« | »

33 taona lasa

2009-05-29 @ 09:30 in Izaho sy ny ahy

Mitsingerina androany indray ny andro nankalazana ny mariazin'i Papa sy Mama... 33 taona lasa izay. Dia nanaovana batemy anay ihany koa. Mbola kely dia kely aho tamin'izany fa misy sary iray hany mba tadidiko dia i Mama somebiseby tamin'ny fiomana tao antrano, tadidiko tsara tamin'izany fa tao antrano i mompera itompokolahy Benoit Tsangambelo... dia izay ihany. Tsy nisy tadidiko izay izahay naka sary, na dia hitako aza ny sary taty aoriana, tsy tadidiko ny tao ampiangonana sns. Na izahay natao batemy aza tsy tadidiko mihitsy.

Dia miarahaba an'ireo Ray amandreniko :-)

Hevitra

Izany hoe mihoatra kely io taona io izany ianao. Miala tsiny fa lasa lavitra ny saiko e ! Ny anay ny ray aman-dreny efa tsy eo intsony.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:25, 2009-05-29 [Valio]

Kdaomba =>Latsaka kely kosa angamba e! nagalam-pihinana kosa raha nihoatra koa

Hery => Mahatsiarotsiaro zany!

Nampidirin'i news2dago @ 12:27, 2009-05-29 [Valio]

33 taona

saodia tsy 33 kosa ra-hery?
news2dago> efa mihoatra ny 33 kosa i hery e!
Ny mariazy ange no taty aoriana kosa fa ny fisoratana ara-panjakana efa mety vita taloha e, nefa asa aloha eh!

Nampidirin'i Naritsimba @ 12:49, 2009-05-29 [Valio]

Kdaomba =>Latsaka kely kosa angamba e! nagalam-pihinana kosa raha nihoatra koa

Hery => Mahatsiarotsiaro zany!

Nampidirin'i news2dago @ 13:58, 2009-05-29 [Valio]

zany eo ihany fa za irery ve no mieriteritra an'le eritreretiko ee?

hoe: kay le!!

chapeau kosa ra tonga 33 taona zany kle ^:^

believe in love
;-)

Nampidirin'i simp @ 15:29, 2009-05-29 [Valio]

Naritsimba => ie za mihitsy no tsy namaky ilay lahatsoratra h@ farany e! may ny hametraka hevitra sao dia tratran'ilay soratra oe tsy mahazo mijery eto ianao!lol

Nampidirin'i news2dago @ 18:46, 2009-05-29 [Valio]

N2D < vakio tsara ny voalazany dia ataovy ny kaonty e !! hi hi hi !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:56, 2009-05-29 [Valio]

eka hozy!

de arabaina daholo izay voakasika rehetra! Andriamanitra homba antsika hatrany!

Nampidirin'i zandrikely @ 04:16, 2009-05-30 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry