Nohazavaiko nandritra ny 3 minitra tao amin'ity video ity ny hevitro momba ny Francophonie izay hatao ato ho ato. Betsaka tsinona ireo hevitra misavorovoro mikasika azy ity, misy ny mankasitraka, misy ny mitsipaka sy mitady hisakana mihitsy.
Tokony hararaotina ihany ny fanamboarana sy fanadiovana ary fanatsaràna tahaka izao dieny mbola manao ny fanjakàna. Satria raha mbola izao politika izao dia tsy hisy intsony indray ny fanamboarana raha tsy any aoriana be any.
Araka ny vaovao voaray, ny antony tsy hianaran'ny mpianatra dia ny mba hahafahan'ny mpampianatra azy ireo mitsidika eny amin'ny tananan'ny Francophonie ihany koa.
Nisy fampirantiana ara-tsary nokararakarain’ny Maison des Enfants teto Roma tamin’ny sabotsy 22 oktobra teo no sady fihaonana fanaon’ny Fikambanana isan-taona amin’ireo mpanohana azy ireo hiresadresahana ny zavabitan’ny fikambanana hatramizao sy ny tetikasa miandry azy ireo amin’ny taona ho avy io.
Ny fikambanana Maison des Enfants onlus, araka ny anarany, dia mikarakara ireo zaza anaty fahasahiranana tanteraka ao amin’ny fokontanin’ Antohomadinika. Ramatoa italianina efa niasa an-tsitrapo an-taonany maro tamin’ireny fikambanana mpanao asa soa ireny no nanangana azy tamin’ny 2007.
Ankehitriny dia efa manana fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Mponina ny Fikambanana. Miompana indrindra amin’ny zon’ny ankizy ny filamatra entiny : zo hotiavina, zo hovelomina, zo hianatra, zo hotsaboina.
Ny ankizy no raisiny an-tànana, hoy ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanana tanaty tamin’ny resaka nataony teo (anaty video), satria ny antsasaky ny mponina ao Madagasikara dia ankizy latsaka ny 18 taona (10 tapitrisa eo ho eo, raha 20 tapitrisa mahery ny isan’ny mponina) ary marobe ny zaza velombelom-poana noho ny fahantrana, tsy manan-kohanina, tsy manan-trano ialofana , tsy afaka miditra am-pianarana, tsy manana fahafahana mitsabo tena, sns.
Ankehitriny dia tetikasa roa no tena iompanan’ny andraikitr’izy ireo :
- Ny voalohany dia ny Centre Mère-Enfant, satria tsy afaka sarahana ireo rehefa miresaka zaza. Mikendry ny hampihena ny zaza avelavela fotsiny eny an-dalambe sy voatery ampiasaina mba hitondra vola hivelomana izy ity. Manomboka amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 5 hariva ny Centre. Ka ankoatra ny fandefasana any am-pianarana ireo ankizy efa amin’ny taonan’ny miditra an-tsekoly dia eo koa ny fanaraha-maso sy fanampiana manokana ny fianarana ho an’izay somary
tratra aoriana. Eo anilan’izany dia misy ny trano fisakafoanana izay azo lazaina fa sandan’ny fankanesana any an-tsekoly kosa anefa satria tsy ny zaza rehetra no mazoto mianatra. Izany hoe izay mandeha mianatra dia mahazo anjara sakafo izay mody ny hariva. Fa ao koa ny drafitrasa ho an’ireo zaza tena mila fanampin-tsakafo manokana. Ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.
- Ny faharoa dia ny Maison de Famille izay mifantoka indrindra amin’ireo zaza menavava sy zaza madinika indrindra. Azo lazaina hoe ankohonana kely ho an’ireo zaza nariana na navelavela fotsiny teny izy ity. Misy 15 mianadahy izy ireo izao.
Hita amin'ny vaovao sy amin'ny statistika isan-karazany fa mandray anjara amin'ny fampandrosoana firenena maro any Afrika ny Sinoa. Manao foto-drafit'asa maro goavana toa ny lalana, tetezana, fa mampiasa vola hatramin'ny fambolena sy fiompiana koa.
Ao Madagasikara koa nandritra ny taona nifamdimby dia nandray anjara tamin’ireo tetikasa goavana notantanan’ny fanjakana ny sinoa. Na ara-pitaterana tahaka ny lalam-pirenena faharoa izany na ara-panatanjahan-tena tahaka ny nanamboarana ny lapan’ny fanatanjahan-tena ao Mahamasina, sns.
Tsy maimaim-poana daholo ireny tetikasa goavana ireny fa nisy tambiny. Ary na dia tsy fanta-tsika vahoaka loatra aza dia nahafa-po antsika ny asa ka matetika tsy nojerena hoe inona no tambiny notakian’ny sinoa tamin’ireny asa ireny. Ka ny mampa-metra-panontaniana amin’izao fotoana izao dia hoe nahoana no manjary misy kely amin’ny fiarahamiasantsika amin’ny sinoa? Toa ny ao Soamahamanina sy ireto tany fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hafa. Toa ny lalan’ny frankofonia izay toa tsy maharitra tahaka ny mahazatra?
Hatramin’izao aloha dia tsy misy afatsy ny hoe “sao dia” no azo lazaina.
Sao dia mba tsy tena sinoa fa sinoa foza no niditra antsehatra?
Sao dia niova fiasa tokoa ny sinoa?
Sao dia Mba nanome tambiny betsaka ny sinoa fa nisy nikepoka?
Sao dia tsy misy harena akory ao Soamahamanina?
Anjarantsika izay voakasika mivantana no manao fanadihadiana fa làlana fotsiny ihany ireo. Araka ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy fomban’ny fiaraha-miasan’ny sinoa amin’izay toerana andehanany izao fa misy antony ao. Io na ireo antony ireo no ahitsy dia mino aho fa hiravona io ary hisy fandrosoana tokoa avy amin’ity fiaraha-miasa amin’ny sinoa ity.
Nanam-bahiny aho tao amin'ny serasera 3 min androany, izany rahateo moa ny serasera 3 minitra, resadresaka mikasika ny zavatra mahaliana ahy sy tiako zaraina amin'ny hafa amin'ny video. Naseho tao izany Ramatoa Jackie Randriantsoa filohan'ny fikambanana Education for Madagascar.
Ny Education for Madagascar dia fikambanana mikarakara mikasika indrindra ny fanabeazana. Eny Ambohibe ilafy eny no foibeny. Tamin’ny 2010 izy ireo no nanomboka ary ankizy 20 no nobeaziny tamin’izany, amin’izao dia efa mahatratra 50 izany ary tsy mitsahatra mitombo ireo mangataka hiditra. Efa mahatratra 750 any. Dia izany indrindra no nahatonga andry zareo hanorina ity fikambanana ity mba hahafahana mandritra ny fitantanana sy mangataka ihany koa fanampiana avy amin’ny malala-tanana. Marihina fa tsy miankina sy tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ity fikambanana ity fa dia miantehitra tanteraka amin’ny fanampian’ny malala-tanana sy ireo tsara sitra-po izay manampy rehefa misy ny ilàna azy. Araka izany dia ny fanabeazana ny ankizy, izay eo amin’ny 13 taona eo ny salan-taonany, no tena sahanin’ity Fikambanana ity. Eo amin’ny taona maha-sarotra ny fanabeazana indrindra. Ka ezahina ny hanome azy ireo araka izay tratra, ny karazam-panabeazana sy fampianarana mba tsy hampibirioka azy. Anisan’izany ohatra ny fampianarana teny vahiny amin’ny alalan’ny internet. Ny fampianarana mamaky teny ihany koa. Ary tsy very lanja ihany koa ny zava-kanto toa ny fampianarana hosodoko, mozika, dihy ary fikarakarana zaridaina. Ny andinindininy rehetra moa araka ny voalaza teo dia ao amin’ny takelaka educationsformadagascar.org no hahitantsika azy.
Mampalahelo ihany ny vaovao niseho androany hoe nodoran'ny vahoaka ny JIRAMA ao Farafangana. Mila vahaolana malaky ny tahaka izao mba tsy hiparitaka ho zary vahaolana ho an'ny rehetra.
Voalohany indrindra aloha dia hatezerana fa tsy fisainana no nentin'ny olona nandoro JIRAMA tao Farafangana. Rehefa mafy loatra tokoa ny fijaliana manjo ny olona iray dia mahavita zavatra tsy am-pisainana izy. Ny mahatonga ny olona ho tezitra dia ny tsy fisian'ny fangaraharana sy fifampiresahana. Azo atao tsara ny manazava ny sain'ny olona amin'ny mangarahara hoe inona ny olana ary rahoviana no hivaha. Ahoana tokoa moa no hinoana hoe misy ny olana raha ohatra ka ny sasany ihany no mijaly fa ny hafa miha manana foana?
Indro velabelariko mandritra ny 3 minitra amin'ity vlog ity izany.