« | »

Nianavaratra indray

2006-07-18 @ 02:08 in Izaho sy ny ahy

Vokatry ny fifankatiavana misy ao amin'ny serasera.org dia aty avaratr'i Lafrantsa indray izahay amin'izao fotoana izao. Tsy nisalasala nandray anay i sipagasy namana maharitra sy mpiara-mandrindra ao amin'ny serasera.org ihany koa.

Mbola mitohy hatraty ny hafanana manenika an'i Eoropa. Tsy dia tsapa loatra satria alina izahay no tonga. Fa nony maraina ny andro dia nigaina indray. Nijery ny tampontanàna aloha dia niakatra teo amin'ny Beffroi de l'Hotel de Ville, tilikambo avo mahatratra 104 metatra. Nahafinaritra sy nahafehy ny tantaran'i Lille ny fanazavan'ilay ramatoa mpitarika tao. Notantarainy teo daholo ny niavian'ny Beffrois aty amin'ny faritra avaratr'i Frantsa. Nohazavainy teo ihany koa ny tantaran'ireo faritra vitsivitsy eto Lille. Raha anontaniana ahy dia tsy ho tadidiko akory fa nilaina ihany.

Ho hita eo indray ny androany hariva.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry