« | »

Le commutateur-6 qui a tout bouleversé

2008-03-20 @ 15:47 in Tsiaro

(Ny lohateny fotsiny no teny frantsay) :-)

Tao amin'ny trano nahatsiarovako tena voalohany indrindra dia ambonimbony ihany ny fanapihana jiro ("interrupteurs"). Natao tsy ho takatry ny ankizy mihitsy. Mitsambikina aho izany rehefa handrehitra jiro. Dia tadidiko tsara fa rehefa handrehitra jiro dia midina ambany hatrany ilay fandrehetana azy. Moramora ho ahy kokoa izany ny mandrehitra jiro noho ny mamono.

InterrupteurMisy toerana iray izay anefa tsy manara-dalàna mihitsy. Ao amin'ny trano fandraisam-bahiny. Indraindray midina no mandrehatra jiro, indraindray miakatra. Misy interrupteurs roa ka ny iray eo amin'ny varavarana fidirana, ny iray kosa ery amin'ny zorony ilany. Sahirana ihany aho satria raha vao tsy mampidina no mandrehitra jiro eo amin'ilay andehanako dia tsy maintsy mamakivaky ny trano maizina vao afaka mandrehatra jiro... mitady izay mampidina. Rehefa sendra irahina manatitra kopy any an-dakozia, ka tsy maintsy handalo ao amin'ny fandraisam-bahiny, dia mijery aloha hoe midina sa miakatra ny ato.

Taty aoriana aho vao nahalala hoe hay koa misy an'izany montage Va-et-vient izany. Mampiasa commutateur-6 anakiroa. Ka samy afaka mamono sy mandrehitra jiro anakiray... dia manimba ilay lojika hoe rehefa hamono jiro dia mampidina.

Mba tsiaro nandalo. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry