« | »

Nahoana no mangina?

2009-03-20 @ 10:03 in Politika

Taorian'ireny hotakotaka ireny dia toa be dia be ny mangina, indrindra ny TIM. Ny solombavam-bahoakan'ny TIM, ny loholon'ny TIM, ny birao-n'ny TIM, ny radio sy télé TIM moa efa nampanginin'ny be sandry. Dia gaga ny tena hoe matahotra ve sa nialokaloka fotsiny fa tsy nanohana an-dRavalo? Ny olona tsotra aloha azo ihafiana ihany raha mangina satria toa tsy afaka mijoro ho mpanohitra intsony raha tsy te hodarohan'ny CAPSAT sy ampisotroiny maloto. Fa ireo mpanohana mavitrika koa ve dia hataotra an'izany? Fa lasa tany tsy misy lalàna intsony izany ao Madagasikara? Sa dia tena fanjakan'ny jiolahimboto tokoa? Sa dia manaiky Andry TGV 100% daholo amin'izay? Mahalasa fisainana.

Ny ahiako aza dia ho hita eny Mahamasina rahampitso hihoby sy hanao bal populaire.

Hevitra

news2dago

Misy fotoana ahaginana ary misy fotoana hitenena! lol

za alou tsy TIM fa io angamba no ataony ndry zala izao. Mino aho fa miketrika zavatra goavana be ireo ao ambadika ao fa calme fotsiny enao ra hery a

Nampidirin'i news2dago @ 10:34, 2009-03-20 [Valio]

Ny mangina volamena hono e!lol

Nampidirin'i ni81 @ 10:46, 2009-03-20 [Valio]

jereo 'ty

http://www.ouest-france.fr/actu/actuDet_-Rajoelina-une-carte-francaise-a-Madagascar-_3637-865964_actu.Htm

Nampidirin'i franceusa @ 10:50, 2009-03-20 [Valio]

satria ny ainy no andrahonana azy, lahitokana ny aina, Ravalomanana aza tsy hay na maty na velona

Nampidirin'i la @ 11:13, 2009-03-20 [Valio]

Ka ianao mahatsapa fa tsy henoheno ny TIM no tokony mihetsika. Izy ty mantsy tsy vitan'ny fanehoan kevitra ambody ordinatera fotsiny...

Nampidirin'i ordinatera @ 11:50, 2009-03-20 [Valio]

Ka sarotra kokoa ny mamadika palitao raha be vava loatra. Aleo mody mangingina, dia mijapy izay matanjaka indray avy eo.

Mbola tsy fantatra ny TENA matanjaka haharitra dia mbola miandriandry/mijerijery e! Arema dia lasa TIM dia asa ny ho tohiny ???

Nampidirin'i Samy @ 12:13, 2009-03-20 [Valio]

Tsia ry Hery a, tsy resy tsy akory na mangina fa mandinika mba tsy ho fihetsika jiolahimboto toy ny voalazanao no atao.
Efa misy cellule maromaro mivory sy miketrika any fa tsy rariny loatra izao mianjady amin'ny firenena izao.

Nampidirin'i belakely @ 12:47, 2009-03-20 [Valio]

Tsy aleo kosa ve mangina toy izay hanoka-bava nefa hampisotroan'ny sasany fivalanan-drano avy eo ? (tpt)

Nampidirin'i LeRastah @ 12:53, 2009-03-20 [Valio]

ela irery lesy no be resaka ohatran'ny mamondrongonin-dravalo eo, ohatran'ny tsy hita ny zavatra nataony, na hampinaniny fivalanana aza mbola hitompoko tompoko azy ihany

Nampidirin'i ravalomanody @ 19:23, 2009-03-20 [Valio]

miandry ny rariny

asa raha efa hitanao taorian'ny nanoratanao io fa ny soratr'i Jentilisa (jentilisa.blaogy.com) no hitako mamehy ny ankamaroan'ny hevitry ny olona ny amin'izao, na mety hisy mahasamihafa azy ireo ihany aza eny antenantenany eny : "Marina fa amin'izao fotoana izao dia maro ireo mpanohana ny filoha Ravalomanana no te-hitroatra, tsy hanaikinaiky foana izao toe-javatra izao. Raha amin'ny foko tokoa dia te-hanao menalamba aho na "résistance" amin'ny teny frantsay saingy moa ve tombotsoantsika ny hampitarazoka ity toe-draharaha efa mampandositra diplaomaty maromaro ity (ny androany aloha no hitako ka andehanana daholo na ho any Johannesbourg na ho any Mauritius). Ho an'ny tanindrazana dia miantso fitoniana araka ny efa nambaran'ny filoha ihany koa aho. Fahendrena ho antsika ny mangina aloha fa hiteny hatrany izay tsy mety kosa isika mba tsy higorisa any amin'ny tsy izy ny zavatra ataon'ny ankehitriny mandritra ny fotoana itondrany. Fahadisoana lehibe nataontsika ilay fomba fiteny hoe "avelao aloha izy hanao ny asany fa mbola eo ampanaganana izy" ka nahatonga ny fivilian-dalana ataon'ny mpitondra matetika. Tsara ny miteny, tsy voatery ho an-dalambe izany fa na dia ny tahaka izao ataontsika izao sy izao sehatry ny aterineto izao fotsiny aza. Mody ataontsika tsy tadidy aloha ireny zavatra maro manafintohina nandritra ny tolona nataony ireny sady efa nanao izany rahateo isika. Mitaky ny hamotsorana ny filohan'ny FJKM tsy misy hatak'andro aho; aoka re tsy hatao takalon'aina io lehilehy io fa toa kazarana fomba entina hampiadiana ny mpivavaka izy izany. Na izany na tsy izany: Aiza ho aiza moa ny fanamboarana ny lapan'ny tanàna fa tsy nandre ny tohiny aho? Ho an'ny tanindrazana, aza manakorontana azy amin'ny fety ataony mihitsy isika, aleo tsy mandeha mankany fotsiny raha mahatsiaro ho marary fo mahita ny hafaliany. Fa andao ary isika hiarahaba azy ireo nahatafita ny tolona nahazo ny fahefana. Tsara indrindra raha tsy mora mivadika palitao isika fa miandry ny fotoana hampahery antsika indray, dia mba ho fifandimbiasam-pahefana araka ny safidim-bahoaka no hiverenantsika fa tsy amin'ny alalan'ny basy aman-tafondro. Dia mba hisy fivoarany mankany amin'ny tsara ny fomba politika eto fa tsy manao politikan-tanalahy lava izao."
Ny irariako fotsiny ny mba tsy ho diso hevitra anie izy ireo. Raha ireo tonga eo izao ihany mantsy no hifaninana madio avy eo ho laitra ihany fa raha ireo nijapy Train kosa no mahazo toerana eo indrindra @izao varavarana efa midanadana izao dia tsy hisy hirika hidiran'ny rariny intsony mihitsy eo ka dia hitohy hiandry an'i Paoly eo isika ;-)
Aoka tsy hadino koa anefa fa manana fiadiana tsy ananan'iza n'iza eran-tany ny vahoaka tia ny rariny any Madagasikara, dia ny vavaka! somary hadinontsika io rehefa revon'ny fiainana aty' ivelany isika fa ny any tena mampiaiky ny hamafin'ny finoan'izy ireo koa mino aho fa na ho ela na ho haingana hahita fitia eo imason'Andriamanitra izy ireo.
Dia raha mahay isika maka tahaka!

Nampidirin'i k @ 23:15, 2009-03-21 [Valio]

Miketrika

Ny hoe hangina angamba tsy any ry Hery a. Ny fahaizana mandamina no entina miady.

Mbola maka bahana, sy miketrika mafy angamba no azo ilazana azy.

Nampidirin'i tsiafoi @ 06:22, 2009-03-23 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry