« | »

Anniversaire adino

2007-12-10 @ 10:13 in Izaho sy ny ahy

Nisy namako anakiray, tena namana tokoa, izay nankalaza ny tsingerintaonany tato ho ato. Hatramin'ny nifankahalalanay sy nahafantarako ny daty nahaterahany dia tena tsy adinoko mihitsy ny miarahaba azy. Na dia hoe antsoratra fotsiny aza rehefa tsy afaka miantso. Izy koa inoako fa tsy nanadino ny ahy mihitsy, sady tsy sarotra tadidiana rahateo.
Fa tena gaga fotsiny aho tamin'ity taona ity fa tena tsy tadidiko ilay daty. Nalahelo izy (na dia mody gisa aza) fa tsy hita izay azo atao. Ny alina vao tadidiko, rehefa avy nampatsiahivina ahy, hoe fetiny io andro io... ary hatramin'izao aho mbola mieritreritra foana hoe inona marina no anton'ny fanadinoana? Angamba ireto zavatra ireto no nifangaro tao.

- Sahirana aho.

- Miha antitra aho.

- Miha lavitra izy.

- Tsy eo ve mpampatsiahy isanandro.

- Vao vetivety ny tamin'ny herintaona dia tsy noheveriko hoe tonga sahady :-)

Inoako fa tsy ho hadino intsony amin'ny herintaona. 

Hevitra

lol
miha antitra i hery :P

za kou tena tratran'io foana, noho ilay halavirana no tena antony matetika. Refa tsy miresaka matetika (na ny ho resahina kou aza moa efa vitsikely e) dia manjary mora manadino, noho ny olana sy fahasahiranana isan'andro...

Misy calendar ny ankamaroan'ny email @ zao, yahoo, gmail... apetaho @ ireny dia mba manome email confirmation izy @ le datin'andro. Tena manampy be dia be io :)

Nampidirin'i simp @ 11:22, 2007-12-10 [Valio]

soa fa tsy cas isolé aho, hay ve ny sefo aza tratran'izany e.
Toa ilay tenin'i simp no marina fa tsy dia fahanterana loatra, hihihi.
Odiana gisa daholo sisa izay hadino ankehitriny. Akory atao !

Nampidirin'i ikalamako @ 14:05, 2007-12-10 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry