« | »

Izy no BotLives

2008-09-22 @ 08:26 in Izaho sy ny ahy

Tsy tadidiko hoe naninona no io anarana io no nofidiana tamin'ny eritreritra voalohany hampiditra bot (na robot) tao amin'ny Karajia.org. Toa saika natao hoe BotOliva dia toa io no niafarany. Fa na izany na tsy izany dia mahafaly ny mampahafantatra anao an'i BotLives. BotLives araka ny nolazaina teo dia bot ao amin'ny karajia.org (manana ny takelaka manokana bot.karajia.org). Ny tanjona ho azy io dia ny mba hampiasaina amin'ny chat malagasy rehetra. Ao amin'ny karajia serasera karajia.org no tena misy azy fa efa manomboka miparitaka tsikelikely ihany koa ho an'ny efitra malagasy hafa.

Fa inona avy no zavatra ataony? Mamaly baiko no tena ataony voalohany. Ny baiko valiany dia izay baiko ampidirin'ny mpandritra ny efitra ao aminy ihany. Izany hoe tsy voatery hitovy ny baiko valiany isaky ny efitra misy azy. Mampiseho ohabolana koa izy, ireo ohabolana miseho ao amin'ny ohabolana.org, mampiasa baiko !ohabolana fotsiny dia valiany ohabolana iray. Raha te hahita ohabolana manokana moa dia asiana ilay teny tadiavina aorian'ny !ohabolana (ohatra !ohabolana vary). Afaka mitady sy mandahatra hira ao amin'ny Radiovazogasy.com koa izy (baiko !rvg). Marihina fa niova kely ny baiko mikasika ny Radiovazogasy. Tsy misy intsony ny baiko !rvg_ sns. Ny mpandrindra koa dia afaka mampiasa ny baiko !vaovao hampidirana vaovao ho hitan'ny tsirairay. 

Inona ny mbola hataony? Arakaraka ny fotoana malalaka dia mbola ho avy ny baiko !baiboly izay mampiseho ny teny avy ao amin'ny baiboly, sy ny baiko izay manome dikan-teny amin'ny teny gasy ny teny anakiray. Ny baiko !hafatra izay hametrahana sy hamakiana hafatra... sns.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry