« | »

Ny tsikinao omena

2008-12-31 @ 09:26 in Tsiaro, Izaho sy ny ahy

Raha namako ianao
Ka sendra nahalala
na nahita tany ho any
fa fetiko ny androany
Dia aoka kely aloha
Aza maika akory
Handany ron-doha
Hitady fanomezana
Ka handefa tsiaro
Voninkazo iray fehezana
Na taratasy   maro.
Fa tsiky kely iray
Dia efa ampy ahy.

Na fetiko aza androany

Zavatra tsy haiko
Sady koa tsy tiako
Ny hangataka aminao
Harena mora lany
Fa ny hany ilaiko
Sy ampy hifaliako
Dia ny tsikinao
hameno ny androany

Tsiky iray omena
ireo izay mifanena
sy olon-tsendra anao.
Na fantatra na tsia, tia na mankahala
Sakaiza, mpiara-dia, fahavalo na malala
Tsiky ho an'ny olona izay hitanao rehetra
Akama vaovao, olom-patatra etsetra

Ary na irery tsy misy izay mijery
Dia mitrakà mangina
Asio fitsikiana

Izay!

Tsikinao dia ampy
Fa mahasolo hira
Tsikinao dia ampy
Hataoko sovenira

Hevitra

raha hoe hitsiky @ mpandalo dia OK fa raha hifampitsikitsiky samy bandy sahala amin'ny tsy dia ambiazako loatra k'lé.

Milay be ilay tononkalo, nanakaramàna an'i Dox ve?

Nampidirin'i DotMG @ 10:09, 2008-12-31 [Valio]

tsikitsiky lava a!
de samy ho tahin'Andriamanitra!

Nampidirin'i news2dago @ 10:22, 2008-12-31 [Valio]

Mirary soa ô

Dia arabaina 'zany sefo, dia mirary soa e!
Ho an'izay te hamaky ireo tononkalo hafa maro nosoratan'i hery : jereo ato.
Misaotra betsaka e!

Nampidirin'i Tokinao @ 13:24, 2008-12-31 [Valio]

:-)

Nampidirin'i katiaa @ 05:20, 2009-01-01 [Valio]

Miarahaba tratry ny Taona 2009
Mahafinaritra ny tononkalonao.

Nampidirin'i tritriva @ 10:57, 2009-01-01 [Valio]

Tononkalo

Misaotra fa tsara !

Nampidirin'i Tiana @ 09:42, 2009-01-03 [Valio]

Arahabaina Sefo â !
Mahazoa izay ilaina rehetra indrindra fa ny tsiky vokatry ny fo.

Nampidirin'i Toetra RAJA @ 22:26, 2009-01-03 [Valio]

Na dia tara ary aho vao mahita ity dia atorako ihany ny tsiky miampy ilay hira hoe :
"fetinao androany
ho fahatsiarovana
atolotro ny hira
ho any aminao
hisoo tena ahy
mba hanoroka anao"

Nampidirin'i kdaombaramita @ 19:14, 2009-01-05 [Valio]

nanaitra ahy

Tena tsara le tononkalo,nanaitra ahy mafy le izy,tonga de hita oe manana talenta le mpanoratra na de tsy olo-malaza toa an' Rado aza.Za koa mantsy manana aingampanahy kely toizny in11.
Misaotra tompoko.

Nampidirin'i RICHTIANA @ 06:40, 2009-01-06 [Valio]

I Hery ity aloha sao rahalahin'i Gotlieb fa mitovy² endrika aminy e ? Efa ela aho no nahatsikaritra izany fa izao vao manontany.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:24, 2009-01-13 [Valio]

Hery

kidaombaramita> Rahalahin'Andriamanitra fa "Nataony mitovy endrika aminy"

Nampidirin'i Hery @ 10:26, 2009-01-13 [Valio]

Gotlieb # Andriamanitra
Hi hi hi ! miala tsiny raha tohina e !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 13:45, 2009-01-13 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry