« | »

Google Chrome indray no malaza

2009-10-29 @ 09:59 in Izaho sy ny ahy

Andro maromaro izay no nampiasako Google Chrome, izay fitaovana efa navoakan'i Google efa elaela ihany izay, hijerena ny takelaka amin'ny internet. Ka mba hitondra teny kely momba ity "navigateur" ity aho. Ny tombony sy ny maharatsy azy.

Ny tombony lehibe amin'ny fampiasana Google Chrome dia noho ny hafainganany. Vetivety dia misokatra ny takelaka, ary izy koa vetivety dia voasokatra. Anisan'ny antony mampalaky be azy aloha dia azo lazaina hoe tsotra be izy. Tsy dia be filirony loatra. Nefa koa ny rindra anatiny dia tsy mitovy amin'ny fanaon'ny hafa tahaka ny Firefox ohatra. Ny an'ny Google Chrome, ohatra, isaky ny "Tab" (onglets) tsirairay dia manokatra "process" iray izy, izany hoe mibahana memoires roa samihafa ary rehefa mihidy iny dia tapitra koa ilay "process". Ny an'ny Firefox mantsy dia process iray ihany no miasa amin'ny fenetre iray na firy na firy ny "tabs" misokatra. Misy fotoana mahatratra hatramin'ny 500MB mihitsy ny memoire lanin'ny Firefox fotsiny. Dia manjary miadana be ny ordinatera.

Ny maharatsy ny Google Chrome indray dia noho ilay izy tsotra loatra. Betsaka ny zavatra tsy tonga dia mandeha ara-dalàna. Ohatra fotsiny hoe manoratra an'ity lahatsoratra ity aho dia tsy afaka mi-selectionner an'io sary eto ambany io mba hanakelezana na hanalehibeazana azy. Ankoatra an'izay dia tsy mbola afaka mampiditra fanampiny hafa (add-ons) tahaka ny Firefox ka tsy maintsy miverina mampiasa Firefox ihany rehefa mila zavatra manokana.

Andramo alaina eto ny Google Chrome fa sao dia mety mahaliana anao. 

 

Hevitra

Tsy de mety amiko izy io! asa na za efa zatra firefox fa tena oh hafahafa izay le google chrome

Nampidirin'i news2dago @ 11:36, 2009-10-29 [Valio]

+ou- tsara

Io izao no ampiasaiko nefa mitsaingoka firefox koa zah fa rehefa manao lahatsoratra de tsy hita fa manjavona daholo ny daty sy ny rehetra avy eo de fanina be!Misy mahatsara azy @ lafiny sasany fa tsy mety rehefa manao lhtsoratra
Misaotra nizara

Nampidirin'i maeva74 @ 14:54, 2009-10-29 [Valio]

news2dago> izaho koa taloha tsy tia chrome fa ohatran'ny nisy zavatra novaindry zalahy angamba.

maeva74> marina io. Hamakiana zavatra no tena ilàna azy fa raha vao anoratana zavatra dia tonga dia tsy mamely.

Nampidirin'i Hery @ 14:57, 2009-10-29 [Valio]

ilay hoe process samihafa kosa aloha no tena milay aminy ee... indrindra ra hoe hisy hi-hangs na otran'zany dia azo vonoina fotsiny iny iray iny fa tsy hoe miaraka mikatona doly izy rehetra otran'ny firefox...

sinon le design otran'ny tsy dia tiako loatra... tsy mahazatra ny maso manko ee :-)
sady otran'ny tsisy famakiana rss, sa za no tsy mahakobo?

Nampidirin'i simp @ 17:38, 2009-10-29 [Valio]

en plus, mbola gymnastika be ny fi-installer-na azy @ linux :)

Nampidirin'i simp @ 17:39, 2009-10-29 [Valio]

Ny ahy internet explorer ihany.

Firefox -> matetika mikoinss am facebook

Chrome -> auto-update tsy misy fika

Nampidirin'i sitlo @ 19:19, 2009-10-29 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry