« | »

CyberFety Gasy Androany

2008-06-21 @ 05:55 in Vaovao

Androany ny fetin'ny mozika, hetsika maro isankarazany no hita aty Eoropa, ary inoako fa tsy ho latsak'izany koa ny toerana hafa. Fa miara-mitontona amin'izany indrindra ny cyberfety izay andraisan'ny Telomiova.org anjara ihany koa.

Inona ny amin'ny Cyberfety?

 

Ny Cyberfety dia fety ihaonan'ny Malagasy amin'ny alalan'ny karajia (Chat). Izany hoe mihaona, mihirahira, mifety, miresaka, milalao.

Ny lohahevi-dehibe amin'ity fety voalohany ity dia hoe "Aza simbaina ny tenintsika". Koa mandritra ny cyberfety dia hiteny Malagasy no tena tanjona. Malagasy ranoray. Haseho hoe ny Malagasy koa dia afaka sady miteny malagasy no manala azy :-) Tsy voatery hoe amin'ny teny hafa foana vao afaka misangisangy sy milalao. Ary hoporofoina ho mbola afaka sy mbola liana hiteny malagasy ny Malagasy eto amin'ny internet na dia hoe teny hafa aza no tena mibahana ity tontolo ity.

Handray anjara?

Tsotra ny fandraisana anjara. Midira amin'ireo toerana vitsivitsy fidirana avy hatrany ao amin'ny cyberfety.

Ohatra: http://tetikasa.telomiova.org/cyberfety 

Mampidira solonanarana dia lasa izao.

Fanampiana tsotsotra

Rehefa tonga ao ianao dia ireto misy zavatra vitsivitsy azo atao

  • Soraty hoe !vonjy raha te hahita ny baiko azo ampiasaina
  • Soraty hoe !rvg raha te hahita ny fomba fandaharana hira amin'ny Radiovazogasy
  • Soraty hoe !ohabolana (ao amin'i Botlives01) raha te hahita ohabolana malagasy

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry