« | »

Tantara vokarin'ny Radiovazogasy

2009-10-26 @ 08:05 in Serasera.org

Araka ny fandaharana ao amin'ny Radiovazogasy.com dia hisy tantara isaky ny alarobia voalohan'ny volana sy fahatelon'ny volana amin'ny 8 ora sy sasany alina. Ny mampiavaka kely ity indray mitoraka ity dia namana vitsivitsy ao amin'ny serasera ihany no hamelona ny tantara. Izay voaantso aloha no efa mikofokofoka ao fa mbola maro ireo nanolo-tena no mbola vao hifandaminana ho amin'ny volana manaraka. Raha ohatra moa ka mbola manam-paniriana ny hanatevin-daharana ianao dia azo atao ny mifandray amin'ny contact@radiovazogasy.com mampindrana ny feonao. 

Ao Paris ao amin'ny StudioDiffusion.com no anaovana ny fakàna feo ho an'izay mazoto sy afaka amin'izany. 

Raha toa koa ka manana tantara voasoratra ianao, na tantara efa voarindra dia vao mainka tsara fa mifandraisa hatrany amin'ny contact@radiovazogasy.com  

Hevitra

Dia tena efa tsy andry tokoa izany fihenoana tantara handeha ao amin'ny rvg izany an ! :-)

Nampidirin'i fahamarinana @ 11:44, 2009-10-26 [Valio]

Milay kosa zany kle

Nampidirin'i news2dago @ 11:57, 2009-10-26 [Valio]

Mahafinaritra izany!

Toa mahafinaritra izy izany hiondana casque indray izany manomboka @ novembre koa
Mnkasitraka sy mirary soa foana ny " radiovazogasy"
Maeva74

Nampidirin'i maeva74 @ 16:45, 2009-10-26 [Valio]

maeva 74 ary tokony hamokatra tantara ko eo no we hiodana casque a hiodana casque!!! lol

Nampidirin'i news2dago @ 18:41, 2009-10-26 [Valio]

New2dago! isika nge manoratra fotsiny e! de avy eo miondana sa ahoana hihihi

Nampidirin'i maeva74 @ 08:10, 2009-10-27 [Valio]

Ataovy isaky ny herinandro r'angaha ! Ela loatra raha isaky ny 2 herinandro izany ka ! Marina e, efa may ery ny hihaino (raha tsy adino fa ela loatra) :p

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 15:23, 2009-10-27 [Valio]

Tsara be le izy fa handamina pro zao, misy film milay be arahako isaky ny alarobia, fa ngamba ny casque henoina de ny maso mijery tele, hihihh asa mety hety ve zany????
Zany we am heriny androany zany ny tantara voalohany ooo,...

Nampidirin'i yonika @ 18:22, 2009-10-28 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry