« | »

Main'ny afo natsangany i Andry

2009-01-27 @ 04:57 in Politika

Rava ny tanàna. Nandry tsy lavo loha ny olona. Izao daholo ry Andry Rajoelina sy ny tariny vao manomboka manenina sy miantso fandriam-pahalemana. Toa efa tara loatra ihany. Tsy noheverina angaha fa izao no hitranga rehefa vahoaka noana sy mahantra no asaina manao désobéissance civile?

Nirehareha ianao fa afaka mitondra firenena kanefa ny vondron'olona kely taritinao aza tsy voafehinao rehefa tena tsy mandray andraikitra ny miaramila.
Fa nankaiza daholo ireny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo nahavita nisakana ny arabe sy nandamina ny olona ireny? Lasa jiolahy?
Fa nankaiza daholo ireo nantsoina hoe Andrimasom-pokonolona izay nolazaina fa "vahoaka" mpanohana an'i Andry? Nivadika ho mpandroba?

Izao aho vao tsy gaga koa raha nieritreritra hoe nanaiky natao fitaovana ireo olona teny Ambohijatovo. Kay izao no nokoboniny tao.

Main'ny afo natsangany izao i Andry. Dia samy hotsarain'ny tantara eny daholo.

Hevitra

Ry Andry ve no main’ny afo natsangany e ! sa ny mpitondra ¿ ny an-dry Andry anie efa fantany daholo izao zava-hitranga izao e ¡ ary ianao miteny io indrindra no efa milaza fa vahoaka noana sy mahantra, làlana tsy maintsy izorana izao, raha tsy nisy ny mpitarika tsy afa-nitroatra ny olona, misaotra an’i Andry nitarika ary nampipoitra fa efa feno ny kapoakan’ny olona. Milaza aminao aho fa tsy vitsy tamin’ireo olona nasaina nitsena an-Ra8 teny Ivato sy amoron-dàlana no tonga nandroba ihany koa. Ny antony dia samy mahatsapa fa misy betsaka ny tsy ampy eo amin’ny fiainany ka nanimba ny toe-tsainy, tantely vaky ve hoy ianao dia tsy ho avy izy ¿ mipetraha ianao teo amin’ny toerany. Sady tsy afaka hanao omelette tsy mamaky atody e ¡ mazava aminao angamba izany, mbola hitohy foana ny fanararaotana rehetra ataon’ny mpitondra raha mbola tsy nisy ny famaizana toy ireny, izao izay na mbola ho eo na tsia efa mba mahafantatra fa tsy azoa tao ny manararaotra be loatra.

Fehiny : Nilaina ireny zavatra rehetra ireny mba hanovana ny zava-tsy nety rehetra, ary mila miaiky ny mpitondra rehefa manao fahadisoana. Diso ny filazanao fa main’ny afo natsangany izy, ny mpitondra no nanangana afo, tsy misy n’izan’iza ahasakana soulèvement populaire fa ny antony nahatonga izany no tokony jerena. Samy manana ny fahadisoany ny andaniny sy ny ankilany fa ny mpitondra tsy nihaino no tomponandraikitra voalohany

Nampidirin'i Valinkafatra @ 06:36, 2009-01-27 [Valio]

Tsy adala akory ireo olona ireo ! Efa imbetsaka nisy mpanohitra tao amintsika, nitarika olona fa tsy nahazaka. Matoa ny olona amin'izao mandeha ... dia satria izy te handeha amin'izay. Raha nanao ny mety rafanjakana dia ho tahaka ny mpanohitra hafa taloha fotsiny i Andry TGV tamin'ny fitaritana olona nataony : oainina tsisy mpanaraka.

Nampidirin'i pissoa @ 07:11, 2009-01-27 [Valio]

matoa mbola misy milaza, fa ry TGV no may, d tsy manao fanadihadina ny zava-misy, minia mikipy @ fahoriana efa nianjady efa hatry ny ela.

ireny no atao oé, soulevement populaire. ireny ny vokany rehefa tsy mahay mihaino ny mpitondra. na iza mpitarika ny tolona, tsy ahafehy ny vahoka izy. tsy manome tsiny ny vahoka aho. mampalaelo ny toe-javatra, fa d tsy maintsy zay é.

zao izany, d nanaiky ny hiresaka @ RAD ben'ny tanàna ry ra8-iste. natao RAD ihany le TGVendrana. FA NANINN HONO??? may ngà??

KA IZA ZANY NO MAY E???

Nampidirin'i rahavako @ 07:35, 2009-01-27 [Valio]

marina izany ka

tena mbola hitako hoe tsy matotra ranamana ny tena marina,te hanao zaatra saingy tsy ampisainana loatra.izao no vokany.Merci ra Eugene a.
mivavaha mafy mba ho tafarina indray ny firenen e.

Nampidirin'i Mamy @ 07:41, 2009-01-27 [Valio]

Saika nety ny tanjon'i AndryTGV

Ny tena tetika dia tairina ny vahoaka dia mikomy. Dia tsy maintsy hiaro tena Ravalo dia hitifitra... tahaka ny tamin'ny andron-dRatsiraka. Amin'izay fotoana izay dia victime ilay "vahoaka" notarihan'i AndryTGV.

Nivadika anefa ny tantara satria tsy namaly Ravalo ary tsy nitifitra ny miaramila. Dia lasa mpanafika izany ilay "vahoaka" fa tsy victime intsony.

Dia tsy voafehin'i Andry intsony ilay izy satria tsy araka ny nanampoizany azy.

Nampidirin'i Hery @ 08:27, 2009-01-27 [Valio]

Tantara vao manomboka ka aloha loatra ilay hanondro hoe iza no diso, fa amiko manokana dia samy diso avokoa na ny fitondrana izay afaka nanaiky hifampidinika ambony latabatra hatramin'ny voalohany fa tsy hiandry izao vao ho may.
Zavatra efa nampoizina ihany koa no toy izao satria izay rehetra tonga teo amin'ny fitondrana dia avy amin'ny tolombahoaka foana. Na dia hita aza fa tsy dia tena izay loatra no tanjona tamin'ny voalohany fa dia lasa tonga tany tsy fidiny satria lasa nahazo aina ireo olona efa leo ka zarany aza misy olona iray mahatarika na dia tsy noheverina hoe handrodana fanjakana aza fa mba afaka milaza ny heviny no tanjona.

Dia mbola vao eo amin'ny dingana voalohany isika fa dia ho hita eo ny tohiny, ny bilan mantsy mbola ho ela vao ho azo fa ny hita aloha zao nisy vokany lay izy: manaiky ny hifampiresaka ireo na dia samy mametraka fepetra be aza.

Fa isika tokony mba handray anjara koa amin'ny fampahafantarana ny zava mitranga any Madagasikara amin'ny erantany amin'izay fomba mety amin'ny tsirairay fa tsy ilaozantsika mifanome tsiny eto.

Ny ahy zao ny zaza no mahalasa ny saiko ...
ny marary ...
sns sns

Mahereza daholo fa ny tantara dia mbola ho lava

Nampidirin'i Angie @ 09:16, 2009-01-27 [Valio]

Raha izy irery moa no main'ny afo natsangany, ry Hery, maninona? fa ireto vahoaka aman'alina sy ireto aina nafoy noho ny hambom-po diso toerana?
Toy ny hoe zaza tokana diso hanta ka mandatsaka aina ny reny niteraka rehefa tsy mahazo ny anjara gateau!

Nampidirin'i Mbola ho ela, mbola ho ela @ 12:55, 2009-01-27 [Valio]

Mitovy hevitra tanteraka @ Pissoa!

Nampidirin'i Mirana @ 05:49, 2009-01-28 [Valio]

Mbola hoe a ! fa mieritreritra ve ianao fa sambatra ny vahoaka raha mbola nitohy izao fanangoana sy fanamparam-pahefana izao ? Sady diso hevitra ianao fa izao ny vahoaka kely mba mahazo izay anjarany "hoy ny lazainy eny an-dàlana eny", mba mizara kely aloha ny manana (na dia forcé aza), mazava aminareo ve izany ? Tsy ny gasy moyen ihany no atao hoe vahoaka fa ireo izay tsy mba afaka hiresaka ambony latabatra sy internet ohatrantsika. Mandehana midina eny an'arabe dia henoy ny feony fa tsy ny fahatahorana ny tsy ihinanao dobera rampitso no lazainao fa mampalahelo. Raharaha notadiavin'ny eo amin'ny fitondrana izao, nitarika fotsiny no nataon'i Andry.

Nampidirin'i Valinkafatra @ 06:18, 2009-01-28 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry