« | »

Tsy efa manomboka manenina?

2009-04-02 @ 08:09 in Politika

Anisan'ny nahafinaritra ahy ilay débats izay nifanaovan'i Vony Rambolamanana sy Philippe Rajaona tao amin'ny France 24 tamin'ny herinandro lasa. Na dia tsy dia mitovy hevitra aza ry zareo dia nisy niraisana ihany tao... dia ny hisian'ny filaminana. Hoy tsara Vony hoe raha ny hanala an-dRavalomanana ny tanjona dia misy fomba demokratika ao anatin'ny lalam-panorenana hanaovana izany. Ary Ravalomanana rahateo dia nanolotra hevitra hirosoana amin'izany dia ny fitsapan-kevi-bahoaka izany. Azo natao tsara mihitsy io mba hahafahana maka ny fon'ny vahoaka rehetra eran'i Madagasikara sy ny Firenena vahiny... saingy ny haka fanjakana moa no nahamaika ny TGV.

Ny ankamaroan'ny olona tao Antananarivo sempotry ny adim-piainana izay vokatry ny krizy iraisam-pirenena ihany koa, dia nieritreritra fotsiny hoe esory Ravalo fa izay tohiny eo tohiny. Ka vao nisy olona nanolo-tena hanao izany hetsika izany dia roboka na iza na iza tao ambadika.

Amin'izao fotoana izao vao manomboka misokatra ny maso satria toa lasa endrikendri-pitondrana Ratsiraka no miverina. Ary manomboka manenina sahady ny olona afats'ireo izay tena fanatika sy mahazo tombony mivantana amin'ny fandrobana sy ny fahazoan-toerana. Ny sasany moa dia mankahery tena fotsiny amin'ny hoe "Izany daholo ny mpanao politika e"... sy ny hoe "Ka iza ary no hapetrakao eo"... Ny hoe "Na izaho tsy izy aza ve no teo"... sy ny hoe "Tamin'ny andron-dRavalo koa anie tahaka izany e." Dia izay izany sisa no fara-safidy? Inoako fa tsia.

Satria mbola misy foana làlana hiverenana amin'ny ara-dalàna. Dieny mbola jerijeren'ny mason'ny firenena rehetra isika dia tokony araraotina ny fampisehoana ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny fiezahana hiverina amin'ny lalàm-panorenana.

Amin'ny fomba ahoana nefa?

Ny fanatika Ravalo dia miantso foana ny hiverenan'ny "dadany". Mety fomba iray azo hatao izany. Averina amin'ny toerany Ravalo saingy filoham-pirenena tsy manana fahefana mivantana intsony. Avela ho mpiahy ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena izy. Atsangana ny fahefana teteza-mita izay itambaran'ny hery rehetra sy ankasitrahan'ny Firenena ivelany, ka mazava ho azy, mandray anjara koa ny TGV. Tsy ravaina ny rafitra misy mandra-pahatongan'ny fifidianana rehetra izay atao haingana araka ny tokony ho izy. Ravaina izay andrim-panjakana rehetra natsangan'i Andry Rajoelina satria isehoan'ny fifandrafiana.

Izay ihany no zavatra mifandraika amin'ny ara-dalàna sy marimaritra iraisana satria tsy hanaiky mihitsy ny olona amin'ny fanesorana filoham-pirenena teo amin'ny toerany. Tsy ara-dalàna izany na inona antony na inona. Ary aza miezaka mandresy lahatra hoe i Ravalomanana no nametra-pialàna satria mbola misy sary mampiseho ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny fiarovana any.

Mila fanetren-ten'ny rehetra izany. Na ho an'i Ravalo izay anesorana ny fahefana fenon'ny filoham-pirenena, na ho an'i Andry apetraka amin'ny toerana maha-mpanohitra ara-dalàna azy, na ho an'ny vahoaka izay tsy maintsy hiaritra ny fiaraha-miasa amin'ny tsy mitovy hevitra amin'ny tena hatramin'ny fifidianana.

Asa mety misy hihaino ihany izany hevitra izany.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry