« | »

Hanohitra ny fanjakana nangalarina

2009-03-23 @ 15:28 in Politika

Miala any ny fanoherana ny fanjakana nangalarina. Manomboka ary hitohy eo amin'ny kianjan'ny demokrasia :-) eo Ambohijatovo ny tolon'ny vahoaka ianjadian'ny tsy rariny. Vahoaka mpandala fifidianana. Nohosihosena mantsy ny vokatry ny safidiny ka na ny Solombavam-bahoaka na ny Filoham-pirenena izay nofidiny dia nesorin'ireo be sandry ary nosoloiny olona tsy nofidiny akory.

Raha mba nisy référendum dia mety mba azo noleferina ihany satria mba efa fifidianana izany na dia mbola tsy rariny aza satria tsy araka ny nifanarahana tamin'ny fifidianana. Fa ity indray mitoraka ity dia tsy nisy referendum fa dia didin'ny be sandry no natao.

Nangina ihany teo ny vahoaka satria mbola sahirana amin'ny fiainana vokatry ny krizy ekonomia eran-tany,
Nangina ihany teo ny vahoaka satria nieritreritra hoe hankatò ny fahendrena malagasy ny TGV ka hanara-dalàna tsy hanakorontana sy handoro fananam-pirenena
Nangina ihany teo ny vahoaka satria nanantena hoe eo ny tafika hiaro azy amin'ireo mpanao didin'ny be sandry,
Nangina ihany teo ny vahoaka satria mbola niandry hoe handray andraikitra ireo mpanao politika ambony izay nofidiny ka hiaro ny safidiny amin'ny fahefana izay rehetra ananany.

Izao kosa dia tsy afaka hangina intsony satria nohitsahina an-tampondoha ny fahafahany. Koa hitraka sy handrodana izay rehetra nangalatra ankarihary ny safidiny.

Tsy mila fanjakana mampihorohoro.

Hevitra

raikitra e! hirodana tsy ho ela ity fanjakana fopla ity!!! aiza ve ka i coutiti avy no avoaka ny fonja tsy efa dia tena ny habibina no tina hanjaka ve?

Nampidirin'i news2dago @ 17:21, 2009-03-23 [Valio]

mba kôzy raha hisy olona any @ faritany hanaraka anareo,

i ravalo tribaliste na raciste @ ry zareo any @ faritany,

de ho hitan'ny havany gasy eo fa antananarivo (antsasan'ny antananarivo koa aza) no TIM

raciste, raciste

izay le tena blèm ho an-i TIM

Nampidirin'i beloha @ 18:08, 2009-03-23 [Valio]

izao no hatao hoe fitiavana tanindrazana

http://www.youtube.com/watch?v=A61gTVqqr4Q

Nampidirin'i madagasikara @ 19:59, 2009-03-23 [Valio]

Hanohitra ny fanjakana nangalarina

TSY MISY MAHARATSY AN'IZANY N'IZA N'IZA HITOKONA. EFA IZAY KOA ZAO NO TONJONA NY TSY FANERITERENA AMIN'IZAY TIANAY ATAO NY VAHOKA DE NY FANDALANA NY DEMOKRASIA.

RAHA NY DIDIN'NY BE SANDRY LAZAINAO INDRAY, IZA NO TENA BE SANDRY? NY MPOMBA NY FITONDRANA R-8 SA NY MPOMBA NY TGV. SATRIA TONGA AMIN'NY TANJONA NOTRATRARINA VE DE LAZAINA FA BE SANDRY? RAHA TOA KA MBOLA TEO AMIN'NY 13 MAI FONA IREO TGV IREO ATAOKO ANGAMBA FA MBOLA TSY BE SANDRY RAHA AMINAO.

FA AO ANDRIAMANITRA AN-TAMPON'NY LOHA MAHITA SY MAHAFANTATRA IZAY HAHASOA KA HAMPISEHO HATRANY IZAY TENA MARINA SY NY RARINY.

Nampidirin'i ratavao @ 08:44, 2009-03-24 [Valio]

Tena tsy rariny ny halam-pitondrana e!

Tena tsy tsy rariny mihitsy ny halam-pitondrana,ary ireo izay nikomy tao @ TGV ireo ihany no tena hiaran'ny nenina,fa ho hita eo e!izao moa izany dia tsy misy mpitondra sy filoham-pirenena i Madagascar,raha niala an-katerena ny Filoha Marc Ravalomanana,dia indrisy fa ny hidi-trano no ataovy mafy,dia ny fitondrana ny firavaka eny @ arabe koa izany dia efa mampamangy e!ary efa hita ve ilay Finday sy ny Gourmette volamenan'ilay zanak'i DadaMonja,nangalarin'ny mpiambin'azy tetsy @ 13 Mai?izany izao no niafarany e!ary mbola hiletika lalina any @ lavaka,fa indrisy............

Nampidirin'i Malagasy aty Frantsa @ 10:49, 2009-03-24 [Valio]

TSY HANGINA

Lasa zao ka tsa mipody intsony ozy ny betsileo zay... Efa sangy mihoatra ny loha izy ty, fa sady mandrobaka an-tanan-jaza rizalahy, no manao didin'ny besandry

Tsy mba manana basy na tafondro ireto vahoaka toa zazabodo @'ny politika ireto, fa de entanin'ny fitiavan-tanindrazana ka tsy ho tana intsony fa hitroatra, ary ho hery tsy hay tohaina.

Nampidirin'i tsiafoi1 @ 13:47, 2009-03-24 [Valio]

Fangala-piery hafahafa

Ôtran'ny hoe manao fangala-piery le Malagasy, haongàny de rehefa niongana dia harodàny indray io fa bontolo loatra. De avy eo sahirandava fa variana manao politika eo foana. Tsy aleo ve ny fivelomana no hamafisina e! Izy samy lehibe miady fitondrana anie efa manana ny azy e! ary mahavita azy ny fananany, fa ity vahoaka kely de lany andro fotsiny, ny hohanina nefa mbola tadiavinaisaky ny mihetsika.
Indrisy

Nampidirin'i Ny diariko @ 08:34, 2009-03-25 [Valio]

Salama daholo nareo any e !

Malalaka ny fanehoan-kevitra ary izay no ampiasana ny kianjan'ny demokrasia eto Iarivo.
Mampiseho ny tanjany ny mpomba an'i Marc izay tsy azo tsinontsinoavina ny isany fa "maro" !
Nandalo azy ireo izay mitanjozotra mankany analakely any ny taxi-be nandehanako. Natohony teo amin'ny fitaratra tandrify ahy ny sarin'ny Filoha teo aloha ary niteny mafy izy hoe "ity ihany ny antsika Madama a !" Ny sasany mihorakoraka hoe "Avereno ny dadanay", ny hafa manao hoe "tsy misy mpandroba aty fa aza matahotra" ary ny hafa avy etsy amin'ny fitaratra ilany manao hoe "ny an'ialahy filoha foza orana" sns sns e !

Hiverina eto an-tanindrazana eto an-tanindrazana atsy ho atsy hono i Marc fa mafy loatra koa ny antsoantson'ny olona mitaky ny famerenana azy !!!

Dia miandry izany !

Ny olana mantsy dia manjary nisy hery roa mifanandrina eto Iarivo nefa dia samy zanak'Iarivo ary samy zanak'Iarivo koa iretsy tohanana na i Andry na i Marc ! Any indray izao no atahorana satria vao omaly dia efa raikitra ny totohondry sy ny tora-bato ka raha tsy tonga ny FIGN nanaparitaka tamin'ny tifi-danitra sy entona mandatsa-dranomaso dia asa angamba izay hiseho.

Ireo vahiny tetsy ambohitsirohitra anefa dia nilaza hoe "we had a constructive meeting" ary niseho ho afa-po ! Nilaza anefa izy ireo fa tsy mahalala ny momba an'i Marc izay any amin'ny tany afrikana any.
Mbola hitohy e ! (araho akaiky ny vaovao)

Nampidirin'i tsiks @ 12:00, 2009-03-26 [Valio]

ho hita eo e e e e e e

Nampidirin'i tsiks @ 12:00, 2009-03-26 [Valio]

andry boboka

mba hiteny kely anareo T G V aho ianreo mantsy izao de Tanora Gasy Voafitaka, tadidio kely hoe vao tonga teo amin'ny toeran'ny ben'ny tanana izy de inona no nataony voalohany? napetrany teo AMPAMARINANA antananarivo, mazava be zany fa ho avarina ny renivohitr'i madagasika, tsy tonga saina amin'izany ve ianareo? hamarina an' antananarivo no nahatongavany teo, porofon'izany inona no mba zavabitany h@ zay? tsisy, ny farihin'i marais massay anie efa vita sonia t@ andron'ny patric ramiaramanana e! ny zaridainan'andohalo anie efa vita sonia t@ andron'i hery rafalimanana e!, ary aiza le nolazaina hoe ho amborina antsonjombe? vita tokoa ve? ary raha vita iny, iza moa no ahazo tombotso voalohany? i andry boboka no ahazo tombotso fa afaka hanafatra artista avy any andafy indray izy hamenoany ny paosiny, ka mba valio aho ry Tanora Gasy Voafitaka inona no vitan'i andry boboka amin'ny maha ben'ny tanana azy? ary ty ndray vao azo tamin'ny didin'ny besandry ny fitondrana? nojereny ve ianareo vahoaka nanohana azy teny? ny mpanao politika namany izay mpanongapanjakana toa azy no navoakany ny fonja voalohany, fa ngah mou tsy ho atao 10000fmg ny menaka ary 2500 ny vary sa andrasana afaka 24mois koa izany? inona koa no azonareo vahoaka vitsy an'isa teo amin'ny 13 may rehefa vita ny fanonganampanjakana? tsisy azonareo fa mba jereo anie ireo fiara vavao be azon'i andry boboka e! ntso tsara kosa le touareg sy ilay 4x4 rehetra e! mariky ny fandrosoana ve izany? sa fahaiza mitantanana ?

tsy mbola tara ianareo mba tsy hisin'ny nenina mibebaha tamin'ny ota vitanareo, tsy miteny aho akory mandehana eny ambohijatovo fa tsakotsakoy tsara ao antrano amin'nizay fa izao anie vao hanomboka ny tena krizy ara-bola sy ara-tsosialy eto madagasikara e!

ny fanahy no maha olona an! ary ny olona no harena, mierutrereta ry TANORA GASY VOAFITAKA

Nampidirin'i ORLANDO @ 07:10, 2009-03-27 [Valio]

MIVONONA MBA HANDRESY

DE RAHOVINA VAO HO AFAKA TY HERISETRA LAVA ? NY VAHOAKA MIJALY NANANTENA NY TGV SY NY FIRINGA MIHEVITRA FA HANAIKY TY AM-BOLETRA ZAO TONTOLO IZAO SAINGY INDRISY,KA MIVONON
MBA HANDRESY RY TIM NAMANA FA TENA HENJANA NY ADY ,FAHAFAHAM-BARAKA TSISY OHATRAZY NY LAZANY MADAGASIKARA ATY AM-PITA,NEFA DE NY KELY SAINA TSY MAHALALA NY ATAO HOE FITIAVA-TANINADRAZANA NO MANAO NY NATAONY VELOMABYE BE DYANE.

Nampidirin'i DYANE @ 13:09, 2009-03-29 [Valio]

RACISTE!

Iza no tena Raciste @ty tantara ty e?mba mitsra tsy miangatra ry TGViste o!24ans anie nyka Ratsiraka fona no teo tsisy nanala raha tsy efa hita fa potika ny firenana e! vao 7ans R8 no teo de nalana an-kerisetra satria ny Merina tsy mahazo milanona ela eo@ fitondrana ?de ho avy koa ny anjaranao raLuky Lucke a!(andry kely io) ary haingana ry tantara fa maika ahita ny farany ny Tanora Gasy Vendrana

Nampidirin'i fitia @ 13:17, 2009-03-29 [Valio]

MIFANKATIAVA

adihevitra no atao (fa tsy gidraka na korontana)ka dia arosoko ny hevitro :
1. Inona no tena atao hoe : "DEMOKRASIA"? fa ny malagasy dia tsy manana an'io iombonana fa samy mampiasa izay demokrasiany, izany hoe tsy voafaritra ilay demokrasia malagasy. fa ny olona tsirairay toa samy manana ny demokrasiany ka misavorovoro ny ambany lanitra, zary miverina @ resaka raciste indray ny hevitry ny olona sasany, tsy izany anefa ny problema fa zavatra hafa mihitsy raha vantanina de hoe isika malagasy ory hava-manana sy tsy mahay miray saina sy mampitovy tadin-dokanga ka lasa mikorotana ambony sy ambany tsy ra-8 tsy TGV no miady eto fa isika malagasy tsy vaky volo, ary izaho tsy hilaza aminareo hoe iza amin'izy roalahy ireo no tsara na ratsy fa anjarantsika tsirairay no mandinika, ny vavolombelon'ny asa de ny bainga voavadika, ary ny asa vita no ifampitsarana. koa manao antso avo amintsika Malagasy namana aho mba tsy hiady na hifandratra na hifanao an-dolom-po amin'ny resaka politika.

2.Tsy misy nateraka hijaly na nateraka ho sambatra, fa isika tsirairay ihany no tompon'andraikitra @ fiainantsika ka raha sambatra ianao de ny ezaka nataonao ihany no nahasambatra anao fa tsy izaho akory, de torak'izay koa raha ory ianao de ianao ihany no nampahory ny tenanao fa tsy izaho velively. koa miraisa hina fa izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika. aza asiana resaka foko na resa-bolokoditra na resa-pivavahana fa ny malagasy iray tsy mivaky tsy afatsy ny FIFANKATIAVANA io no LEHIBE INDRINDRA ary izao zavatra miseho rehetra izao dia efa voalaza sy voasoratra ao anaty BAIBOLY ka tsy tokony hisy antony ampisavorovoro ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka.

Mirary soa antsika rehetra

Nampidirin'i Malalason @ 07:49, 2009-04-01 [Valio]

mpandainga nareo

mankaleo koa eto

Nampidirin'i leo @ 18:01, 2009-04-01 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry