« | »

Ny momba an'i P. Sylvain Urfer

2007-05-15 @ 14:04 in Eritreritra mandalo

Noroahin'ny fanjakana hiala tao Madagasikara tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny ny P. Sylvain Urfer sj. Efa talata izao kanefa sady tsy misy filazana ny antony avy amin'ny fanjakana no tsy misy fanoherana mivantana avy tamin'i P. Urfer na dia efa any andafy aza izy. Izao fahanginan'ny roa tonta izao dia midika zavatra goavana izay azo fintinina hoe izay mangina volamena.
Fa iza tokoa ity P. Sylvain Urfer ity? Tsy mahalala azy manokana aho fa efa henoko ny lazany. Indroa aho no nanatrika ny conférence nataony (tamin'ny anaran'ny Foi et Justice) teny Ambatoroka nandritra ny séminaire interdisciplinaire. Mbola tamin'ny andron'i Zafy izany (1995 tany ho any). Tsy mitsitsy izy rehefa miteny... ary nahafinaritra ahy ny fivatravatrany. Betsaka kosa anefa ny tohina amin'izay mandre ny lazainy. Pessimiste tanteraka amin'ny zavatra rehetra mitranga izy. Tsy misy mihitsy zavatra mba vita tsara ka nankasitrahany nandritra ny teny nolazainy. Nisy frera namanay moa niasa eny Anosibe isaky ny asabotsy hariva (angamba izy izay), dia mahalala kely an'i P. Urfer dia nohamafisiny fa izany tokoa no toetra mampiavaka an'i P. Urfer. Nalaza koa izy teny amin'ny Paroasiny teny Anosibe amin'ny toriteny manindrotsindrona - izay heverin'izay voatsindrona ho toa ny fanambaniana sy fanevatevana. Izany anefa no toa nitiavan'ny Kristianina azy taty aoriana. Nisy fitsipika hafakely hono tao Anosibe tao nandritra ny nisian'i P. Urfer. Tsy ekeny ny fitabatabana am-piangonana. Asainy mivoaka raha toa ka manao akanjo tsy maotina ny tovovavy. Andehanany eny ampitoerana mihitsy ary entiny mivoaka. sns.

Betsaka ny nahazo soa tamin'izany toetrany izany kanefa nisy ihany koa ireo tsy nahatanty. Ary inoako fa zavatra maro nitambatambatra avy amin'ireo izay tsy nahatanty ireo no nahatonga izao fandroahana azy hody izao. Raha ny fahafantarako an'i P. Urfer dia tsy maintsy hiteny izy raha tsapany fa tsy rariny izao nandroahana azy hiala tao Madagasikara izao. Mety hiandry fotoana ela anefa izany... koa aleo ny tantara no hitsara.

Hevitra

P. Urfer

voasaron'ny "secret d'état" daholo moa ny zavatra toa izao, (toa efa nisy pretra italiana koa voaraoka sy tsy nahazo nandia ny tanintsika nandritra ny fotoana nitondran'ny Amiraly, raha tsy diso aho, saingy efa afaka "nody any an-tanindrazana" - fiteniny rehefa miantso an'i M/kara io - izy izao). Izay antony tsisy mahalala mazava, fa hoy kosa ny fitenenana hoe "hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha".
Ny fantatra fotsiny dia hoe tsy mifidy teny izy ireo mitsikera ny tsy mety, saingy na atao aza hoe tsy hila ravin'ahitra hanatsara fiainana toa ireo malagasy manorim-ponenana any ivelany aza izy ireo - ka mahatonga ilay vazivaziko hoe angaha zareo tsy afaka mangataka citoyenneté dia tsy voakitikitika intsony - dia azo lazaina fa efa nanoka-tena ihany honina any amin'ny tany nanendrena azy izy ireny, ka mihevi-tena ho tompon-tany, ka izany angamba no hahasahiany tsy mitsitsy teny sao mba misy mahasoa ity heverin-drizareo tanindrazany faharoa. Ka asa raha tena manohintohina ny fiandrianam-pirenena tokoa izy ireny na mendrika holanjalanjaina ihany izay lazainy.
Isika moa valalabemandry daholo ka tsy afaka hanome tsiny na hanome rariny ny andaniny sy ny ankilany fa dia ny tantara foana no hitsara izay mitranga.

Nampidirin'i ikalamako @ 17:19, 2007-05-15 [Valio]

Mampalahelo

Izaho dia anisan'ny mpianatr'i Sylvain Urfer: ny zava-dehibe takiany, tsy hoe pessimisme loatra fa kosa, na ny marimarina kokoa, ny "logique", ny "cohérence" amin'izay atao, ny mpanao politika dia tokony hanao politika, izany hoe tokony hitsinjo ny tombontsoam-bahoaka, ny mpiangona dia tokony hiaina, hiakanjo, hitondra tena araka ny maha-kristianina azy...
Ny Fanjakana moa, iza? ny olona voafidin'ny vahoaka, mety ho tsy fidiny fa ny hany azo hifaharana...
Samy hotsarain'ny tantara araka ny lazain'Ikalamako... fa raha amiko manokana, ny antsika aza i Pety izao atao haza lambo ko...
Mety ho nofinofy anefa ny hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka satria firy isan-jaton'ny Malagasy no efa mba namaky, na mba afaka mamaky ny lalam-panorenantsika? avoaka ny lalàna vaovao, nefa ny tranainy aza tsy fantatra...
dia andrasantsika ny tohiny e
angamba koa ny mompera ny sy pastera hampanao fitsapan-kevi-kristianina ...

Nampidirin'i Harilova @ 16:23, 2007-05-17 [Valio]

Mbola mamaly ihany izy androany 24 May 2007 tao ami'nny RFI

Na iza na iza mandà dia ity no marina (na koa raha misy tsy mahalala): ny frantsay dia manao izay hianjeran'ny fanjakana ankehitriny satria hitany fa mitady ho very tombotsoa eto izy.Ataony izay hampiady ny mpiray tanindrazana, ary foroniny ny karazana crise rehetra. Fanaony izany tany côte d'ivoire, rwanda, congo,haiti...sy ny ex-zana-taniny rehetra. Miara-mitranga daholo ny korontana:"asainy"robaina ny merina any toliara, dia vao tamin'ny heriny "nasainy" novonoina ny Pr Randrianasolo Mivady (izay olona efa nitoetra ela sady mamy hoditra satria pédiatre tsara fanahy sady "élite" eto amin'ny firenena, "nasainy" nasiany tract eny amin'ny 67 milaza fa hoe handroaka olona koa ny eto Imerina, "nasainy"nangonina ny menaka rehetra eto an-tanàna, "nasainy" niara-nihetsika ny oniversité hitokona, "nasainy" nifamono ny mpianatra avy any atsimo sy ny avy any Diego, "nasainy"niteny i Mompera izay Major de promo amin'ny Siansa Politika.Miala tsiny : tsy mety amiko ireo mpanjanaka ireo fa mbola mitady hanjakazaka eto. Farany : mbola miteny foana izy nefa anie Fantany tsara ny Romana 13 e!!!. Fa ahoana ary e? Sao tsy fivavahana no tena anton-dia? Fantatrao ve ny atao hoe sampam-pitsikilovana? Ary inona no antony itenenan'ny Quai d'orsay? Mahagaga be ô? Raha mandroaka Gasy ny Fatim-bazaha tsy misy miteny ny fanjakana nifandimby fa manaiky izay lazainy sady tsy mila "motif". Fa maninona ity "mpanompon'Andriamanitra"ity no toa arovan'ny Firenena nihaviany? Arovy ny Tanintsika afa-tsy hoe Double nationalité ianao mamaky.
Misaotra. Tsy mankahala olona aho tompoko fa mankahala io firenena mpanjanaka io.

Nampidirin'i Ramarohavana @ 07:12, 2007-05-24 [Valio]

HAFATRA

Salama tompoko,
Izaho manoratra dia katolika ary dia tena nalaleho tamin'ireny fandroahana an'i P.Sylvai Urfer ireny.
Marina fa tsy tokony hiditra betsaka @ raharaha politika eto amintsika ny vahiny, nefa kosa raha fitsikera ara-dalana sy hitondra soa ho an'ny vahoaka madinika no ataony dia ataoko fa tsy misy olana ny amin'izany.
Ny hafatra tiako ambara dia ny hoe" REHEFA TSY MAHAZAKA TSIKERA NY FITONDRANA DIA MIALA FA BETSAKA NY MAHAY AN'IO", ary miara-maty @ KATOLIKA na iza faly na iza............................................................

Nampidirin'i sixe @ 12:52, 2007-05-26 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry