Fantatrao ve fa teloalina mahery (30.182) no isan'ireo efa nisoratra anarana tao amin'ny namana.serasera.org nandritra izay 3 taona nisiany izay? (Ny takelaka namana.serasera.org dia niforona tamin'ny 2003 fa ny serasera.org amin'ny ankapobeny no tamin'ny 1999)
(tohiny)
Na mipetraka eto Italia aza aho dia tsy dia maka italiana loatra rehefa manao baolina ry zalahy. Indrindra moa raha mifanandrina amin'ny Afrikana izy. Teo am-pijerena baolina izahay dia mbola naverimberiko hoe na ny ekipan'i FCB (Footbal Club-n'i Besarety ) aza no mihaona amin'i Italia dia mbola tsy haka Italia ihany aho.
(tohiny)
Vokatry ny fanomezana avy amin'ny gmail.com dia manana adiresy miendrika [email protected] 500 izay atolotra ho an'ireo namana izay mangataka izany ny serasera.org.
Raha toa ka tianao ny hanana adiresy [email protected] (ny solonanarana dia ilay solonanarana fampiasanao eto amin'ny serasera.org) dia fenoy ny fangatahana tsindrio eto (Mila mampiditra solonanarana sy tenimiafina namana.serasera.org) . Alohan'izany anefa dia vakio ny tolotra sy ny fepetra. (tohiny)
Nahazo Dedibox iray izany RVG. Toa izao avy ny zavatra momba izany. Apetrako ato ny sombiny sao mety hanampy. Niandry efa ho 15 jours aloha vao disponible ny serveur. Niandry ny verifications isan-karazany.
(tohiny)
Dia raikitra izany fa hisy fihaonan'ireo namana ao amin'ny serasera.org amin'ny 4-5-6 aogositra 2006. Eto Roma (Italia) no hatao io fihaonana io. Natao indrindra mba hanararaotan'ireo namana hitsidika izany tanana mandrakizay (ville éternelle) izany. (tohiny)