Mugabe sy ny pelaka ary ny tandrefana

2015-09-30 @ 09:18 in Izaho sy ny ahy

Miala tsiny avy hatrany raha tsy hitako ny dikan-teny hilazàna ny "homosexuel" amin'ny teny malagasy. Mety hoe tsy fomba malagasy mihitsy angamba izany ka tsy namoronany teny. Ny fivarotan-tena mantsy izao, na dia fomba tsy dia mahomby loatra aza dia misy dikanteny amin'ny teny malagasy. Koa ialan-tsiny fa dia io "pelaka" io aloha no teny ampiasaina. Raha toa moa ianareo izay "homosexuels" sendra mamaky an'ity lahatsoratra ity manana teny malagasy hafa tokony hiantsoana anareo dia afaka milaza izany eto.

Fa ny tena resaka dia ny kabarin'i Mugabe tao amin'iny fihaonamben'ny firenena mikambana tamin'ity septambra 2015 ity iny. Nanitrikitrika izy fa i Zimbabwe dia tsy hanaiky ny "homosexualité" izay toetra tian'ny tandrefana hapetraka fotsiny tsotra izao. Efa naverimberiny tamin'ny kabary fanaony tao an-tanindrazany ny resaka tahaka izao fa tsy nisy nanam-po hoe holazainy eo amin'ny pilpitran'ny Firenena Mikambana. Betsaka ny nihomehy, nisy koa ny nitehaka tsy sazoka ireo filoham-panjakana izay nanatrika.

Izaho na dia tsy mankasitraka ny didy jadona aza dia manome rariny an'i Mugabe ihany, indrindra eo amin'ilay fihizingizinany. Saro-piaro amin'ny kolotsainy sy ny fomban-taniny izy, ka anjarany no mijery izay tokony hitehirizana izany. Ary tsy tokony hidiran'ny tandrefana izany. Eo amin'io fidiran'ny tandrefana io mihitsy no manahirana indraindray satria resaka fomban-tany, kolotsaina izy ity, mitovy tsy misy valaka amin'ny hoe resaka finoana. Raha manapa-kevitra ny ho silamo ny firenena iray, tahaka ireo repoblika islamika maro, dia sarotra be ho an'ny kristianina ny mivelona any. Misy ny fanenjehana, sarotra na tsy azo atao mihitsy ny manangana fiangonana... kanefa tsy miditra ny tandrefana. Toa izay hahitany tombony ihany no idirany. Koa aleo tsy asiana tombo sy hala. Avelao i Mugabe hanao izay heveriny fa mety ao amin'ny fireneny... rehefa tsy misy herisetra. Na ny any amin'ny firenena tandrefana koa aza dia misy lalàna moraly maromaro, toa ny lalàna manafay ireo izay mamoafady (na ny Outrage public à la pudeur), izay misy tsy mifanaraka amin'ny fisainana afrikana kanefa tsy idirany. Koa amiko dia tsy tokony hisy ny fanaovana bambaray resaka kolotsaina sy moraly. 

Ary ny ao Madagasikara tokoa ve milamina ny pelaka?

 

 

 

Famadihana, sisan-taolana, inona no ifandraisan'ireto fomba ireto?

Vao avy nitsidika (na natsidika arakaraka izay tiana handraisana azy) an'i Madagasikara ny sisan-taolana (fa tsy razana na taolam-balo) an'i Mb Therese-n'i Jesoa Zazakely sy ny Ray amandreniny tamin'iny volana lasa iny. Nitety fiangonana sy faritra maro manerana an'i Madagasikara. Fotoam-pialan-tsasatra rahateo ny andro ka maro ireo mpino Katolika no afaka nanararaotra sy nahita izany fandalovany izany na dia tany amin'ny fiangonana kely any ambanivohitra aza. Fotoanan'ny ririnina no nandalovan'izy telo mianaka ka nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanaovana famadihana amin'ny toerana maro manao izany (ny ao afovoan-tany indrindra indrindra). Dia mipetraka ny fanontanian'ny sasany hoe inona no ifandraisany na maha samihafa ireto fomba roa ireto? Zavatra mitovy ihany ve? Mety tsy dia hahavaly tanteraka aho fa hitondra fanazavana sasantsasany fotsiny ihany.

Ny olona mijery ivelany aloha avy hatrany dia manao hitsin-dalana hoe mitovy. Razam-bazaha sy razan-gasy. Samy milanja razana. Tsy lavina avy hatrany izany satria samy milanja raiamandreny be tokoa. Amin'ny famadihana dia avoaka avy ao am-pasana ny razana, olona efa maty tany aloha be tany, karakaraina, fonosana, mba hampidirina ao am-pasana indray. Ny antony namoahana azy avy ao dia ny fahafahana mandamina ny ao am-pasana, mamono lamba mba tsy hiparitaka. Misy avy eo ho an'ny sasany ny fombafomba manaraka ny famadihana. Lanjalanjaina entina mandihy, , fiaraha-milanonana, fivoriam-pianakaviana. Samy manana ny fomba fanaony, notohizany na navelany ny tsirairay. Ho an'ny sasany dia mitahy izy ireo ka misy koa ny fangatahan-tso-drano sy fangataham-pitahiana. Ireto sisan-taolan'izy telomianaka koa dia olona efa maty tany aloha be tany, navoaka tao amin'ny toerana nametrahana azy, dia lanjalanjaina sy entina mitety faritra. Fifaliana sy fandihizana ihany koa na amin'ny fomba maotina kokoa aza. Ary satria ho an'ny sasany dia olomasina, akaikin'Andriamanitra izy ireto, dia misy koa ny fangataham-pivavahana, fangatahana fahasoavana avy amin'Andriamanitra. 

