« | »

Le monde est sourd: Efata!!!

2006-09-10 @ 22:35 in Blaogy Dev

Tao anaty documentaire iray sendra hitako efa ela dia nisy olona moana sy marenina izay nanontaniana raha toa ka te ho sitrana, handre toa ny olona rehetra. Fa nandà izy niteny hoe "Sao dia diso fanantenana amin'izay zavatra alaiko sary antsaina aho". Raha toa mandre tokoa izy dia ho hafa tanteraka amin'izay rindra noheveriny no ho reny. Dia naleony nipetraka tao anatin'ny fahanginana fandreny.

Fihetsika mampiseho ny marenina
Signe des malentendus
Ny olona toa azy dia manana ny fijeriny ny firindran'ny tontolo, izay hafa tanteraka tsy tahaka ny an'ireo mandre. Antsoin'ny mandre ho marenina izy satria tsy mandre ny zavatra reny. Fa ireo mandre kosa ve nefa mba maheno ny fahanginana ren'izy ireo? Azon'izy ireo antsoina hoe marenina koa izany izay mandre... satria misy zavatra tsy reny... ilay fahanginana. Tsy misy afaka hilaza ny fahanginana iainan'ny olona tsy mandre tokoa afatsy ireo izay efa tsy nandre taloha... toa ny hoe tsy misy olona mahalala ny loko hitan'ny jamba afatsy ireo izay efa jamba taloha. Marenina ihany koa izany na dia ny mandre aza.

Fa tsy misy jamba mihoatra noho izay tsy te hahita hono, ary tsy misy marenina noho izay tsy te hihaino. Eto angamba no mitombona kokoa ilay lohateny hoe "marenina izao tontolo izao". Dialogue des sourds... resaky ny samy marenina (mody marenina)... tsy misy vonona hihaino... fa samy te hiteny. Samy milaza fa manana ny marina, na ara-piaraha-monina, na ara-politika, na ara-toekarena, eny na dia ara-pinoana aza.

Izay tontolon'ny samy marenina izay no ilàna ilay teny hoe Efata (misokafa!) izay nolazain'i Jesoa tamin'ilay moana marenina androany. Ny Efata ho an'ny olona mandre dia azo adika hoe Mangina ary mihainoa. Henoy fotsiny ny hafa na dia tsy manana ny marina aza. Aza maika ny hiteny handresy lahatra... fa mihainoa sy mandiniha aloha. Aza maika ny hizara raha tsy miaina izay noraisina. Aza maika ny hitory raha tsy miaina izay hotoriana.  "Nomena sofina roa ny olombelona, ary vava tokana, hoy ilay nitory teny androany... Tokony hihaino indroa aloha vao miteny indray mandeha."

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry