« | »

Iny horohoron-tany iny

2009-04-07 @ 10:33 in Izaho sy ny ahy

Nihovitra ny tany teto amin'ny faritra afovoan'Italia tamin'ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy tamin'ny 3 sy sasany. Tsy tena natory izahay satria mbola tratran'ny mifoha isaky ny mitomany ny zazakely.

Amin'izao anoratako izao dia heno mihovitra kely indray ny tany (11:27). Maka toerana ny ao ambany ao.

tohizako...

Ny misy anay dia tanàna iray amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Roma. Any amin'ny rihana fahafito ka heno mafy mihitsy ny fihonjony. Naharitra 20 segondra teo ilay izy ka nianjerazera daholo ny zavatra ratsy petraka. Izahay rahateo vao tsy ela no nifindra trano. Noraisina ny zazakely dia nojerena hoe inona no tokony hatao. Nitazana teny ambaravarankely raha misy olona mivoaka ny trano dia mba hivoaka koa. Sarotra ihany anefa ny hidina tohatra rihana fito amin'ny andro amin'ny telo maraina...koa dia niandry aloha. Novelomiko ny ordinatera dia nametraka hafatra tao amin'ny twitter, noho ny mbola fangovitana angamba dia lasa "tramblement" no voasoratra fa tsy tremblement. Nalefa ny radio dia mba nahazo fankaherezana kely tao nilazan'ny mpanao gazety hoe avy aiza ilay izy ary inona no tokony hatao. Heno ary fa any akaikin'i L'Aquila no foibeny. Izany hoe 70 km eo ho eo miala eto aminay.

Nony elaela moa dia niverina teny am-pandriana ihany, dia nivavaka fa hoe hatory. Mbola teo am-pivavahana teo izahay no nihetsika indray ny tany. Tsy dia mafy loatra ity indray mitoraka ity, fa na izany aza dia nitsangana indray nijery hoe nivoaka ve ny olona sa tsia. Fa toa tsy nisy nivoaka ny olona. Olona roa no hitanay nivoaka sy nihainohaino teny amin'ny arabe dia niditra niandry tao anaty fiarany.

Izaho avy teo tsy niverina natory intsony fa nanomboka niasa. Efa maraina rahateo ny andro... 

Nony maraina vao heno fa hay tena nandrava an'i L'Aquila ilay izy, nahatratra maherin'ny 150 no maty ary mbola misy ireo tototry ny tany. 

Hevitra

Nampangitakitaka!!

Saotra an'Andriamanitra izany tsy nihonjona mafy ilay izy tany aminareo!
Izaho koa vao nahita ny sary tamin'ny vaovao dia nangovitra sady taitra satria "saika" any Italie ary mipetraka afovoany Italie daholo ny fianankaviako, Ray aman-dReny sy iray tampo mbamin'ny ni├Ęces sy neuveux, saika izy rehetra, rehefa nahare ao fa tao Aquila ilay izy dia mba tony!
Anisan'ny loza voa-janahary atahorako mafy ny horohoron-tany!hummmmm..

Nampidirin'i Vale @ 11:29, 2009-04-07 [Valio]

Dia arahabaina aloha zany ianareo tsy maty fo aman'aina e!
Misaotra an'Andriamanitra!

Nampidirin'i ni @ 11:37, 2009-04-07 [Valio]

Tena henjana iny horohoron-tany iny an!

170 no maty oe? Misaotra an'Andrimanitra aloha fa mbola tra-pamonjena tsy maty fo aman'aina e!

Nampidirin'i news2dago @ 11:41, 2009-04-07 [Valio]

Nanao ahn tokoa ikalamako izay?

Nampidirin'i news2dago @ 11:42, 2009-04-07 [Valio]

news : tsss, zah lesy velon'aina a ! zah efa nanoratra io ambanin'ny lahatsoratr'i jentl io - mdrrr (kely dia tsy hitan'ny olona fa nataon'ny dia tototra anaty rindrina angamba - lol)

Nampidirin'i ikalamako @ 12:25, 2009-04-07 [Valio]

arahabaina

Za de natahotra mintsy hoe mba nanao ahoana ny havana aman-tsakaiza any Italy any. Tsy haiko loatra manko ny jeografian'italy ka de maminany fotsiny hoe enga anie mba tsy ho any @ izany faritra izany ireo akaikin'ny fo! De miarahaba anareo tsy afa-doza ary, ary dia mitondra amim-bavaka ireo niharanm-pahorina.

Nampidirin'i dadasy @ 03:41, 2009-04-08 [Valio]

Enga anie ho lasan'izay ny ratsy. Arabaina tsy maty fo aman'aina! Misaotra an'Andriamanitra amn'ny fitahiany. Matetika ny zaza dia arovan'Andriamanitra manokana koa.

Nampidirin'i soanja @ 15:56, 2009-04-08 [Valio]

vsybxzct

pzvburei http://snnwugoi.com ayumgioq wxedfnin [URL=http://fvekoazt.com]gyyclkto[/URL] ynvfdecz

Nampidirin'i vsybxzct @ 04:44, 2009-04-17 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry