Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 234

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 235

« | »

Sady "tsotra" no "simple"

2007-07-21 @ 07:16 in Eritreritra mandalo

Mihomankomana hamonjy mariazy izahay izao. Mariazin'ankizy namana eto Roma. Dia hitako sahirana be mihitsy ny sasany efa ho herinandro izao mifidy mividy akanjo hoentina any. Dia rehefa mba miteny aho hoe aleo tsotsotra ihany dia izaho indray no tsy ohatry ny hoe tsy manaja an'ilay mba andro iray toa zaton'ny olona.

Raha izaho no atao mariazy dia angamba asiako toa izao ao amin'ny faire-part & invitation hoe "Fitafy: sady tsotra no simple." Ny teny hoe "Sady tsotra no simple" dia fomba fiteny anisan'ny tautologie ampiasain'ny tanora malagasy. Matoa izy mampiasa io teny io dia te-hanamafy bebe kokoa ny tena fahatsoran'ny zavatra lazainy. Tsy fanambaniana na fanamaivanan-javatra io fomba fiteny io fa efa "état d'âme" mihitsy. Ary tsy hoe tsy mihaja... fa tsy be forongony fotsiny. Tsy hoe maloto fa milamindamina kokoa. Ny zavatra tsara koa tsy voatery ho fifangaroan'javatra maro... Azo antsoina hoe tsara ny zavatra iray rehefa mirindra tsara. Ny sakafo, ohatra, dia tsara na dia tsy be fangarony aza... toa izany koa, ny akanjo dia mety ho tsara sy mihaja na dia tsy be forongony aza.

Indrisy fa mbola ao anatin'ny fiaraha-monina mila forongo isika... 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry