« | »

Raha tany Dago aho...

2006-06-25 @ 22:03 in Eritreritra mandalo

Mandeha ao amin'ny forum serasera.org ao hoe ny gasy miasa aty ivelany dia manompo vazaha... (Tsy hainy aloha ny dikan'ny hoe miasa :-)), ka raha hanompo ihany ve hono tsy aleo manompo gasy?

Voalohany aloha, izaho tsy hanompo Gasy. Tahaka ny tsy hanompoako vazaha koa no tsy hanompoako Gasy. Efa tapitra ny andron'ny fifanompoana. Efa andron'ny fifanampiana sy fiaraha-miasa izao. Ny mpampiasa mila ahy ary izaho mila ny mpampiasa ahy. Mipetraka tsara ny fifanarahana amin'ny voalohany, ary ao anaty fahafahana tanteraka aho mifidy ny hanao ny asako sy handray ny valin-kasasarako, tsy nisy nanery. Tsy mahatsiaro tena ho manompo aho izany, ary raha manao ny asako araka ny tokony ho izy aho dia tsy noho ny hoe vazaha ny mpampiasa ahy, fa noho ny fahatsapako fa adidiko ny manao ny asako tsara.

Fa ho an'ireo izay milaza hoe aleo mandeha any Dago ary dia tiako holazaina hoe raha tany Dago aho dia inona no mety ho zavatra nitranga?
 
- Aty andafy aho ohatra moramora kokoa ny mitady asa ka rehefa hitako fa tsy mifanaraka amiko ny asa tiana hampanaovina ahy dia mitady hafa indray aho (indrindra raha tsy mifidy loatra). Any Dago anefa firifiry ny ingénieurs any no tsy mahita asa hifanaraka amin'ny fari-pahaizany akory?
- Aty andafy aho ohatra miasa 38 heures / semaine dia mahavelona ahy ka afaka manao zavatra hafa hanasoavana ny hafa any Dago ny ambiny (fianakams, associations, namana sns)... Raha tany Dago, ohatrinona no azon'ny olona homena ahy? :-) Mijery ireo olona niarakaraka tamiko aho fa tena sahirana.
- Aty andafy aho ohatra betsaka ny infrastructures ahafahako manangana site, mampiantrano, manatsara azy sy mijery azy isanandro (ADSL sns). Raha tany Dago aho (efa tany) ohatrinona no vola ho laniko vao afaka hijanona tsy mihetsika eo amin'ny ordinatera misy internet 24 ora isanandro? Ampahafirin'ny karamako?

Sombiny ihany ireo ary azo atao lavalava kokoa.

Ny fitadiavana dia tahaka ny varotra ihany, matoa mbola manohy dia mahazo tombony izay. Asehoy ny tombony amin'ny fodiana any Dago, fa tsy adala akory ka hilona aty raha toa ka misy tombony kokoa any. Fa raha mbola simbaina amin'ny adilahy politika, amin'ny népotisme sy amin'ny fanavakavahana ara-poko ny mety ho anjara-masoandron'ny tanora any Dago dia aleo hilentika aty ihany.

Hevitra

Ny hitako anisany olana amintsika malagasy dia izay mba mahita rirany kely dia henjehina. Na tany ampianarana na
eo amin'ny fianakaviana izany sy ny maro hafa koa, tena mahagaga ahy mihintsy io.
Hany ka raha misy olona te hanao asa soa dia henjehina foana hoe misy zavatra ambadika sns....
Fanontaniana hoe aiza no tsara dago sa aty ivelany?
io dia miankina aminao ihany,hoe aiza no ahafahanao mampiadana ny ankohonana sy ny fianakavianao.
Raha misy adihevitra karajia momba an'io resaka io tena vonona aho ny hiady hevitra.

Nampidirin'i voromailala @ 00:44, 2006-06-26 [Valio]

Tohanana antsakany sy andavany ny zava-boalazanareo miral.

Nampidirin'i Tadio @ 04:38, 2006-06-26 [Valio]

Fa ny hevitry ny hoe "mahita rirany" angaha hoe "any andafy" ?

Nampidirin'i Lefft @ 00:51, 2006-06-28 [Valio]

Hoatran'ny resakin'ny tsy nahazo seza no fahitako ny resak'ilay ranamana io ry Hery a ! Mino aho fa raha nahita lalana izy dia mety mba ho efa lasa aty amintsika koa fa tsy nahita izy dia manankorontana fotsiny sisa no azony atao.

Momba ny resaka fanambadiana indray dia hita tokoa fa tena mbola fohy saina ranamana ka mitsetra ihany no azo atao. Mbola lavitrezaka lery tsy mahafantatra ny tena réalitén'ny fiainana. Angamba tsy fantany akory aza izany atao hoe fitiavana izany.

Itsikio dia ampy e !

Nampidirin'i Sakaizakely @ 21:12, 2006-06-28 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry