.
"Sous emprise" indray no film malaza kely ao amin'ny Netflix. Efa ela aho tsy nahavita film hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany fa ity mba vita, na dia natao in-telo miantoana aza. Ary tamin'ity koa vao naharitra tsy nitady info tamin'ny Wikipedia mikasika ny tena tantara raha tsy vita ilay film. Satria mantsy hono nosintomina tamina tantara tena marina ity film ity.
Fintiniko amin'ny teny fohy fotsiny ho an'izay mbola hijery azy, mba tsy hitantaràna ny tena tantara. Ny fitiavana mahazaka maniraka. Sady mety mahatonga anao hahavita zavatra goavana, mihoatra ny tokony ho vitanao, ny fitiavana, no mety mahatonga anao hahavita handrava ny zavatra goavana izay tokony ho vitanao... dia avy eo mampametra-panontaniana hoe mbola fitiavana ihany ve nefa izany :-)
Nahafinaritra ny sary sy ny tontolo nanaovana an'ity sarimihetsika ity. Manga, eny amoron-drano, heno ny feon-drano miboiboika, masoandro mibaliaka. Mampatsiahy ny vakansy amin'ity andro fidirana :-)
Misy scènes sexuelles telo, tsy dia tena tiako loatra, kanefa izay no anisan'ilay hoe votoatin'ny tantara. Tsy misy olona mifankatia aza moa mbola vitan'ny mpandrindra ihany ny manisika resaka sexe, vao mainka fa hoe resaka fitiavana :-) Fa dia efa nilaza aho izay hoe tsy dia tiako ilay resaka sexe ao anatin'ilay izy... tsisy romantisme.
Ny acteurs mahay milalao. Mahay izy matoa tafita aty amin'ny mpijery ilay fankahalàna an'ilay olona lalaoviny. Misy mpilalao sarimihetsika tonga dia mety be amin'ilay tantara mihitsy... izay koa angamba no tena anton'ny casting.
Famintinana... tsara "ihany". Raha film 1h40 vitako na dia iverimberenana aza, dia azo lazaina ho tsara. Na dia lazain'ny olona fa tiako daholo aza ny films rehetra loll.
Mifangaroharo loatra sy mibosesika hevitra ny ao antsaina manaraka an'ity vaovao momba ny ady ao Ukraina ity. Io resaka io foana koa moa ny vaovao heno n'aiza n'aiza ka tototra mihitsy raha vao mpanaraka radiom-baovao tahaka ahy. Mino aho fa betsaka koa ireo hafa manara-baovao ka rariny raha samy manana ny zavatra henony ny tsirairay. Dia rehefa ady tahaka izao dia matetika misy ny manome rariny ny andaniny sy manome tsiny ny ankilany... dia misy koa ny mahasahy (satria amiko izany fahasahiana ihany) tsy maneho hevitra, na mody sarontsaromana amin'ny hoe "tsy momba ny atsy na ny aroa".
Araka ny heno izany dia nanapa-kevitra ny tsy hanameloka n'iza n'iza ny fitondrana malagasy. Manahy sao ho very ny fihinanana amin'ny Rosiana (sy ny Sinoa?) raha ohatra ka manameloka ny fananiham-bohitra ataon'izy ireo, nefa tsy sahy mijoro koa hoe manohana tanteraka an'i Rosiana satria mba menatra ihany. Dia aleo mialokaloka ao ambanin'ny hoe mifandray amin'ny firenena rehetra i Madagasikara. Fa angaha ny fanamelohana ny tsy rariny (satria mandika ny lalàna sy ny zo iraisam-pirenena) dia midika hoe tsy hifandray intsony mandrakizay? Ny firenena Eoropeana sy Amerikana izay manameloka ity fanafihana firenena manana ny fiandrianany ity dia mametraka fepetra foana hoe mandra-piovan'ny Rosiana hevitra ka hanajanonany ny fananiham-bohitra. Rehefa vita izany ny ady dia hilamina indray ny fifandraisana.
Na izany na tsy izany dia manana zo hiaro ny tombontsoany ireo mpitondra malagasy, efa izany rahateo no nataony hatramin'izay. Fa ny manorisory indraindray dia ireo mpanarak'efa sy mpisolelaka be fahatany. Izay tenenin'ny mpitondra dia tonga dia sori-dalan-kitan-kisoa avy hatrany ka hanina am-bolony. Tsy maneho hevitra mihitsy aloha - satria tsy manan-kevitra - fa miandry hoe ahoana ny hevitry ny volomboasary, dia rehefa mivoaka iny dia tsy misy fandinihana intsony. Dia avy eo lasa anisan'ireo manam-pahaizana momba ny ady iraisam-pirenena eo amin'ny Facebook.
Izaho dia resy lahatra sy mankasitraka ny vaksiny raha toa mbola maimaim-poana foana izy. Satria matoky ireo olona izay miezaka mafy mitady vahaolana ho an'ny hafa, ny mpikaroka, ny mpitsabo sy ireo mpanampy azy. Koa nanao vaksiny daozy fahatelo aho androany ary raha mbola ilaina koa ny daozy manaraka dia mbola vonona hatrany.