Raha ireo izany no jerena dia misy itovizany be dia be ireto fomba ireto. Tsy mahagaga anefa izany satria misy azo raisina tsara hifanaraka amin'ny foto-pinoana katolika ny fomba malagasy ao anatin'ny famadihana. Ny Katolika, ohatra, dia mino fa tsy maty ny fanahy... ny Malagasy koa dia manaiky fa ny fanahy no maha olona. Ho an'ny Katolika dia akaiky an'Andriamanitra ny olona izay nanana fiainana mendrika sy azo alain-tahaka. Afaka manampy ny olombelona hitondra ny fivavahan'izy ireo eo anatrehan'i Jesoa izy ireny. I Jesoa irery no mpanalalana, ny fiombonan'ny olona masina kosa izay akaiky ny olombelona ara-tantara, dia afaka mitondra ny vavak'izy ireo sy miara-mivavaka amin'izy ireo. Tsy mahasolo an'i Jesoa ny olomasina ho an'ny Katolika fa tombony ho azy ireo kosa. Satria sady afaka mivavaka mivantana amin'i Jesoa ny mpino no afaka mangataka ny olomasina hanohana sy hanampy izany vavaka ataony izany. Ny olona rehetra tsara sitra-po efa maty izany, na Malagasy na vazaha, izay azo heverina fa efa eo anilan'Andriamanitra, olona masina azon'ny tsirairay angatahana hitondra vavaka. Tafiditra amin'io sokajy io ny Razana izay nanana ny maha izy azy fony fahavelony. Ny mampiavaka ireo razana ireo amin'ireo olomasina ao anaty kalendrie dia ilay habe-n'ny olona voakasiny. Ny Razana dia olona vitsy no nahalala azy, olona vitsy raha misy no afaka manaporofo na mahatadidy fa nanana toetra modely tokoa izy. Mijanona ho mpitondra vavaka sy modelin'ireo olona vitsy (matetika taranany) izay mahatoky izany toetra nananan'ilay Razana izany fotsiny ihany izany izy. Azo ekena ho olona masina izy saingy tsy ambara am-pahibe-maso satria tsy nisy fanadihadiana nahafahana nanamarina ny fiainany. Ny olomasina kosa dia niainga tahaka izany ihany. Ny taranany, na ny olona nahafantatra azy dia niezaka nanaporofo fa tena olona nanana ny maha izy azy sy azo alain-tahaka tokoa ilay razam-beny. Nisy ireo vavolom-belona nijoro, nisy ireo tantara nipetraka. Nisy mihitsy aza ireo sahy milaza sy mijoro vavolombelona fa nahazo fahasoavana noho ny vavaka nataon'ilay razana. Rehefa atao ny fanadihadiana ka mitombona daholo ny fijoroana vavolombelona dia eken'ny Fiangonana fa olona nanana ny lazany tokoa ilay Razana ka ambarany fa olomasina ka azon'ny katolika rehetra hangataham-bavaka sy atao ho fakan-tahaka tamin'ny toetra niainany. Izay maha manokana (ho an'ny Razana) sy maha iraisan'ny rehetra (ho an'ny olomasina) izay izany no tena mampiavaka ny Razana sy Olomasina ho an'ny Katolika. Andriamanitra irery no mahalala ny maha masina na tsia ny tsirairay. Ny velona kosa dia miantehitra amin'izay fijoroana vavolombelon'ireo izay nahalala azy manambara ny toetra tsara niainany. 

Raha toa ary ka mijanona fotsiny amin'ny fanajana ny razana, sy fangataham-bavaka na fiaraha-mivavaka aminy, toa ny atao amin'ny olomasina no atao mandritra ny famadihana dia tsy manohitra izany ny Katolika ary tsy miantso izany ho fanompoan-tsampy. Mazava ho azy, miankina amin'ny tsirairay tanteraka eo imason'Andriamanitra izany. Toa izany koa, raha tsy mijanona fotsiny amin'ny fangataham-bavaka sy fiaraha-mivavaka aminy ny fitodihana amin'ny olomasina ataon'ny mpino katolika, dia efa mivoana ho fanompoan-tsampy indray izany ka ilàna fitandremana. Miankina amin'ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay koa anefa no hahafantarana izany.

Koa mitovy ary ve ireo sary ireo? Miankina amin'ny fo sy toe-panahy entin'ny tsirairay tanteraka eo ampanaovana ireo fihetsika ireo izany.
Raha mahaliana anao ny fiheveran'ny Katolika lalindalina kokoa ny famadihana dia azonao vakiana eto ambany.

Mompera Francois de Paule Randriamanalina sj. dia nanoratra ny thèse-ny mikasika ny famadihana sy ny finoana kristianinaESSAI SUR L'INCULTURATION DE L'ÉVANGILE À MADAGASCAR DU FAMADIHANA A LA CHRISTOLOGIE PASCALE http://www.collectionscanada.gc.ca/obj/s4/f2/dsk1/tape10/PQDD_0019/NQ48113.pdf

(Ny sary dia tao amin'ny kaonty facebook-n'i Alisoa)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Septambra 2015 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry