« | »

13 mai hafa indray, hono.

2009-03-14 @ 17:43 in Politika

Raha ohatra hono ka mametra-pialàna i Ravalomanana, izay mazava ho azy fa demission forcée ambava-basy tahaka ny nanaovana ny minisitry ny Fiarovana teny Ampahibe. Dia hiakatra eo amin'ny fitondrana ny ekipan'i TGV, hifandrombaka hiakatra satria samy nitolona dia samy mba te hahazo kely. Te haka ny anjarany daholo ry Zafy, Rolland Ratsiraka, Ratsiraka koa mazava ho azy, Pierrot Rajaonarivelo. Dia efa hikorontana aloha ry zalahy ireo. Rolland Ratsiraka aza moa ilay vao nisy fanendrena minisitra dia efa nampiaka-peo hoe tsy mba ao ny ekipany. Dia tsy maintsy hozarazaraina izany ny mofomamy ary izay tsy mahazo dia hampiaka-peo.

Dia ankoatra an'izay koa, tsy hanaiky ireo mpanohana an-dRavalo satria noterena niala ny filoha napetrany tamin'ny fifidianana. Dia hiverina eny amin'ny 13 mai indray ry zareo... Izy ireo rahateo no tena tompon'ny 13 mai. Ny 13 mai dia an'izay nanongana an-dRatsiraka fa nangalatahaka fotsiny ny akoatra an'izay :-) dia hitohy indray ny grevy lava reny. Ary hahazo olona ry zareo satria eo ireo izay efa mpanohana TIM hatramin'izay. Eo koa ireo izay tsy nahazo toerana amin'ny TGV. Eo koa ireo izay nahatsapa hoe nataon'ny TGV fitaovana fotsiny, amin'izay fotoana izay vao ho tonga saina. Eo koa ireo izay very asa sy fivelomana nandritra iny korontana iny.

Dia satria ny TGV mpanao loham-boto, raha ireny fanaony ireny, dia tsy hisalasala handefa jiolahimboto handrava sy hanafika 13 mai, tahaka ilay iraikalahy taloha nandefa Antandroy miaraka amin'ny pilotra. Dia mety handefa miaramila mihitsy hitifitra satria tsy nanana basy aza nahasahy nanafika vao mainka fa manana?

Vokany? rava ao anatin'ny 2 taona indray ilay fitondrana dia hisy fifidianana indray amin'ny 2012 dia ho lany indray Ravalomanana...

Dia maninona no tsy miandry amin'ny 2012 dia mety tsy lany intsony Ravalo toa izay ho tonga amin'ny 2012 ihany kanefa lany Ravalo?

Mbola tsy eo mihitsy hoy aho ny politika malagasy.

Hevitra

13 mai hafa indray, hono

ohatran'ny nofinofy ilay lazainao kanefa azo eritreretina koa. Ny tanjony anie ka ny hamono an'i Ra8 mba tsy ahafahany milatsaka intsony na ho terena mi-demissione dia tsy afaka milatsaka intsony, raha mbola empeché toa mahazo milatsaka, raha tsy diso aho.

Nampidirin'i Solo @ 19:28, 2009-03-14 [Valio]

Fa ahoana aloha ry Hery ity moov tsy azo ifaneraserana ity a? Rehefa ry zareo no manakatona tsy manao jadona izany sa ahoana, nefa n ydivo tsy mbola mipetraka @ seza vao iadiana akory?

Dia ahoana koa ity miaramila mitaky ny hialan-dRavalo isisihan'i TGdokotra moramora ity e?

Nampidirin'i Iray petsapetsa ve? @ 22:23, 2009-03-14 [Valio]

ok

Mitombina mihitsy ny vinavinan'i penina.

Hilamina i Madagasikara, fa ao anaty horohoro. Satria hamaly faty daholo ireo izay tsy maty voalavo an-kibo.

Izao aza moa dia efa enjehina daholo ireo TIM 'ko. Raha mba enjehina amin'ny fomba mendrika (amin'ny tribonaly) moa haninona fa ilay fandoroana, fandrobàna no tena gravy! Aza misy anie ny famonoan'olona.

Nampidirin'i Tokinao @ 00:04, 2009-03-15 [Valio]

13 mai hafa indray hono

Ny fisian'ny adim-poko no iseo.
Ny antony, dia resaka tsalo samy manana andraikitra politika no sary hitan'ny vahoaka any amorontsiraka:Ny iray filoham-pirenena misy mpankasitraka na tsia.Ny iray be ny tanana tsy nikarakara ny tanana fa nanao fanoganam-panjakana.
Midika izany fa tsy azo antoka ny tsalo hitondra fanjakana.Ary ny tsalo samy tsalo aza tsy mahay mifanaraka.Mazava ho azy fa discrédités ny tsalo:fetsifetsy,miseo azy ambony noho ny sasany, ets...
Ary izao fizaran'ny foko tsalo ho roa izao, no manamora ny fanakanana ny tsalo tsy hanana handraikitra ho filoha @'ny manarka:tsy azo antoka.
Ary jereo tsara anie, fa na dia azon'i Andry TGV aza ny fitondrana, dia ho "éphémère" satria ho ahilik'ireo mambra ny goverinemanta HAT atsy ho atsy izy rehefa vita ny nilana azy, satria maimbo izy eo anatrehan'ny "bailleurs de fonds sy ny opinions internationales".
Hitondra faisana ny ekonomia, eny na dia mahazo fanampiana avy aty @'ny reny malala aza.
Mitombona no izany ny fahitan'ny vahoaka ny amorontsiraka fa tsy mahaomby ny fitondran"ny tsalo ny firenena malagasy.
Araka izany, dia i Pierrot Rajaonarivelo na i Jacques Sylla no ho filoha manaraka.
Ny olana anefa mety anao valy faty ny tsalo, satria ny humilation nanaovan'ny lehiben'ny CAPSAT ilay Colonel Ndrianjaona, nanindry ilay tsalo vice-amiral iny, dia ni-marquer ny vahoaka tsalo silencieux.
Midika izany fa miforo-drambo
ny tsalo tsy afa mihetsika.
Tsy antananarivo intsony ny vohitra fa antanana-dimy-an-jato isan'isany.
Ary io paika izarana ny tsalo ho roa io dia faiblesse azo ho araraotina:zarazaraina ho anjakana @'izay kosa mba mahazo vahana @'izay ny reny malala.
Raha samy tonga saina anefa ny tsalo samy tsy miombon-kevitra ankehintriny.izany hoe afaka fotoana vitsy ihany, ao aorian'ny fitondran'ny governemanta HAT, dia mety hisy angaredina adim-poko.Hiriana anefa, fa ny fahendrena no hanjaka koa ho iray ihany isika malagasy.
Mbola tena lavitra ezaka ny politika malagasy.

Nampidirin'i diloo @ 00:38, 2009-03-15 [Valio]

TANDROY miaraka @ pilotra?

Aza manonona anara-na foko rangahy, satria samy manana ny niveau d'intelligence-ny ny tsi-1-1, ka lasa hanafangaro hoe: ny tandroy mpamono olona

ohtra:
a) Ben Laden no manao ny ataony, ny musulman rehetra no lazain'ny sasany hoe terrorriste
b)Bush sy ny GI no miady, ny amerikanina rehetra no lazaina fa tia ady
c)hitler no namono, Ny allmand rehetra no lazaina fa genocidaire

Ka aoka fa manaratsy ny atandroy ianao, satria samy hanana ny fandraisan'ny azy ny olona arakan'ny niveau d'Intelligence ny tsi-1-1

Nampidirin'i tsy nianatra @ 05:47, 2009-03-15 [Valio]

@ tsy nianatra : OK tena 5/5.
Ireo fomba fiteny sy adjectif apetraka @ toerana toa ny net toa izao hoy aho tokony mba lanjalanjaina ihany fa ny ataon'ny hazo avo aza efa tsy fidiny dia isika nalain-kanirina indray ve no hampivandravandra ? Tokony ezahina ny tsy hanononana foko, fihaviana, firazanana, kilasy sosialy... Nefa dia misy ireo fiteny mavesatra be hita eto toy ny bà kartie, ny foza orana, ny antandroy mitondra pilotra, ny devoly kanefa dia mino aho fa ireo heverina fa hoe devoly tsy anjely mihitsy koa...
Ny hevitra no ampiadiana, ny firehana no arovana fa aza olona no kilasiana amin'ny safobemantsina.

Nampidirin'i ikalamako @ 08:55, 2009-03-15 [Valio]

PS : misy diso azafady :
"...dia mino aho fa ireo heverina fa HO TSY devoly dia tsy anjely mihitsy koa..."

Nampidirin'i ikalamako @ 08:57, 2009-03-15 [Valio]

13 hafa indray, hono

Resaka mikasika ny tsalo ilay poste fa tsy resaka Tandroy.
Izaho tsalo, izany hoe merina tsy tia adim-poko.
Ny zavatra tsapako, dia ireo tsalo mpitondra roalahy ireo tsy mahay mifanaraka, ary nahatonga ny samy merina hifandratra sy hifampisorona.
Araka izany, ny foko merina na tsalo mba tsy holazaina hoe merina, io foko mizara roa io, no hifamely.
Samy nanana andraikitra i Ra8 sy Andry TGV. Samy tsalo izy roalahy.Izany hoe ny tsalo hitondra tsy azo antoka noho ny zavatra mitranga ankehintriny.
Ny intelligence-ny Colonel indray dia ny tsy fifanajana ilay ray-aman-dreny Vice-Amiraly noterena hanao démission ankeriny ary manoloana ny médias. Io hendrika io dia tsy adinon'ny
tsalo satria, humiliation ho an'ny tsalo mangina io.
Hisy filaminana éphémère atsy ho atsy. Ary iny naka andraikitra nanao iny humiliation iny, dia ao aoriana ao, dia hifanatritava @'ny tsy nanadino ny nataony.
Manana ny zoan'ny samy tsalo hifampitsikera manoloana ny zava-miseo.Ny hezaka dia mifandamina ny samy tsalo.Araka izany dia tsy misy resaka Tandroy eto

Nampidirin'i diloo @ 09:24, 2009-03-15 [Valio]

Dia inona no malaza any an-tanàna aloha izao fa ny moov mikombona moa ny sobika tsy mis à jour tsony

Nampidirin'i kila @ 10:19, 2009-03-15 [Valio]

Tsy hilamina izany io raha terna hila ny Filoha ka hoe i Andry no atao eo. Ahoana fotsiny izao moa no izy no hitondra ny tetezamita, raha toa ka tena ilaina marina ny tetezamita, iza no nanome azy izany fahefana izany ary ahoana fotsiny izao ny olona no hanaiky izany...dia hoe Haute Autorité de al Transition (iza koa no namorona izany teny izany, aiza ao amin'ny lalàna malagasy no misy an'izany dia iza no tokony hanendry azy sa ireo mila seza rehetra afaka mamoroporona fahefana eo ampitoerana eo?)... Manonofy atoandro izay mino fa hilamina io raha miala ny Filoha.
Ny politika gasy dia fitiavantena no tena base ka raha tsy miova izay dia toy izao foana no hisy eo, zay mitondra manao constitution miaro azy dia mandresy foana ny *eny* satria atao mandresy fotsiny izao. Ny Arema anio, Tim rahampitso ary TGV afakampitso, dia minisitry ny fitondrana iray, praiminisitra manaraka, filohan'ny assemblée manaraka ary mangataka ny fialan'ny Filoha rehefa misy midongy aty aoriana... Vraiment....il faut être à Madagascar pour voir des choses comme ça....Mampalahelo dia olona nianatra daholo ireo ary conscient fotsiny izao fa tsy mety ny ataony saingy mauvaise foi sy fitiavantena no herinaratra mitondra azy ireo ka milamina ihany izy... Misy foana anefa ny farany... ho hita eo ny tohiny

Nampidirin'i tsymanaiky @ 11:20, 2009-03-15 [Valio]

DJ lasa marionnette ve no hitondra anareo? Mieritrereta! Izy voavidy vola ka ianareo no ataony fitaovana! na ho latsaka aza ny ainareo, inona no irarahiany izany?

Nampidirin'i A toi @ 11:37, 2009-03-15 [Valio]

Ka DMT daholo ry zalahy ireo ry hery! Miandry ny Fitsapakevim-bahoaka isika raha ilaina izany hoy ra8! de ho hita eo izay tena sahy! izay ilay izy tena demokratika kokoa! hita eo izy na tian'ny olona na tsia? manahy aho oe ahazo 75% any indray ny ENY @ io fotoana io

Nampidirin'i news2dago @ 12:37, 2009-03-15 [Valio]

tsy nianatra sy ikalamako>

Hoy aho "...tahaka ilay iraikalahy taloha nandefa Antandroy miaraka amin'ny pilotra."

Inona no hadisoana amin'io? Teny Iavoloha Ratsiraka dia nandefa Antandroy niaraka tamin'ny pilotra aloha handrava ny mpitolona, izay vao nandefa RESEP.

Tantara nisy izany... dia izay no lazaiko. Misy sary sy feo rahateo :-)

Nampidirin'i Hery @ 18:54, 2009-03-15 [Valio]

Fa mba manontany tena ihany hoa ny tana na izany aza hoe fa inona loatra no niseho tao noa dia ny praiminisitra taloha sy filohan'ny assemblée indray izay mpanohana azy tao amin'ny fidadiavana vahaolana no lasa midina 13 Mai milaza fa tokony hiala ny Filoha, misy zavatra mila jerena akaiky ao, na ilay ranamana no efa tehamadika palitao sahady indray sao very anjara mofomamy na ilay prezida mihintsy no efa hitany fa olona tsy azo iadiankevitra mihintsy, ho fantatra ny marina indray andro

Nampidirin'i tsymanaiky @ 18:55, 2009-03-15 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry