« | »

Ny faran'ny taona teto Roma aloha...

2008-01-01 @ 13:39 in Izaho sy ny ahy

Hotehirizina eto ity mba hojerena amin'ny herintaona hoe inona no nataonay teto Italia.

Teny Cesano di Roma teny amin'ny Madagascar Millenium no nanaovana ny fety tamin'ity indray mitoraka ity. Efa atomotra ihany vao raikitra sy nanaovana filazana kanefa tena betsaka ny tonga. EFa mahazatra ny eto Italia koa ilay miandry amin'ny fotoana farany vao manapa-kevitra... dia efa mizatra toa izany koa ny olona hanatrika. Samy niandry mantsy hoe hisy ve sa tsy hisy ny lanonana famaranana ny taona iraisan'ny Malagasy. Rehefa nisy ny fivoriana tetsy sy teroa dia tapaka ihany fa horaiketina ilay fihaonana... ary tsy hisy vidim-pidirana fa samy mitondra sakafo sy zava-pisotro ary kojakoja fihinanana.

(...) banga ny eto satria tara indray izahay (toy ny mahazatra) ka tsy nahita afindrafindrao sns.

Ny hitako fotsiny nony tonga dia toa voasolo tena tao daholo ny Malagasy teto Roma sy ny manodidina. Tao ny avy ao amin'ny Ambassade ny fikambanana isan-karazany (Fraternità, Tetezana, Zanak'i Gasikara, Tsisy fikambanana :-)) ary ny Gasy sasany avy any amin'ny faritra hafa (Ancona, Bologna...). Tonga tao koa ny mompera sy frera vitsivitsy. Nisy "namana" vitsivitsy avy tao amin'ny serasera.org izay tsy nampoizina mihitsy koa tonga tao. Tsy avy eto Italia... fa nasaindry zalahy teto Italia. Humm humm. Ary farany dia nisy vazaha maromaro koa tonga... dia nisy "mersenera" :-) tsy fantatra hoe nentin'iza (avy any Alzeria?)

Nahafa-po ny jiro, efa toerana natokana handihizana rahateo no nampiasaina fa tsy tahaka ny tamin'ny herintaona tao amin'ny palestra tao Boccea. Ny feo tsy dia ratsy. Ny fandrindrana teo amin'ny hira no nisy indrokely toy ny mahazatra. Samy manana ny tiany koa ka tsy hita hifanjanana.

Ny sakafo nahafa-po tanteraka. Betsaka ny teo ambony latabatra (sy ny tao ambany latabatra). Tsy lany mihitsy. Samy nandray anjara nitondra izay zakany avokoa. Ary na ireo tsy afaka nitondra aza (noho ny antony samihafa) dia mbola afa-po ihany.

Maraindraina daholo vao nody. Izahay tamin'ny 5 sy sasany maraina fa mbola maromaro ny olona nilaozanay tao. Hisy sary vitsivitsy ao amin'ny malagasy.it :-)

 

Dia mirary soa amin'ity taona vaovao 2008 ity. 

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry