Mbola tsy voasambotra foana ve i Tatandraza?

2018-06-03 @ 08:29 in Politika, Serasera 3 minitra

Tsy hoe tsy fitiavana manokana an'i Tatandraza akory, satria tsy dia maty antoka manokana aho raha mahazo tombony izy, fa ilay fizahozahoan'ny manam-pahefana Gasy rehefa mahatratra boay kely sendra nanao tsy mety teo amin'ny Facebook. Rehefa sendra misy mandefa vaovao tsy marina manohintohina andry zalahy dia malaky be mihitsy ilay fisamborana, miasa daholo mihitsy angamba ny teknolojia isan-karazany. Fa mahagaga i Tatandraza mampiseho video impiry tsy mety tratra. Sa mbola tsy voakasika ny fiainana manokan'ny sasany? Sa mbola mampihomehy fotsiny aloha dia varimbariana amin'iny ny vahoaka noana?

Misy ny Gasy ory hava-manana

2018-06-02 @ 22:33 in Serasera 3 minitra

Resaka mikasika indrindra ny toetra ananan'ny Gasy sasany ity nataoko video tamin'ny Serasera 3 minitra ity. Zavatra mateti-pitranga, tahaka ny vay an-kandrina, ka sady maharary no mahamenatra kanefa tsy maintsy lazaina ihany sao mba miova tsikelikely.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry