« | »

Antso ho an'izay mitondra: Gadrao Andry Rajoelina

2009-01-28 @ 08:11 in Politika

Efa niaiky i Andry Rajoelina fa olony no nandeha teny amin'ny MBS. Nolazainy ho fatam-poko ho fanta-pirenena, hatr@ mpanao gazety vahiny fa mpitolona tao aminy ilay maty voatifitra teny @ MBS. Nanome baiko izy hanakatonan'ny vahoaka ny MBS ka ny olona nirahina no nandeha koa hanakatona ny RNM. Satria an'ny fanjakana ny RNM ka noho izany dia an-dRavalomanana koa. Dia nodorana toy ny tany amin'ny MBS koa ny RNM izay fananam-panjakana. 

Noho izany dia Andry Rajoelina, izay niantso désobéissance civile, no tomponandraikitra voalohany tamin'ny zavaniseho teto Antananarivo hatramin'ny alatsinainy. Miantso ny vahoaka hikomy izy kanefa mbola tsy eo am-pelatanany akory ny fahefana. Mbola tsy nanana drafitra akory izy hiarovana ny vahoaka sy ny fananam-panjakana raha sendra misy ny mihoa-pefy. Koa tompon'andraikitra voalohany amin'izany fikomiana nitranga izany Andry Rajoelina ka tokony hotsaraina sy hogadraina.

Matoa ry Zafy sy ny mpanohitra tsy nahasahy nanetsika vahoaka dia fantatr'izy ireo fa rehefa vahoaka noana sy mahantra no hetsehina dia tsy ho voafehy. Ary satria tsy mbola nahazo ny fon'ny mpitandro ny filaminana ry Zafy dia naleony tsy nihetsika. I Andry Rajoelina kosa nahita fa misy vahoaka manaraka azy dia nanome baiko tsy ampieritreretana. Nanaraka azy tokoa ny vahoaka noana ka tsy voafehiny intsony.


Raha niantso désobéissance Ravalomanana tamin'ny 2002 vokatry ny tsy nanekena ny fanaovana fampitahana ny PV tamin'ny fifidianana dia satria fantany fa voafehiny tsara ny vahoaka raha sendra mikomy. Tsy nihetsika tanteraka izy raha tsy efa azony antoka fa hisy avy amin'ny tafika hiaro ny vahoaka.

Na dia nataon'ny mpanohitra fitaovana aza i Andry Rajoelina dia tompon'andraikitra voalohany satria avy aminy ny baiko hisian'ny fikomiana. Koa ny vahoaka izay very fanantenana amin'izao fotoana izao, ny vahoaka izay nantsoina hikorontana nefa tsy narovana, ny vahoaka izay leo fitondrana nefa tsy misy mpiaro dia miantso an'izay mbola manana fahefana na iza na iza mba hisambotra izay mpanakorontana. Miantso hanagadra an'i Andry Rajoelina izay atidoha nikotrika izao korontana izao. Ary miantso ny hisian'ny fifampidinihana ho an'ireo izay vonona hanarina an'Antananarivo sy Madagsikara.

 

Hevitra

:-)
amin'izao kosa mba tsy akatona toy ny madagate ny serasera, fa ato daholo ny opposition sy ny partisan - loll

Nampidirin'i ikalamako @ 08:30, 2009-01-28 [Valio]

Marina izany! Izy mitaky rariny io tokony hahatsapa voalohany fa Ny rariny itompoana mody heloka.

Fa mba anafarako ny malagasy rehetra, ny resaka Ratsiraka, tokony adaboka tanteraka mihitsy ry zareo a! Isika ve tsy mba manana olona genre "Obama" fa dia dadilahy efa hi-** pataloha no haverina eo?
Ka na hoe Roland Ratsiraka, tsy mifandanja amin'ny les Castro akory ireo ...
Tsy haiko aloha fa mba miteny ihany aho e!

Nampidirin'i Mba misaina ihany hoa @ 08:33, 2009-01-28 [Valio]

Tsy i Andry TGV irery no tompon'andraikitra amin'izao trangan-javatra izao.

Tsy i Andry TGV no tompon'andraikitra voalohany amin'izao trangan-javatra izao.

Tsy i Andry TGV no manana tanana madio (mains propres) amin'izao raharaha izao.

Fa raha misy manana tanana madio amin'izay heverina fa raiamandreny, aoka izy hanatsangana izany...

Ary nahoana no izay miaiky heloka no hogadraina voalohany (raha niaiky heloka ny lehilahy)? Fifamelan-keloka izao no ilaina, ary izay miaiky heloka voalohany, eo imason'ny vahoaka sy Andriamanitra no hahazo izany famelan-keloka izany voalohany.

Nampidirin'i DotMG @ 09:17, 2009-01-28 [Valio]

news2dago

Marina ity analyse ity

Nampidirin'i news2dago @ 09:33, 2009-01-28 [Valio]

tsy vahaolana

Dia gadrao koa ireo olona analiny maro nanaraka azy !

Nampidirin'i jeritodika @ 09:34, 2009-01-28 [Valio]

kdaombaramita

O ry Dogm a, izay miaiaky heloka anie tsy midika fa mitady famelan-keloka e ! Io mbola manao be loha io ilay jiolahimboto io koa inona no famelan-keloka andrasanao ? Maty ny olona noho ny baikony, may ny olona noho ny afo natsangany, ary indd mahay mampiady olona mpiray tanindrazana ! Izany no tena FANETRIBEn'ny firenena raha tsy hainao ! Raha hendry dia lasa mitady consens amin'ny fitondrana fa tsy manao lohamboto toy izao ! Ataon'ny sasany saribakoly fontsiny dia roboka tokoa, mbola zaza tsy mahafat..... hoy ny fitenenana !

Nampidirin'i kdaombaramita @ 13:17, 2009-01-28 [Valio]

Hevitra

Fa iza moa no manao aminareo fa idadilahy no averinaeo e ! nareo no tonga dia manao hypothèse lava eo , iny haninona eo intsony e ! tena matahotra azy mafy angaha nareo ? tsy mankeo intsony iny, tsy iny irery akory no olo eto an-tany, sao mihevtira ianareo fa matoa manao izao ny vahoaka dia mieritreritra an'iny. Mahavariana ahy mihtsy fa raha vao misy resaka opposition sy fitadiavana ny rariny dia tonga dia i dadilahy foana no tonga dia averinareo tim amin'ny olona, diso hevitra nareo, ary izahay tsy mila mpijapy train toa an'ireo namany ireo. firy millions izao ny gasy dia tsy hisy ve ? mba tsy ampy fiheverana kosa nareo an ! Angaha rehefa tsy hitanareo miseho mialoha eo dia hoe tsisy ? firifiry ny zanaka malagasy nahita fianarana, ny tsy dia nahita aza tafakatra eo (avy eo honoris causa).

Nampidirin'i Valinkafatra @ 14:55, 2009-01-28 [Valio]

malahelo

mampalahelo i madagasikara..

12H04 : Andry TGV annonce qu'il dévoilera son gouvernement de transition Samedi et que Rossy sera présent pour l'occasion.
12H00 : Andry Rajoelina annonce qu'il ira à Diégo avec un avion spécial demain
11H50 : Arrivée de Andry Rajoelina Place du 13 mai. Foule présente constante mais visiblement moindre que la semaine dernière

Nampidirin'i majakely @ 13:27, 2009-02-03 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry