« | »

Miala amin'ny mpiavonavona dia miditra amin'ny mpiavonavona

2009-11-10 @ 08:05 in Politika

Anisan'ny tsy (n)itiavan'ny olona an-dRavalomanana mihitsy ilay fizahozahoany etsy sy eroa. Ny teny an'avona fanaony. Marina fa nahavita zavatra maro izy ary tena nampandroso tokoa ny firenena fa ilay mizahozaho dia mahabe fahavalo. Misy ny miteny hoe tsy mba manaja olona izy, ilay fomba fiteniny mihitsy no tonga dia mahadikidiky.

Fa rehefa dinihina ity dia toa izany koa no ataon'i Rajoelina. Zara raha vao tonga teo amin'ny toeran'ny filohan'ny tetezamita izy dia efa niala any ny hoe "Vous pouvez m'appeler président"... ohatra ny hoe izany no tena manan-danja. Noezahina mafy  mihitsy ny nitazona io hoe "Président" io hatramin'ny  nipetrahany teo. Ary izao izy niverina avy any Addis-Abeba izao indray moa dia ny nahafaly sy nampirehareha azy voalohany dia ilay hoe nandresy hono izy fa "Mbola izy ihany no prezidà"... Toa mampite hiteny hoe "Raha izay no nilainy, omeo azy any fa andao isika hanatsara ny firenena". Izay mihitsy aza angamba no tao antsain'ireo nivory tany hoe aleo izy hilingilingy eo amin'ny "Prezidà" eo fa izay hanarenana ny firenena jerena.

Ny  mampanahy ahy dia ny momba ny fifidianana ho avy. Raha olona te ho Prezidà mafy toa izany ve dia tsy hilatsaka hofidiana? Ary raha milatsaka ka resy ve dia hahatanty resy? Tsy hisy fanonganam-panjakana vaovao indray raha sendra resy eo?... Ho hita eo ihany

Hevitra

Ny tena marina dia samy tsy hahatanty ho resy na ny ankolafy Rajoelina na ny ankolafy Ravalomanana amin'izay fifidianana ho avy eo. Raha Ravalomanana no resy dia miverina avy hatrany ny 2002 manomboka amin'ilay krismasim-pandresena, ary raha Rajoelina no resy dia miverina avy hatrany koa ny 2009. Ary satria koa anefa tsy mety ho samy maharesy ireo dia ... ivavaho mba ho samy resy.

Nampidirin'i DotMG @ 09:31, 2009-11-10 [Valio]

Ka izay ilay mila fananana diplôma ampaosy e !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 09:53, 2009-11-10 [Valio]

Mitovy hevitra amin'ny DotMG aho,mitovy sy sahala ireo !Tsy misy miavaka na raika avao aza !
Hery :tsy dia inoako loatra ilay lazain'ise hoe :"Izay mihitsy aza angamba no tao antsain'ireo nivory tany hoe aleo izy hilingilingy eo amin'ny "Prezidà" eo fa izay hanarenana ny firenena jerena" satriaraha tanatin'ny sainy izany efa ela no notanterahany sy nataony !Asa anefa !Hevitro monja iny !

Nampidirin'i fahamarinana @ 14:18, 2009-11-10 [Valio]

Fa iza no tsy misy diplaoma e, sa efa feno zavatra hafa ny paosy dia tsy misy hasiana diplaoma intsony !

Nampidirin'i Bitrokely feno volo @ 07:02, 2009-11-11 [Valio]

"Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ......" :
---> Fafàna : fafa no fototeny, ary raha tovanana -ana dia tonga amin'ny hoe "fafàna". Raha atao mibaiko dia hoe FAFAO (tsy mety ny teny hoe fafaina noho izany)
---> ovàna : ova no fototeny, tovonana man- lasa manova, tovanana -ana lasa "ovàna" fa tsy ovaINA, raha atao mibaiko vao mety ny hoe OVAY.;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 15:09, 2009-11-11 [Valio]

tohiny kely : tsy mety ny teny hoe "ovaina noho izany ;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 15:11, 2009-11-11 [Valio]

kdaombaramita> Fa maninona no ataonao hoe Tovana "-ana"? Ny tovana "-ana" dia mamaritra anarana.
toy ny hoe: fitiav-ana, fino-ana

Ny tovana "-ina" kosa dia milaza iharana.
toy ny hoe: Laza-ina, tiav-ina

Noho izany dia mety ny hoe "fafa-ina" sy "ova-ina" satria tsy mety ny hoe "tiav-ana" na hoe "laz-ana"

:-)

Nampidirin'i Hery @ 15:19, 2009-11-11 [Valio]

fa tsy mety kosa ilay hoe fafaina ka ! mbola tsy reko aloha e ! tsara jerena amin'ny dicto gasy hoe :)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:51, 2009-11-11 [Valio]

hery

kdaombaramita> Hamariniko.

Fiteny tsara mihitsy ny hoe "fafaina", "lazaina", "bataina", "lanjaina", "kendaina", "tsapaina", "safoina"...

Ireo rehetra ireo araka ny nolazaiko dia mampiasa ny tovana "-ina" satria milaza iharana. Izany hoe ny lazaina dia iharan'ny atao.

:-) lesona malagasy izany, hita anaty fanabeazam-boho sy tsipelin-teny (Grammaire et orthographe) fa tsy anaty rakibolana (dictionnaire).

Nampidirin'i hery @ 09:40, 2009-11-12 [Valio]

Miahiahy aho amin'ilay "fafaina" ka ! tsy nahita io teny io mihitsy aho h@izay niainako marina e ! "fafàna" no tokony ho izy ary tena mitopo teny mihitsy aho ;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 13:53, 2009-11-12 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry