« | »

Ampiasao ny Fahana RSS

2008-03-15 @ 08:42 in Fampianarana

Amin'izao fotoana izao dia miha-betsaka hatrany ireo takelaka mahaliana, indrindra fa takelaka malagasy sy blaogy. Tsy araka anefa, na koa tsy tadidy, ny mijery azy ireny tsirairay. Ary misy koa tsy voatery jerena isanandro satria tsy miova isanandro. Koa fomba iray hahafahana mijery ny zava-baovao amin'ireny takelaka ireny dia azo ampiasaina ilay atao hoe Fahana RSS.

Inona moa ny Fahana RSS

Ny Fahana RSS (Really Simple Syndication) dia famintinana na lahatsoratra manontolo mampiseho ny zava-baovao eo amin'ny takelaka iray. Ny lahatsoratra farany, ny vaovao farany, na ny sary farany matetika no asehony. Rohy iray no sokafana dia manome ireo famintinana ireo.

Aiza no hahitana ny Fahana RSS

Matetika dia asehon'ny tompon'ny takelaka avy hatrany eo amin'ny pejy fandraisana ny rohy ahafahana maka ny fahana RSS. Matetika dia eny amin'ny sisiny ambany indrindra na amin'ny farany ambany amin'ny takelaka no misy azy rehefa aseho avy hatrany. Matetika koa dia fantatra avy hatrany amin'ny sary kely miloko lokomboasary (orange) tahaka ity  na koa tahaka ity Fahana RSS na koa   

Raha mampiasa Firefox moa dia tonga dia hita avy hatrany ery ambony ery ny rohy misy ny fahana RSS-n'ny takelaka iray.

rss

Fomba famakiana ny fahana RSS

Koa satria isaky ny takelaka dia manana rohy iray farafahakeliny, dia miverina ihany ilay olana hoe adino sy tsy araka raha toa ka voatery hamangy an'ilay rohy misy ny fahana RSS isanandro.

Misy ary amin'izao ny fitaovana izay ahafahana manangona ireny rohy ireny ary mamaky azy manontolo amin'ny fomba tsotra. Ny fitaovana ampiasaiko, amin'ny windows, dia ilay atao hoe Feedreader izay azo alaina maimaim-poana ao amin'ny http://feedreader.com

Io fitaovana io dia afaka ampidirana sy itehirizana rohy RSS maromaro, ka rahefa misy zava-baovao amin'ny takelaka iray, izany hoe miova ny fahana RSS iray, dia asehony avy hatrany. Hitanao hatrany izany ny takelaka miova ka anjaranao avy eo ny mamangy ilay takelaka raha toa ka hamaky lalindalina kokoa.

Fomba fampiasana ny Feedreader

Fampianarana tsotsotra amin'ny fampiasana ny Feedreader.

Alaivo ao amin'ny feedreader.com ilay fitaovana (na Alaivo eto avy hatrany 5,15MB) dia ampidiro (install) ao amin'ny ordinatera.

Toa izao ny zavatra hitanao voalohany rehefa misokatra ilay izy. Tsindrio ny sary raha hijery lehibebe kokoa.

  feedreader_1

Azonao atao amin'izay ny mampiditra rohy RSS vaovao (Nouveau fil RSS) ohatra :
http://hery.blaogy.com/rss/rss10/4 dia tsindrio ny OK

  feedreader_2

Mitady ny lahatsoratra izy rehefa avy eo dia mamoaka toa izao. Azonao tsindriana amin'izay izay hovakianao. Raha toa moa ka te hamaky lalindalina kokoa ianao dia afaka mamangy ilay takelaka.

Feedreader 3

 

Rohy Fahana RSS vitsivitsy azo jerena

Ireto ny vitsivitsy azonao ampiasaina hanombohana azy. Anjaranao ny mitady ny hafa.

Fitaovana hafa

Ireto misy fitaovana vitsivitsy hahafahana mamaky fahana RSS ho an'ny windows

Ireto indray dia ahafahana mamaky azy amin'ny internet. Izany hoe tsy voatery mametraka zavatra amin'ny ordinatera.

Dia mazotoa ary.

 

Hevitra

ikalamako

ho avy indray izany ny hoe : "inona no misakana anao tsy hampiasa Fahana RSS ? " :-P

Nampidirin'i ikalamako @ 11:08, 2008-03-15 [Valio]

za efa mampiasa ary angamba be loatra ary ko!
fa hitako manampy betsaka ilay izy rehefa te hanao Ala Une oh!

tsara ny fandrosoana ary mivelatra ny aterinaeto

Nampidirin'i news2dago @ 12:25, 2008-03-15 [Valio]

MIsaotra Hery mampianantra anay amin'ity teknolojia itty fa dia hianatra eo.

Mahereza é!

DadaRabe

Nampidirin'i DadaRabe @ 14:12, 2008-03-15 [Valio]

Misaotra Hery fa tena efa ela mihitsy aho no tsy nahazo ny fampiasana an'io RSS io dia nanadrana namaky izay voalaza ihany fa eee.. eto izy voafintina sady misy ohatra ka ndeha ary ampiarina.

Nampidirin'i Ikalakely @ 08:45, 2008-03-16 [Valio]

ok

Misaotra hery a!
Ilay http://netvibes.com no hitako ary tena miady amiko. Nataoko anaty favori firefox-ko. ary nataokoa aho daholo izay mahaliana sy site fijery matetika : forum serasera, blaogy, météo, globalvoice, sns

Nampidirin'i Tokinao @ 11:33, 2008-03-16 [Valio]

est-ce que je peux le mettre dans les tutos du FBC ? Mba fierté national é!
merci!

Nampidirin'i jogany @ 15:46, 2008-03-16 [Valio]

jogany> oui, tu le peux :-)

Tu peux aussi utiliser le lien trackback
http://blaogy.com/trackback.php?id=4391

Nampidirin'i Hery @ 23:09, 2008-03-16 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry