« | »

Governora mpandika lalàna eto ItaliAfrika

2007-09-21 @ 07:58 in ItaliAfrika

 

<B>Burlando contromano in autostrada<br>"Sono deputato", niente multa</B>
Claudio Burlando
Vaovao nanaitra indray ity nitranga omaly ity. Governoran'i Liguria izay sady minisitry ny fitaterana teo aloha no efa solombavam-bahoaka ihany koa. Atoa. Burlando dia nandeha tamin'ny zotra mifanohitra amin'ny tokony ho izy tamin'ny lalambe Autoroute. Ilay antsoina foana hoe "à contre sens" amin'ny teny frantsay na "contromano" amin'ny teny Italiana. Efa maherin'ny 1 km izy no nanao izany, nifanena tamin'ny fiara vitsivitsy, vao nijanona. Soa ihany fa tsy niteraka loza. Ireo fiara izay nifanena taminy moa dia niantso ny polisy avy hatrany. Nony tonga anefa ny polisy dia nasehony ny karatra maha solombavam-bahoaka azy, karatra efa lany daty, dia navelan'ny polisy nandeha fotsiny izy.

 

Ny eto Italia, amin'ny maha firenena Afrikana azy, dia mbola manaja tsara ireny filoha na mpitondra na solombavam-bahoaka taloha ireny. Firifiry tokoa moa ny mpitondra taloha aty amin'ny tany afrikana no miliba fotsiny na dia be aza ny zavatra tsy nety nataony sy nanenjehana azy nandritra ny fotoana nitondrany. Fitandroana ny "Fihavanana" daholo izany.

Hevitra

hihihi,
nefa raha roumain na polonais no nanao izay tonga dia menottes !

Nampidirin'i ikalamako @ 08:18, 2007-09-21 [Valio]

Haf'Rika (Riaka hafa ihany)

KA atao ahoana fa izany ny fiainana e.
Raha te ho ela velona hoy i Dadanay izay dia aleo mikimpy maso amin'ny mety tsy ataon'ny hafa sy ny tsy mety mety ho vitany...
N'aiza na aiza, ny maha-izy azy ny olona dia miankina amin'ny Tombontsoan'ny tsirairay eo amin'ny fifandraisana...
Tsy complexe (inferiorità na superiorità) loatra ny fijeriko azy fa adivarotra mental : don-tapany handoha herany..
Dia izay no mahatonga ny Roumains sy polonais iharan'ny tsy vita amin'ny sasany, araka ny lazain'Ikalamako

Nampidirin'i Napoli @ 20:56, 2007-09-22 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry