« | »

Sarimihetsika faran'ny herinandro

2009-11-13 @ 16:20 in Sarimihetsika

Ireto ny sarimihetsika ezahiko hojerena amin'ity faran'ny herinandro ity.

 

  1. Boy A : Toa mahaliana hono
  2. Imagine That : Hihomehezana kely miaraka amin'i Eddie Murphy
  3. Mauvaise foi : film efa tamin'ny 2006 fa ohatry ny nahaliana ahy ny momba azy
  4. Quelqu'un de bien : Ilay quelqu'un de bien tamin'ny 2007 no notadiaviko dia ity indray no hitako. Toa mahaliana ihany anefa.
  5. Tricheuse : Karazana horonantsary tiako :-) 

 

Hevitra

Ary efa itanao veilay hoe :
- 'à la recherche du bonheur' avec Will smith ?
- Transporteur 3 : tsara koa io !
- 'diner des cons' : efa elaela ihany fa mampihomehy foana ny mijery azy , enfin tiako aloha e !
- 'expérience interdite' misy an'i Julia Robert : hafahafafa mahaliana, efa elaela ihany koa !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:25, 2009-11-13 [Valio]

Ndeh hihomehy!

Ty indray ny ahy mba hampitsikiko ny faran'ny herinandroe!
- Play Boys ( Izy telo mitsam)
- Malok'ila 1-5 ( Tsara ny film gasy an)
- I kala mpam's ( Jereo fa nanidina i Kala) efa mba mahay kely ny gasy e!
Pretty woman, The ghost,Titanic( Tsy foiko) indrindra

Nampidirin'i maeva747 @ 18:40, 2009-11-13 [Valio]

Oups

Izah ihany io ambony io fa tsy piraty akory an! solifatra le klavié e!

Nampidirin'i maeva74 @ 18:43, 2009-11-13 [Valio]

Ok.

Imagine That sy Mauvaise Foi aloha no hita androany zoma alina...

Ilay Imagine That dia tsara ilay votoatiny fa ny mise en scène no tsy dia ao tsara. Mazava ho azy i Eddie Murphy no milalao dia mety izay no mahatonga an'izany. Mampieritreritra ho an'ireo ray aman-dreny manadino ny adidy amin'ny zanany noho ny asa aman-draharaha.

Ilay Mauvaise foi indray tena tsara ilay tantara... sady ao indray ilay sipa kely reveko be mi-jouer film. Fa ny farany ohatran'ny forcer-na be ilay suspens. Dia forcer-na be ho happy ending ihany koa. Fa tsy maninona e... afa-po

Mitohy rahampitso indray. 3 sisa.

Nampidirin'i Hery @ 22:20, 2009-11-13 [Valio]

Kidaombaramita>

- Ilay "A la recherche du bonheur" tsy nety nahaliana ahy mihitsy hatramin'ny nivoahany en salle.
- "Transporter 3" Efa hitako... voatery tsy maintsy nojerena satria tiako ihany ilay Transporter.
- Diner de cons. Efa hita ihany koa.
- "Expérience interdite" efa hitako koa. Tiako izy tamin'izany fa tsy mety hahaliana ahy insony ny film tahaka an'ireny :-) Efa tsy tia film mampitaintaina intsony aho izao fa film mahafinaritra foana indray.

Maeva74> Indrisy, tsy tia film gasy aho :-p Raha tantara dia tena tiako be mihitsy.

Nampidirin'i Hery @ 22:24, 2009-11-13 [Valio]

Film Gasy

Zah koa ry Hery taloha mba tsy tia maizina film gasy satria lasa ohatrin'ny hoe kilalao ilay izy fa tsy faseho olona, rehefa mijery aho de izaho irery satria mba nampiseho vahiny ilay " film gasy" aho fa teny mankarary fo sy anavonavona no azoko , tsy manambany ny horonan-tsarintsika Malagasy aho fa mbola tsy ampy fitaovana isika e! Tena mbola ho ela vao ho any " woodwood" hihihi nefa na dia izany aza dia mirary soa ho an'ireo mpamokatra sari-mihetsika Malagasy e!

Nampidirin'i maeva74 @ 09:37, 2009-11-14 [Valio]

Nojerena alina indray ilay "Tricheuse" dia natomboka nojerena ilay "Quelqu'un de bien " fa fopla dia resintory aho lolll.

Vita sahady ny film

Nampidirin'i Hery @ 07:36, 2009-11-15 [Valio]

Ny ahy kosa dia naveriko nojerena indray ny ampahany sasantsasany tamin'ilay série "Lost", season 4. Nahafinaritra ahy ny fivadiky ny tantara tamin' io season io.

Nampidirin'i LeRastah @ 15:47, 2009-11-15 [Valio]

LeRastah < t@ voalohany aho finaritra ery nijery io "lost" io fa t@ 2è saison leo aho fa toa tsy misy farany ilay point d'interrogation !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 16:13, 2009-11-15 [Valio]

za koa mirevy lost. Tsy dia haiko loatra anefa hoe manin :)

misy an'zay hoe "something the lord has made" izay. Efa elaela no nivoaka fa hitako tsy dia ratsy loatra... hoan'ze mbola tsy nahita :-)
tsisy kombaka io an
haha

Nampidirin'i simp @ 18:43, 2009-11-15 [Valio]

Simp< fiction indray zao zany ;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:25, 2009-11-17 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry