« | »

Telo alina

2006-06-13 @ 06:56 in Serasera.org

Fantatrao ve fa teloalina mahery (30.182) no isan'ireo efa nisoratra anarana tao amin'ny namana.serasera.org nandritra izay 3 taona nisiany izay? (Ny takelaka namana.serasera.org dia niforona tamin'ny 2003 fa ny serasera.org amin'ny ankapobeny no tamin'ny 1999)

Hatramin'ny voalohany dia efa nanapa-kevitra aho fa hofafaina izay tsy mampiasa ny solonanarana mandritra ny 4 bolana. Izay no mahtonga hoe 9500 sisa no voasoratra. Isanandro dia misy miditra ary misy voafafa. Ny serasera.org ihany angamba no manao an'io amin'ny takelaka malagasy. Indraindray aho mieritreritra hoe tokony tsy fafaina izany... kanefa atahorako tsy haharaka ny serveur. Dia nisy fotoana koa nieritreretako hoe tokony mba tehirizina ihany ny mombamomba an'ilay mpikambana na dia voafafa aza... kanefa hatao inona? Dia izay foana no mitranga hatramin'izao. Izay voafafa any dia "any izay!!!".

Ny forum no mba nasiana archives fa saika natao an'izay koa. Amin'izao ny hafatra mihoatra ny roa volana dia mifindra amin'ny table iray... kanefa toa tsy misy ilàna azy akory satria tsy azo jerena. Mbola hojerena hoe ahoana no ahafahana mijery azy. Ny natao fotsiny izao dia hoe tsy alefa any amin'io archives io ny dinika manokana satria misy dinika manokana mampalahelo :-)

Hevitra

Tena be mpampiasa aloha ilay namana.serasera e. Betsaka koa moa ny olona no manao kaonty mihoatra ny iray, satria mafy tokoa angaha izany te hana-namana 'ko.
Fa dia misaotra anao indrindra amin'ny fampihodinana ity zava-mahafinaritra ity e : satria sady mampiray ny malagasy izy io, no mba mampiseho antsika malagasy ihany koa eo @ sehatry ny "aterineto".

Nampidirin'i Tokinao @ 13:50, 2006-06-13 [Valio]

Aleo m

Nampidirin'i jentilisa @ 23:41, 2006-06-13 [Valio]

Aleo marina aloha fafana izay ela tsy niditra fa manjary manabe isa tsy amin'ny antony. Mba mora kokoa ny hahitana namana ho an'izay mitady rehetra e!

Nampidirin'i jentilisa @ 23:42, 2006-06-13 [Valio]

Tena betsaka ka! Na ilay 9500 aza tsy sisa fa mbola bdb koa :)

Nampidirin'i fraz @ 01:00, 2006-06-14 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry