« | »

Hampaka-bady

2007-07-23 @ 10:34 in Eritreritra mandalo

Titre mitady mpitsidika fotsiny io :-). Eritreritra mandalo avy namonjy mariazy tamin'ny asabotsy sy mikarakara ity mariazin'ny sasany ato ho ato ity. Fomba fiteny tsy dia azoazoko loatra ilay hoe "Mampaka-bady". Ampiakarina ny vehivavy. Izany hoe ambany ve ny vehivavy rehefa mbola tsy manambady dia ampiakarina hitovy lanja amin'ny lehilahy? Ny lehilahy no mpampakatra... ny lehilahy izany no ambony? Dia mbola resa-be avy teny amin'ny mariazy koa hoe ny lehilahy no tokony handray fitenenana, mikabary sy mamaly kabary... vehivavy daholo ry zareo nidohika momba izany. Raha vehivavy mandray fitenenana hono dia akohovavy maneno. Fa angaha tsy tokony mba efa hitovitovy zo amin'izay ny lehilahy sy ny vehivavy? Zavatra azon'ny vehivavy atao tsara mihitsy izany satria betsaka ireo nianatra sy hendry ary matotra kokoa aza. Atahorako ho lasa opportunistes ny vehivavy. Rehefa misy tombontsoa dia mitaky ny zo, fa rehefa adidy dia atsipy ho an'ny lehilahy.

Hevitra

Ny hajany!

Ny hajany no akarina araka ny fahazoako azy! manambady ny vehivavy vao misy hajany...

Nampidirin'i jentilisa @ 11:10, 2007-07-23 [Valio]

hihihi, zahay anefa tampenan'ny olona ny vavanay fa miteny be loatra hono, na kabary na fanokoana resaka !
Tsy opportunisme fa fanomezam-boninahitra ry hery ny hanomezana fitenenana anareo, fa rehefa tena tsy hiteny ianareo, vitanay anie io e.
Ary izahay ampakarina satria hatrizany ka hatrizao aloha dia ny lehilahy no mikoty no tena lalànan'ny fiainana, fa raha vao mikoty izahay dia mandositra indray ianareo koh, ka dia ekenay aloha ny ampakarina hatrizao fa raha mampakatra eo izahay dia hidongy indray ange ianareo fa efa mihavitsy an'isa ange ianareo izao e "en voie d'extinction", lol

Nampidirin'i ikalamako @ 20:22, 2007-07-23 [Valio]

Mampaka-bady. Mampakatra azy ho eo amin'ny voninahitry ny tokantrano. Izany ve ? Tsy haiko aloha é!

DdRb

Nampidirin'i DadaRabe @ 23:19, 2007-07-25 [Valio]

Hampaka-bady

Fiteny io toy ny hoe "MANANGANA ZAZA" ary ny Malagasy dia afaka MIFANANGANA na MPIVADY AZA !
Eto ny MAMPAKATRA, MANANGANA dia milaza hevitra mafonja roa:
1/ Ny mampakatra dia FANEKENA sy FANAJANA OLONA
2/ Ny akarina dia MITOVY ZO aman-kasina amin'ilay mampakatra
Izany akory TSY MILAZA FA LASA ATAO MITOVY ZO sy HASINA amin'ny zaza ny vehivavy !
Nefa amiko, raha tena lalinina dia SAROBIDY KOKOA ny ZAZA satria IZY NO HO AVIN'NY TANY !
Koa tena tsy misy maharatsy azy ny apakarina = ASANDRATRA satria NY OLONA MISY LANJANY BE EO AMIN'NY OLONA, FIRENENA iray no asandrany.
Aza adino koa ny TANDINDONA ao amin'ny FANAMBADIANA (kirstianina indray ity) Kristy mampakatra ny fiangonana (vehivavy) izay MITOVY AMINY NOHON'ny NAHARESENY NY FAHAFATESANA sy ny asany teo amin'ny Kalvaria (calvaire).
Izany no HIHAINGONA !
Io no antony voalohany dia manaraka ny antony maro samy hafa ...

Nampidirin'i Olga HELISOA @ 00:46, 2007-07-27 [Valio]

Hampaka-bady

HAJAN'NY LEHILAHY ?

Vao "lehilahy" ve dia "misy hajany" e ?
- Ary ny JIOLAHIMBOTO ?
- Ny mpivari-lavo amin'ny toaka ? (tsy ny lehilahy ihany o manao io an)
- Ny mpamono vady ?
- Ny mpamono ankizy ?
- Ny mpametaveta ankizy ?
SNS...

Tsy ny maha-lehilahy no HAJA fa ny FISAINANA sy ny FITONDRAN-TENA !

- Koa tena voninahitra ve ny manambady olona MISAINA sy MANAONAO FOANA e ?

Nampidirin'i Olga HELISOA @ 01:11, 2007-07-27 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry