« | »

Ravalo - Zafy - Ratsiraka - Andry TGV

2009-08-04 @ 15:18 in Eritreritra mandalo, Politika

Raha tena raikitra ny fihaonana any Maputo rahampitso, fa tsy hanao tahaka ny tany Antanimena indray i Andry TGV sy Ratsirahonana, dia mety ho betsaka ny surprise. Ny atahorana dia efa mitondra ny heviny tsy azo ovaina ny tsirairay dia tsy hanaiky izay zavatra mety hivoaka avy ao mihitsy ka tsy mifanaraka amin'ny heviny. Na izany aza anefa dia azo atao ihany ny tombatombana, ka izao no eritreretiko. Raha tena misy ny dinika dia tsy maintsy hiafara amin'ny zava-baovao. Teteza-mita vaovao mantsy no hany eken'ny vondrona iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao. Koa raha manaiky ny HAT sy Ravalo dia mety ho tonga ny teteza-mita iarahamitondra. Eo indrindra anefa no olana satria tsy maintsy hampidirina antsehatra i Zafy sy i Ratsiraka. I Ratsiraka moa mety tsy hiady ny hitondra intsony fa hangataka ny aministie (ho azy sy ho an'ireo namany) no tena ho tanjony mba hahafahany maka aina any Madagasikara. I Zafy indray dia manana ny atout rehetra hiverenany eo amin'ny fitondrana satria izy no tsy mba voarohirohy tamin'ny resaka vono olona sy gadra politika. Resaka tsy fahaiza-mitantana izay azo arenina tsara no nahavoa azy. Ny mety ho zava-baovao izany dia ny fisian'ny HAE vaovao izay i Zafy no hitondra azy. Amin'izay fotoana izay dia samy miomana amin'ny fifidianana ho avy i Rajoelina na izay tohanany sy i Ravalo ary ireo kandidà hafa, i Ratsiraka kosa afaka hody sy hanomana ny kandidà-ny.

Vinavina ihany izany fa dia aleo ny rahampitso no hanambara azy.

Hevitra

hery

Izaho amin'izao fotoana izao dia manaiky ny hampodiana an-dRatsiraka satria toa samy tsy nahavita nanagadra azy akory izay mpitondra nitondra teo na dia nolazaina fa mpamono olona aza izy.
Toa midika tahotra azy fotsiny ilay fanilihana azy antsesi-tany mba hahafahana manararaotra satria tsy ampy ny mpitsikera.

Nampidirin'i hery @ 15:52, 2009-08-04 [Valio]

Ny anton'ny nanaovana an'ilay resaka teny @ paronama iny dia hanomezana credibilite ny position an'ny HAT hoe ekena ny amnistie fa tsy azo esorina i TGV sy i Monja... mety tsy hietsika @ izay position izay tsony ngambany izy.

Tsy dia mino loatra koa aho hoe ho lasa i Zafy izany no hitondra ny HAT... mais bon tsy fantatra aloha ee.
En tt cas, tsy maintsy mi-ceder zavatra hafa ny HAT ra tsy te hiova @ ireo position-ny ireo. Ohatra hoe mouvance hafa no hitantana ny ministera clefs rehetra toy ny interieur, finance et budget, defense, affaires etrangeres...

Betsaka ny chance ahitana compromis hoy aho satria efa mahatsapa ny HAT fa tsy afaka hitondra irery izany. Ny mouvances ambiny indray koa mahita hoe mety ho very 2 na 3 taona raha tsy mi-negocier @ zao... mba win-win zany ee.

Fa poinsa mihoatra ny 1 andro aloha hoy aho ny negociations eee

Nampidirin'i simp @ 19:25, 2009-08-04 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry