« | »

Tsy afaka mankaiza fa mitaiza

2009-08-17 @ 07:46 in Izaho sy ny ahy

I'm in "mitaiza" mood and enjoying it. :-) Tamin'ny 3 volana voalohany ihany no tena olana tamin'ilay mitaiza, tena tsy afaka nanao zavatra hafa mihitsy satria tena reraky ny niari-tory. Fa amin'izao lasa mahafinaritra ilay izy. Lasa tsy afaka manao zavatra hafa mihitsy fa variana eo. Androany maraina aho izao tara niasa satria nifoha maraina i leiry dia satry foana hitositosy eo am-pandriana. Mihantona na misosa miadana daholo aloha ny kandra rehetra na dia efa manao izay azo atao ihany aza aho rehefa mba matory iny izy mianaka.

Izao toa nitombo iray koa ny zavatra atao satria nanomboka nomena fanampintsakafo amin'izay i leiry. SmileSmileSmileSmile Izany hoe tsy miankina amin-dreniny irery intsony koa ny fanomezana sakafo fa mila mamahana koa ny rainy.Tongue out

Hevitra

Mbola vao niampy iray izay... fa rehefa mandeha indray izy, mbola miampy bobaka be noho izay @ fiambesana sy ny fanaraha-maso tsy tapaka... indrindra ilay mikitika ordinateur sy izay boutons hitany rehetra... Mbola asa goavana miandry izay fa courage e !

Nampidirin'i chrislyd2 @ 09:07, 2009-08-03 [Valio]

Time passes so fast, so enjoy every minute you can spend with him. You'll remember those delightful moments when the nest is empty!

Nampidirin'i Su @ 12:21, 2009-08-03 [Valio]

ôiôio ! Aza manaiky Aina fa mangataka sakafo foana à ! de mitomany raha tsy omen'i dada sy neny !

Maroroha taiza i dada sy neny é!

Nampidirin'i DadaRabe @ 15:18, 2009-08-03 [Valio]

vetivety eo io zao dia efa hanohitra ny dadany @ zay an

8)8)

Nampidirin'i simp @ 19:25, 2009-08-03 [Valio]

mafinaritra

mafinaritra be zao io fa za 30 taona no niteraka ny zanako faha 4 , zao zay miaralehibe ny voalohany ohatra ny zandriko refa miaraka eny @ arabe zay dia mazotoa ary o! hafa ihany i Dada sy i Neny no mitaiza

Nampidirin'i SOU4 @ 11:17, 2009-08-04 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry