Ny lasa tsy fanadino (G+ vs Fb)

2011-10-07 @ 06:48 in Blaogy Dev

Alohan'izany aloha dia hitako fa misy fomba tsara mba hahafahana manohy manoratra lahatsoratra amin'ny blaogy matetika. Amin'izao mantsy manjary varian'ny "microblogging" toy ny twitter sy ny status ao amin'ny facebook na Google+ dia tsy mahavita manoratra lahatsoratra lavalava intsony. Matetika ny ankamaroan'ireny dia teny fohy manambara zava-mitranga iray. Ny an'ny sasany aloha dia famintinana amin'ny andalana vitsy ny lahatsoratra efa voasoratra. Fa ny ahy matetika dia eritreritra mandalo mihitsy. Ka ataoko fa azo atao tsara indray ny mamelabelatra sy mandalina iny ho lahatsoratra lava sy lalindalina kokoa. Mazava ho azy fa raha vita ny manao lahatsoratra iray isaky ny eritreritra mandalo iray dia ny fotoana hamakian'ny olona azy indray no tsy hisy :-)

Fa ny zavatra tena tiako holazaina amin'ity lahatsoratra ity dia ny momba indrindra ny fitehirizana ny lasa amin'i Facebookk sy Google. Efa nolazaiko teto ihany hoe raha misy lahatsoratra na zavatra mahaliana anao ao amin'ny rindrinao ao amin'ny Facebook dia very any iny afaka fotoana ela. Ohatra fotsiny hoe ny resaka nandeha momba an'i Kemba tamin'ny 2009, ny reactions-n'ny tsirairay, ny zavatra natao tamin'izany dia tsy hita hoe aiza ao amin'ny facebook no hahitana azy. Tsy misy fomba tsotra hiverenana amin'izany ao. Dia hohadinoina ve ny lasa?

Ao amin'ny Google+ indray, amin'ny maha tompon-daka an'i Google amin'ny resaka fitadiavana dia azo tadiavina ihany ny zavatra napetrakao taloha. Izany hoe mila fantatra fotsiny ny zavatra tadiavina dia asehony ao. Eto izany dia farafaharatsiny, raha nampiasa Google+ ianao fa tsy Facebook tamin'ny fotoana nisian'ny fihaonan'ny serasera teto Roma dia ho hitanao ihany ny tantara sy sary afaka 5 taona... fa tsy maintsy fantatrao hoe nisy ilay fihaonana serasera dia iny no tadiavinao.

Raha mieritreritra ny mbola hiverina amin'ny lasa izany dia tsara kokoa ihany ny mampiasa G+ noho ny FB. Tsy misy amin'ireo anefa ahafahanao mijery, ohatra hoe, inona daholo ny zavatra nosratano tamin'ny 2007. Dia eo no miditra ny tanjaky ny blaogy. Ny blaogy mantsy amin'ny maha fitaovana manaraka ny fotoana azy (chronologique) dia milahatra arakany daty ny lahatsoratra. Misy sokajy sy lohahevitra ao saingy araka ny daty aloha ny filaharana. Mora ho anao izany ny miverina amin'ny lasa. Mety ho gaga aza angamba hoe "hay ve nanoratra toa izany aho taloha" raha nanoratra. Misy fotoana aho mamerina mamaky ny blaogiko sy mijery ny zavatra nosoratako dimy taona lasa dia hitako hoe misy fomba fijery hafa sy hevitra hafa.

Koa amiko dia mbola fitaovana mahomby sy tsy misy mahasolo azy aloha ny blaogy. Sady azo atao foana, tahaka ny ataoko, ny mizara amin'ny G+ na Fb ny zavatra voasoratra ao amin'ny blaoginao.

Mety mahaliana anao: Inona no misakana anao tsy hi-blaogy

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2011 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry