« | »

Andraikiba... mena masoandro (nampiana)

2007-11-23 @ 08:45 in Izaho sy ny ahy

Mamadibadika ny sary nalaina tany Madagasikara aho dia nahita hoe ity sary ity no anisan'ny tsara indrindra (ilay masoandro milentika fa tsy ny olona akory). Tao Andraikiba Antsirabe no nalaina. Tsy dia nampoizina firy fa avy nijerijery zava-maniry fanao fanafody teny antendrombohitra teny izahay dia nony nody dia nandramana nalaina sary ilay mena masoandro... dia tena nety. Misy version video izay misy lakana mandeha ihany koa.

Tsy ratsy ihany ilay Gasikara kah.

Andraikiba 

IMGP8368IMGP8367IMGP8366IMGP8365IMGP8364IMGP8358IMGP8357IMGP8356IMGP8354IMGP8353IMGP8352IMGP8337IMGP8336IMGP8335IMGP8334IMGP8332IMGP8331IMGP8330

Hevitra

ikalamako

"lovanao Madagasikara e, hajao ny anao fa ny an'olo tsy omeny" hoy ny hira.
Tsara i Gasikara kah, fa tsy hoe "tsy ratsy ihany". Tsara mais on ne peut pas tout avoir, dia voatery nilaozana...Ny fitadiavana mahazaka maniraka.

Nampidirin'i ikalamako @ 09:08, 2007-11-23 [Valio]

Mpaka sary professionnel angaha no naka azy izany ? ;-)
Fa tena mivoaka be tokoa ilay sary. Mitady ho ohatra ny hoe ilay sary alaina @ studio dia efa misy rindrina misy fond milay be ao aoriana :-)

Nampidirin'i lap @ 10:28, 2007-11-23 [Valio]

Fakantsary tsotra tsy pro akory :-)
Ny mpaka sary toa tamin'io andro io vao nikitika ilay fankatsary :-) nataoko fotsiny aloha ny reglage mialoha amin'ny resaka lumière sy flash
Fa nalaiko video mihitsy ilay izy ho profo hoe tsy tao amin'ny Sary Tiana tetsy Mahavoky lol

Nampidirin'i Hery @ 11:01, 2007-11-23 [Valio]

Milay be !

Za otran'ny mbola tsy tany amin'izany Andraikiba ... fa otran'ny mahatazana plage zany za ery aoriana ery ?!

Nampidirin'i pissoa @ 11:56, 2007-11-23 [Valio]

Plage?

pissoa: Toa tsy plage io fa hazavana.

Ity koa misy anakiray.

Namaly teto aho ry Hery androany maraina fa toa tsy tafiditra ?

DdRb

Nampidirin'i DadaRabe @ 14:30, 2007-11-23 [Valio]

Ilay Andraikiba
Andro harivariva
Izy roa mitsiky
Masoandro mena fify

DdRb

NIsy lavabe nataoko fa tsy nno-copier-ko dia asa raha any amin'ny spm any!

DdRb

Nampidirin'i DadaRabe @ 14:32, 2007-11-23 [Valio]

"(ilay masoandro milentika fa tsy ny olona akory). "

Angaha tsy misy version photo tsisy an'ilay olona? Kambony izany fa vazivazy.

Nampidirin'i DotMG @ 06:15, 2007-11-24 [Valio]

Toy itony ilay mahalasa vinany ka na tsy mpanoratra aza miainga fanahy ! ankoatra ny fara-vodilanitra menafify moa dia mavesatra ny tsiaro an'ireto olon-droa miavaka amin'ilay sary... ehhhh ... miverina ho azy ato an-tsaiko ilay andro iray ? nahafinaritra !

Nampidirin'i Tsikisariaka @ 17:00, 2007-11-24 [Valio]

Milay ny sary Hery a! Ary izahay tsy afaka manalehibe azy sa tena mihidy lakile tokoa?

Nampidirin'i radotiana @ 01:57, 2007-11-25 [Valio]

Mahafinaritra ô

Mahafinaritra re a! Tonga soa aty Eropa ndray zany ô. ( ao afrika kay moa hihihi ).

Nampidirin'i Tokinao @ 11:05, 2007-11-25 [Valio]

Milay be ilay hazavana !

Mba saika nijery ny version ngoza an'ilay sary (tsisy olona :-P) hay private ilay izy, hi hi.

Nampidirin'i pissoa @ 16:29, 2007-11-25 [Valio]

ny zay kay hidiny fa ny antsika rehetra azo halebiazina daholo, le chef est toujours le chef, tssssss :-P

Nampidirin'i ikalamako @ 21:13, 2007-11-25 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry