« | »

Variana milalao...

2007-03-10 @ 23:49 in Informatika

Misy zavatra mahavariana ahy amin'izao fotoana izao. Vao nahita ilay atao hoe JQuery aho andro vitsivitsy izay. Nifanojo tanteraka tamin'ny nanavaozana ny Radiovazogasy.com no nahitako azy. Tiako haseho anareo fotsiny zavatra mety ho vitany. Ny zavatra kely efa mba haiko amin'ilay izy ity asehoko anareo eto ambany ity. Ho an'izay efa mahay programmation dia mora ho azy ny mianatra sy mampihatra azy.


Tsindrio eto

Image(9).jpg

Taloha rehefa manao zavatra tahaka an'itony dia misalasala foana hoe handeha ve ny JavaScript sa tsia. Fa rehefa mampiasa JQuery dia tonga dia aseho ny tsy mampiasa Javascript ary izay mampiasa Javascript sisa no mahita ny fiovana. Ny mahatsara ny JQuery koa dia madio tanteraka ny HTML. Raha jerena ny "source" eto amin'ity takelaka ity dia tsy hahitana onClick toy ny mahazatra.

Ny ohatra goavana amin'izany dia ny AJAX izay natao tao amin'ny radiovazogasy.com. JQuery no nampiasaiko mahatonga ny lohatenin'ny hira miova ho azy io. Raha tsy mampiasa Javascript dia tsy miseho ilay sary kely izay milaza hoe miova ho azy ilay izy.


Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry