Azo atao hoe vita androany ny takelaka baiboly.katolika.org izay takelaka nametrahana ny baiboly katolika dika 1938. Efa ao sy azo vakiana daholo ny lahatsoratra fa mbola mikofoka ao ikalamako (Rondro Ravalson) amin'ny famakiana azy hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ary manitsy izay tokony hahitsy, indrindra eo amin'ireo andininy tokony hotapahina. (tohiny)
Ny asako hono izany dia wedding planner. Mikarakara mariazy hatramin'ny fampihaonana ny olona roa hatramin'ny fanambadiana. Tsy agence de rencontre fotsiny dia samy miala fa sady mikarakara ny mariaziny mihitsy... ary angamba koa hi-assurer azy ireo hiaina finaritra ao anatin'ny tokantranony, omban-janaka. Rehefa vita izay dia réussi ny mission. :-)
Resaka fotsiny iny...
Sary indray mipika (tsy ahy) hizarana aminareo ny ambiansy ho an'ny mpijery video eny amin'ny elakelatrano. Amin'izao fotoana izao dia efa 300A no fidirana. Efa betsaka koa ny lohateny teny anglisy (Viva eMule!!!). Ary efa tsy kasety intsony no alefa fa efa DVD (re-viva eMule sy ny divX).
Mahazo tombony ny olona mpanao an'io satria mbola tsy ampy fialam-boly ny Malagasy.
Mamita ilay takelaka baiboly aho amin'izao fotoana izao (isaorana be dia be i belle nanome sy nanitsy ny andininy manontolo). Dia hitako ao fa "Jeso" no fanoratra ny anaran'i Jesoa ao anatin'io baiboly io. Amin'ny boky fivavahana tranainy indray dia "Iezo" no fampiasa. (tohiny)