Avy niasa dia nandalo centre vaccinal. Tsy dia be olona teo ivelany, dia nanandrana niditra.
Tonga teo am-baravarana:
- Amin'ny firy ny rendez-vous-nao?
- Tena tsy manana rendez-vous aho fa sendra nandalo dia nahita hoe vitsy olona dia nijery sao dia afaka miditra.
Olona telo no teo alohako teo ivelany (couple iray sy tanora iray)
- Manam-bintana ianao fa raha nisy olona maromaro eto ivelany eto dia tsy noraisiko ianao satria tsisy rendez-vous. Mandrosoa.
Tonga tao amin'ny fandraisana anarana nanoloana an'ilay rangaha iray miaraka amin'ny taratasy misy lisitra lava be.
- Ny anaranao hoe azafady? Ny Carte d'identité-nao?
- Tsy manana rendez-vous aho ka.
- Hay, omeo ahy ny mombamomba anao dia mandehana mipetraka etsy amin'ny seza fiandrasana etsy.
Misy boxes folo hitako tao anatin'ilay centre kely. Samy efa misy olona daholo, eo ivelan'ny box tsirairay misy seza iray, dia samy misy olona daholo koa. Dia izay vao miditra izany miandry ety amin'ny efitra fiandrasana. Hitako niditra tsikelikely koa ny olona avy ao ivelany.
Tsy ampy 3 minitra dia niara-nivoaka ny olona vitsivitsy tao anaty boxes vitsivitsy, dia niara-niditra ny olona niandry teo amin'ny seza fiandry. Nasaina namonjy ny seza teo amin'ny box faha-5 aho.
Tsy ampy 10 minitra akory dia tonga ny anjarako. Toa ny mahazatra, dia dokotera iray sy mpanampy azy no tao. Mahagaga fa tsara fanahy be foana ny dokotera mpanao vakisiny. Tsy nanadihady be intsony toa ny tamin'ny doses roa voalohany fa tonga dia niomana ny hanindrona.
Nanaka-dresaka aho:
- Moderna moa izany iny?
- Eny, fa tsy maninona io fa mitovy ihany. Ny olona mihoatra ny 30 taona amin'izao dia afaka atao Moderna daholo.
Nampiomana izy nony tena hanindrona... nitsaingoka kely... dia vita.
Nampihetsi-po ny takarivanay omaly. Takarivam-piraisan-kina, takarivam-pifanampiana. Raha mifanasa vangy ny andaniny sy ankilany mikasika ny namoahan'ilay mpanao gazety Gaelle Borgia ny zava-misy any atsimo mikasika ny kere, nefa ny olona miha matin'ny hanohanana ihany, dia nisy kosa taty aminay ny takariva fiaraha-mientana ho an'ireo iharan'ny kere ireo indrindra. Amin'izao hamehana amin'ny hanoanana vokatry ny haintany any atsimo izao tokoa mantsy dia nanana hevitra ny handefa izay voatsirambin'ny tanana sy voaangona avy amin'ireo malala-tanana ny mompera sy masera malagasy vitsivitsy aty aminay. Takariva tsotsotra nefa natao am-pitiavana nanehoana hira sy dihy ka nahavoriana olona maromaro ihany.
Horonantsary iray mampiseho ny zava-misy any atsimon'i Madagasikara no nisantarana azy, horonantsary novokarin'i Gaelle Borgia indrindra. Nampihetsi-po ny maro, izay tsy dia mbola tena nahalala ny zava-mitranga any amin'ireo toerana isian'ny hain-tany, ilay horonantsary. Hitao eo amin'ny tambazotra tokoa fa betsaka ny manome tsiny an'ilay mpanao gazety mikasika iny fanadihadiana nataony iny, hatrany amin'ireo mpitondra fanjakana aza. Tongo-bakivaky tokoa izy iny, sady maharary no mahamenatra, kanefa zava-misy iainan'ny olona any an-toerana. Tsy ny henatra sy ny hambom-po mihitsy hanaronana ny zava-misy, indrindra raha izay no anisan'ny fomba hitadiavana vahaolana. Hoy ny fiteny malagasy hoe "Ny olon-kandrandrana tsy hanafenana loha sola". Izany hoe tsy ny olona hanome vahaolana ho anao no hanafenanao ny olana misy. Sady na hafenina tahaka ny inona ara io dia tsy maintsy hiseho ihany. Izay koa mantsy ilay lazain'ny Ntaolo hoe manafin-tay an-tsalaka. Koa aleo ho vaky ny vay hitsaboana azy.Ny irariana dia hisy maromaro ireo hetsika ataon'ireo Malagasy na ao an-toerana na aty ivelany hitadiavana vahaolana hanampiana ireo mpiray tanindrazana aminy. Vahaolana vonjy maika fohy ezaka aloha, ary koa ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin'ny vahaolana lavitr'ezaka.