« | »

Wééé Tafiditra ao anaty fandaharampotoana ny blaogy.com

2007-01-31 @ 15:31 in Blaogy Dev

Ankoatry ny asa ato ampiasana sy ny hafa dia tafiditra ao anatin'ny zavatra tokony hokitihana amin'io volana febroary io koa ny blaogy.com. Ny fanapahan-kevitra noraisin'ny mpidinika tamin'izany (izaho sy ny feon'ny fieritreretako) dia ny hanohizana sy hanatsarana ny fikarakarana ny blaogy.com amin'izao endriny izao. 

Na dia eo aza ny blaogy.org dia tsy ho faty fa hifameno aminy aza ny blaogy.com.

Ao anatin'ny vinavina:

  • Fanovana ny pejy fandraisana
  • Fampitomboana ny isan'ny endrika afaka ampiasaina
  • Fanafainganana (lafiny teknika)
  • Rehefa hanokatra blaogy ny olona dia afaka misafidy na hanao blaogy.org na blaogy.com (efa vita)

Hevitra

Tsara izany e!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:14, 2007-01-31 [Valio]

Tena mavitrika mihitsy i Hery fa nandeha naka douche fts aho dia nisy hevitra vaovao hafa ndray...ihhihihi

Mahafinaritra kosa izany...

Ny ahy izaho ny mba tiako @ ilay endriky blaogy.com dia mba afaka atao @ pejy Fandraisana mba miseho eo ireo Rohy...

Na mety hoe za no tsy mahay mampiasa an ilay izy angamba fa mety efa misy na @ template hafa no mety an' izay!

Maztoa re tompoko e!!

Nampidirin'i kitjo @ 16:22, 2007-01-31 [Valio]

Sao dia tahaka ny an'i Pissoa no tianao tenenina?

Nampidirin'i hery @ 16:47, 2007-01-31 [Valio]

iieee
tena ohatra an'io tokoa...
sa tsy mety @ilay ahy ao io izao??

Nampidirin'i kitjo @ 17:09, 2007-01-31 [Valio]

Kitjo: Nojereko ilay rohy ao amin'ny blaoginao fa toa lavalava ihany. Tsy hanahirana ve raha ireo no miseho ery amin'ny sisiny?

Nampidirin'i Hery @ 17:32, 2007-01-31 [Valio]

an3
ko raha tsy inona ko!
Fitadidiana ny ankamaroan' ireo k!
fa misy ny tena tiako avoaka eo ivelany raha mety..
Vitsivitsy ihany fa aza matahotra..hiihhi

Nampidirin'i kitjo @ 18:45, 2007-01-31 [Valio]

Hay ve ilay hoe olona mpidinika: i hery sy ny feon ny fieritreretany e. Danz be izany fanapahankevitrareo izany dia misaotra anareo be dia be e. Mampamangy ao ao amin ireo mpidinika aza.

Nampidirin'i dialynews @ 21:35, 2007-01-31 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry