« | »

Ofisialy ny ambasadaoro eto Roma

2008-10-18 @ 00:24 in Vaovao, Izaho sy ny ahy

Tohin'ny resaka omaly aloha :-). Tsss, gaga be izy fa hoe toa nihena hono ny tosaka tamin'ny eMule fa sao dia misy virus na misy zavatra tsy nety tao amin'ny ordinaterany (grrr). Dia tsy maintsy izaho indray no nantsoina nijery hoe inona marina no olana. Inona no holazaiko eo? Afak'omaly hono nandeha tsara fa mahatratra 100kbs ny fakàny film (ary fantany mihitsy kay hoe lasany daholo ny 100kbs)... dia maninona hono androany zara raha misy 30kb/s. Sady lagy aho no niteny moramora hoe nisy tsy nety angamba ny configuration-n'ny router fa hojereko. Tsy nanaiky ny anao lahy raha tsy niverina ny 100kbs. Tsisy fika... matevin-koditra.

Fa izany eo ihany fa "voaasa" tany amin'ny ambasady izahay androany fa izao vao tena ofisialy ny ambasadaoro vaovao . Nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin'ity herinandro ity mantsy Atoa. Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo, Ambasadaoron'i Madagasikara eto Italia. Nahafinaritra ny tany, euh... izay tratra dia nahafinaritra satria tara toy ny mahazatra indray izahay. Mahafinaritra koa ilay Rangahy, miresaka tsara. Somary vitsivitsy no tonga tao satria vitsy ihany no nantsoina. Olona 4 isaky ny vondrona na ny association. Izaho moa manana kasikety vitsivitsy ka dia izay moramora kokoa no nidirana. Dia tamin'ny anaran'ny malagasy.it no nandehanako teny.

Naka sary tao amin'ny ambassade tokoa aho androany, teo akaikin'ilay saina fa tsy nalain'ilay mpaka sary ilay saina tsss... kanefa ny azy nalaiko nisy saina. Apetrako eto ambany ihany na izay aza.

Be resaka be aho? Jereo eto ny antony raha mbola tsy nahita :-)

 

Hevitra

Fa angaha tsy azo ifanarahana ilay resaka eMule hoe amin'ny alina izy omena 100kilao dia mba 10 ihany amin'ny fotoana fiasana e? Tena tsy ampy vavaka koa nareo izany raha fika efa hita dia mbola avela hanohy ny fahotany ihany ny mpanota.

Nampidirin'i DotMG @ 07:44, 2008-10-18 [Valio]

fa olona ambony ao ampesana nga le razoky ry hery matoa tena manao izay tiny mihitsy! lol

ie de nifandom-bera t@ ambasadaoro izany nareo ko! mafinaritra e!

Nampidirin'i news2dago @ 07:58, 2008-10-18 [Valio]

news2dago> ie, izy no lehibeko kah. fa chuuut :-p

Nampidirin'i hery @ 08:03, 2008-10-18 [Valio]

tena makamo marina izany! tsy maintsy averina ny paika ra izany satria sao lazainy tsy mahay eo kle!lol

de mba manaova koa e!

Nampidirin'i news2dago @ 08:49, 2008-10-18 [Valio]

ok

Misaotra milaza vaovao avy any Afrika e hihihi.

Nampidirin'i Tokinao @ 11:24, 2008-10-18 [Valio]

ra tsy mety hi-telecharge @ alina izy dia teneno hoe tsy ampiakarina ny tosaka fa manjary tsy afaka miasa ny ambiny refa mi-telecharge izy... dia avela 100kilao eo ny azy fa mba afaka miaina ny ambiny @ zay...

Nampidirin'i simp @ 22:40, 2008-10-18 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry