« | »

Fitaovana manakely sy manamboatra sary

2007-01-30 @ 23:19 in Eritreritra mandalo, Informatika

Anisan'ny zavatra mety mahaliana antsika angamba ity, indrindra isika izay zatra mpampiasa sary na amin'ny blaogy izany na amin'ny toeran-kafa. Indraindray mantsy sahirana tokoa fa lasa ngeza noho izay niheverana azy ny sary ka tsy omby eo amin'ny toerana tokony hametrahana azy.

Hitako tao amin'ny blaogin'i tattum anakiray fa misy fitaovana azo hanovana ny sary amin'ny internet. Izany hoe tsy voatery mampiasa fitaovana ao amin'ny ordinatera intsony (tahaka ny PhotoShop sns) fa vita "en ligne" daholo ny zavatra rehetra.

Koa ny nahasarika ahy indrindra dia ilay Cellsea.com 

Tsotra dia tsotra ny fanaovana azy.

Ampidirina ao ny sary (avy ao amin'ny ordi, na koa sary efa mipetraka any amin'ny internet) dia tonga dia azo ovaina ny habeny, ny lokony sns. 

Hevitra

Tena tsara tokoa ilay izy fa misaotra รด.

Nampidirin'i Tokinao @ 23:44, 2007-01-30 [Valio]

raha tany am-pianarana dia anisan' ny nananga-tanana aho satria voatonona anarana..lol

Misaotra Hery an!

Nampidirin'i kitjo @ 04:20, 2007-01-31 [Valio]

Tena izany mihitsy koa no ilaiko koa! tena ankasitrahana ianao e!

Nampidirin'i jentilisa @ 08:02, 2007-01-31 [Valio]

Milay kosa le izy an!!

Nampidirin'i lapino @ 11:48, 2007-01-31 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry