Hatraiza ny fetra? Limitless (2011)

2011-10-27 @ 09:08 in Sarimihetsika

alt
Rehefa avy nijery an'ilay horonantsary hoe Limitless (2011) aho omaly dia lasa ohatry ny nitombo be izany ny fanantenako hoe mbola betsaka tokoa ny zavatra azon'ny saina atao fa vokatry ny fanadinoana fotsiny dia milevina ao anaty atidoha ao daholo ny fahaizana. Raha toa izany ka resy ny fanadinoana dia hitombo ho azy ny fahaizana satria hifoha avy ao amin'ny "sub-conscience" avokoa ny zavatra hay taloha. Izay no fiantombohan'ilay film hoe Limitless io.

Nalaina avy ao amin'ny boky iray hoe The dark fields ny tantara. Ary ny tanjona dia ny fitrandrahana (exploitation) ny atidoha hampiasa ny fahafahana rehetra ananany. Voalazany mantsy fa ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no miasa fa ny ambiny dia matory. Lasa lavitra be ny vinavina (imagination)-n'ilay mpanoratra ka mahafinaritra ny mijery ilay film... Ny mpilalao koa mahay tsara. Miserana ao amin'ity horonan-tsary ity i Robert de Niro ary tsy mandiso fanantenana na dia tsy izy aza no mpilalao fototra.

Io maraina io dia nojereko  tao amin'ny wikipedia ny mikasika ity resaka 10% ity ka nolazainy fa tsy marina ilay izy. Tsy ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no tena miasa. Lazain'io lahatsoratra ao amin'ny wikipedia io fa miasa ("active") daholo ny singa rehetra ao amin'ny atidoha... izany hoe tsy misy matoritory... tsy very nefa ny fanantenana :-p

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2011 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry