Iaraha-mahita fa mbola tsy mirindra tsara ny fikajiana ny isa azon'ny tononkalo ao amin'ny vetso.serasera.org satria amin'izao raha vao omen'ny namana 1 isa 5 dia mahazo isa 5 avy hatrany (100%) ary tonga dia lasa ambony indrindra. Koa manana eritreritra toa izao aho momba io isa io. (tohiny)
Gaga aho androany nijery tamin'ny yahoo movies fa tsy mbola nivoaka any US ilay film Mr Bean's Holiday na dia efa mivoaka amin'ny firenena maro aza. Amin'ny 31 aogositra hono vao hivoaka... satria angamba tsy film amerikana. Dia mbola gaga koa aho fa vao 2 herinandro monja no nivoahany dia nahatratra 124 millions USD sahady ny vola voaangony... mandrapahatongan'ny volana aogositra izany dia mety hahazo mihoatra noho ny 200 millions io film io. (tohiny)
Mba hahafahana mamaky ity lahatsoratra ity dia ampiasao ny tenimiafina test
(tohiny)
Eto amin'ity blaogiko ity no hanehoako ihany koa ny fisaorako an'i Paraina Auguste izay ambassadeur (t)eto Italie nandritra izay efa-taona izay. Amin'ny maha mpiasam-panjaka azy moa, araka ny nolazainy, dia voatendry hiasa any amin'ny toeran-kafa indray izy. Tamin'ny fihaonana tamin'ny asabotsy teo, izay nankalazanay indrindra ny tsingerintaona nahaterahany, no nilazany izany vaovao izany. (tohiny)