Izay ilay politika

2012-01-21 @ 16:24 in Politika

Nisy sarimihetsika "The ides of March" izay vao nivoaka tamin'iny 2011 iny izay resaka politika avo lenta no tena ao anatiny. Na dia fitapitaka maloto sy mahafanina aza ilay izy dia mahaliana satria tena ady sy kajy politika. Fa nony nahita ity zava-niseho androany ity aho dia niaiky fa efa manomboka mahay politika ny HAT. Mino aho aloha fa misy mpanolotsaina matevina ao ambadik'i Rajoelina satria tsy eritreretiko ho izy no hahay zavatra toa izay nitranga androany.

Voafitak'i Rajoelina daholo androany na ny Communauté Internationale, SADC, na Ravalomanana mianakavy, na ny Mouvances Ravalomanana izay niandry tao amin'ny salon d'honneur, na ny governemanta Beriziky, na ny mpitandro ny filaminana (afats'i Gal Ravalomanana sy izay niaraka taminy).

Nesoriny hatry ny ela ny NOTAM satria tsy ara-dalàna ny fisian'ny NOTAM lava reny, na dia hoe efa nohavaozina kely aza. Fantany fa raha mamoaka NOTAM mialoha izy dia hosakanan'ny Governemanta sy hofaizin'ny SADC. Tsy mety aminy mihitsy anefa ny hiverenan-dRavalo dia navelany ihany hiainga ny fiaramanidina. Rehefa teny am-panidinana dia nohidiany ny seranana teny Ivato. Torohevitra avy aminy manokana mihitsy ilay NOTAM fa tsy tamin'ny Governemanta akory (Misy soratra mazava hoe PHAT INSTRUCTION). Natao haharitra adin'ny telo fotsiny izany NOTAM izany ary nolazaina tamin'ny fiaramanidina nitondra an-dRavalo hoe aiza izy no afaka mipetraka. Ny antony dia mba hanatanterahana ny fisamborana (Hoy ny minisitry ny serasera). Mazava ho azy fa niverin-dalana ny fiaramanidina nony nahita ilay NOTAM.

Ny zavatra nahaliana dia efa nisodisody teny Arivonimamo nandritra iny  herinandro iny ny mpitandro ny filaminana. Ny sasany nihevitra hoe mety Ravalomanana no hidina tampoka eny Arivonimamo dia nojerena ny fahafahan'ny fiaramanidina midina eny. Kay ry zalahy mihitsy no nanomana an'ilay hoe havily any ny fiaramanidinay.

Ny zavatra nahaliana anakiray koa dia ny Jeneraly Ravalomanana niteny hoe hitsena an-dRavalomanana kanefa izy tsy teny Ivato. Mazava izany fa toerana hafa no saika hitsenany an-dRavalomanana.

Dia inona no mety ho tohiny?

Henjan-droa ny tady. Efa miely be amin'izao fa tsy navelan'ny FT (tsy FAT intsony hono) higadona ao Madagasikara ny fiaramanidina. Ry zareo ao amin'ny mpitatitra an'habakabaka SAA - Airlink dia nanao filazana hoe nohidiana ny habakabaka Malagasy, ary tsy nolazaina azy hoe inona ny antony. Tsy hijanona amin'izany fotsiny izy ireo fa tsy maintsy hisy vokany izany. Efa miakapeo i Fransman fa hampiakarina eo anivon'ny UA na ny vondrona afrikanina ny resaka. Hitohy izany ny dinidinika saingy efa hita ihany koa ny fahefan'ny Tetezamita tsy hanaiky ny hidiran-dRavalo ka tsy maintsy hotohizany izany.

Ny hany herin-dRavalo?

Mody antsokosoko sisa no azon-dRavalo atao. Raha mody amin'ny zotra ara-dalàna tahaka ny androany izy dia tsy maintsy hisy NOTAM hisakana foana. Raha mody amin'ny fiaramanidina manokana indray izy ka fantatra mialoha dia mety vao maika hosamborina na ho zavatra hafa ny hanjo. Koa tsy maintsy tahaka izay fomba nialany tao Madagasikara ihany sisa no hidirany ao. Tsy nisy nahalala ny nialany tao Madagasikara sy ny nikarakara izany, ka azony atao koa ny tsy mampahafantatra ny fomba sy ny fotoana hiverenany. 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Janoary 2012 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry