Lasa mpivavaka be hono dia...

2013-05-21 @ 21:34 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Tsy misy resaka fitsarana olona mihitsy fa mba manimanina ny taloha aho dia nandefa soratra niakatra. Sendra nisy resaka mantsy hoe nilay ihany ny hiran'i Rija Rasolondraibe taloha ireny. Ry "Miandry anao" sy ry "Anjara tandrify". Fa amin'izao, ary efa ela mihitsy, no tsy nohirainy intsony ankalamanjàna (na mety hoe antsokosoko koa). Hira nitaiza ny tena tamin'ny fahatanorana ary anisan'ny nikolokolo ara-pitiavana. Azy ny hira ka anjarany sy safidiny ny mihira na tsy mihira azy fa ny akon'izany sy ny fiezahana hitady ny antony no mahalasa saina. Fa naninona tokoa no tsy nohiraina intsony? Tsapa taty aoriana ve hoe ratsy? Vokatry ny fandresen-dahatra hita tamin'ny resaka finoana ve? Ary raha misy olona vonona hamelona ny hira (cover na tsia) indray ve dia tsy maninona?

Fa ny atahorako dia toa hoe mitady hanao toa izany koa i Poopy. Rehefa resy lahatra amin'izay mandresy lahatra azy izy dia tsy hohirainy intsony ny hira taloha. Dia tsaroako ilay resaka nolazain'i Dama izay ny hira rehefa malaza, tafiditra am-pon'ny olona, dia tsy an'ny artista irery intsony na dia izy aza no tena tompony. Misy ireo olona izay mandray ilay hira ho ampaham-piainany mihitsy. Ka raha manapa-kevitra ny mphira hoe hanova ny tonony, ny gadona, ny mpihira azy, dia misy akony kely eo amin'ny mpakafy izany.

Ny hafatro ho an'ny artista mbola tsy lasa mpivavaka be dia hoe na "mibebaka" aza ianareo any aoriana any dia mba tsarovy ihany ny laka-nitàna. Aza ariana miaraka amin'ny koveta nampandroana azy ny zazakely... satria izaho dia mino fa nisy zavatra tsara azo raisina ihany ireny hiranareo ireny.

Ary raha i Samoela tokoa no lasa mpivavaka be? Aza hitako ka ho "Rava tanteraka tokoa" ny momba anay roalahy.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2013 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry