Tandremo, ny mahery tsy maody tsy ela velona

2015-03-25 @ 10:48 in Tsy aritra

Tamin'ity herinandro ity dia in-telo no nisian'ny tranga izay efa fantatry ny ankamaroan'ny mpikirakira internet sy email kanefa ny roa amin'ireo tranga ireo dia nangatahana fanazavana tamiko ka inoako fa misy olona hafa izay mbola mety ho tratra ihany.

Ny tranga iray dia tahaka izao. Nahavoaray hafatra imailaka ity namana iray. Hafatra amin'ny teny frantsay misy sonian'ny "Yahoo" milaza hoe ho lany daty ny adiresiny ka tsy ho tafiditra intsony izy raha tsy mamaly ilay hafatra ka mandefa ny mombamomba azy (Anarana sns, hatramin'ny tenimiafina). Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hisalasala hamafa avy hatrany ny hafatra tahaka izany. Ahoana tokoa moa no hangatahan'ny Yahoo ny tenimiafinao? Saingy noho ilay hafatra niverimberina dia nisalasala ihany ilay ranamana ka nanontany. Ny tranga iray indray dia hafatra ho ahy mitovitovy amin'izany ihany saingy nisy tovana ("fichier attaché") pdf izay nasainy nosokafako. Nony nosokafana ilay tovana dia filazana hoe mety misy mampiasa ny adiresiko koa mila manova tenimiafina aho. Dia misy rohy hidirana ilay izy. Nony niditra tao aho dia mazava ho azy fa tsy site-n'i Gmail no ery amin'ny adiresy saingy mitovy kosa ny endriny. Ary misy fampidirana tenimiafina fampiasako sy ny tenimiafiina vaovao izay angatahany. Raha tsy mijery tsara dia mameno tokoa ka mampiditra ny tenimiafina teo aloha (izay mbola mandeha) sy ny tenimiafina tianao hampiasaina. Koa satria tsy site-n'i Google ilay izy dia lasany avy  hatrany izany ny tenimiafinao... ary rehefa hidirany ny kaonty dia hovainy avy hatrany ihany koa ka tsy tafiditra ao intsony ianao. Ny tranga fahatelo dia hafatra mangataka vola avy amin'ny adiresin'olom-pantatro. Saingy tsy ny adiresiko manokana no nandefasany azy fa olona maromaro. Ity olona ity angamba dia voa tahaka ilay tranga faharoa etsy ambony. Nidiran'ny olona ny kaontiny dia nandefasany fangataham-bola etsy sy eroa. Ny votoatin'ilay email dia tahaka ireny fomba fangataham-bola ataon'ny afrikana sasany ireny... saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia amin'ny teny malagasy tsizarizary. Hita be hoe nadika tamin'ny fandikan-tenin'i "Google" ilay izy. (Jereo ny sary)

Tandremo ny sandoka

Koa ny lazaina angamba dia ny fahamalinana ihany. Tsy tokony hampidirina amin'ny sites hafa mihitsy ny tenimiafina. Alohan'ny hampiditra tenimiafina amin'ny site iray dia jereo tsara ny adiresiny fa sao dia site sandoka. Ary indrindra indrindra tsy tokony handefa tenimiafina amin'ny email izany satria tsy  hangataka izany amin'ny email mihitsy ny Yahoo na Google raha misy ilàny azy.

Dia mazotoa daholo

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Martsa 2015 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry