« | »

TGV: Checklist

2007-12-13 @ 09:19 in Politika

Araka ny hita dia ho lany Ben'ny tananan'Antananarivo i Andry Rajoelina alias TGV. Nifantoka be tamin'ny tanora ny fampielezan-keviny na dia hoe eo koa aza ny zavatra hafa izay nampanantenainy. Mba hotsarovana ao aoriana dia haseho fohifohy eto ny tetikasany araka ny hita tao amin'ny andrytgv.com Hatao karazana checklist izany ity hahitana hoe ny aiza no hatombony voalohany, inona no vitany ary inona no tsy vitany.

Mahereza ary e. 

 Fanatsarana ny fiainana andavanandro ho an'ny maro an'isa ao anatin'ny
fifanajana fa tsy ao anatin'ny famoretana na fanaparam-pahefana
  FAMPITOMBOANA NY ASA,
  Fampitomboana ny FANDRIAMPAHALEMANA any amin'ireny faritra mena tena mampitaraina
eto an-drenivohitra ireny noho izay tsy fisian'ny fandriampahalemana izay
Fanorenana toerana azo ilalaovana sy ivelaran'ny sain'ny ankizy, Famitomboana
ny toerana hanaovan'ny tanora fanatanjahan-tena sy hianlana voly,
  Fanomezana "COURS" maimaim-poana ho an'ny mpianatra rehetra manala fanadinana,
na CEPE, na BEPC, na BACCALAUREAT izany, Fanafaingana ny fahazoana taratasy
isan-karazany
  Fanatsarana sy fampitomboana ny toerana hivarotana mba tsy hifanenjika
lava amin'ny polisy ny olona mitady fivelomana amin'ny alalan'ny varotra
Fanatsarana ny fahazoana RANO FISOTRO MADIO eny amin'ny tokantrano tsirairay
tena sahirana
  Fanafaingana ny fahazoan-dalana hanorina, na permis de construire ho an'ireo
olona te-hanorina eto Antananarivo
  Fitsinjovana ny RAY AMAN-DRENY LEHIBE
 

Fanatsarana ny fitaterana na ny fiara karetsaka izany, na ny fiara fitateram-bahoaka,
ary fanamboarana toerana hijanonan'ny fiara 

Ankoatr'ireo moa dia nisy ny fampanantenana ombieny ombieny isaky ny toerana (ohatra ny kianjabe eny Antsonjombe, Andohalo sns) izay tsy tafiditra ao anaty lisitra ofisialy ary inoako fa tsy hataony satria tsy mbola tena mahamaika. Sao rehefa kelikely eo dia ataon'ny olona hoe "Antsonjombe angaha azo hohanina?" (Tahaka ilay hoe ny goudron angaha azo hohanina)

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry