« | »

Inona no idiran'i Kotity amin'izany?

2009-11-18 @ 04:46 in Politika

Efa henonareo ve io fomba fiteny io? "Inona no idiran'i Kotity amin'izany?" Matetika rehefa miresaka miaraka iny dia misy mitsatsaingoka tampoka hoe "Inona no idiran'i kotity amin'izany?"... tsy nisy resaka Kotity mihitsy teo ary tsy misy idiran'ilay fanontaniana akory. Ny niandohany angamba dia satria angamba mafy loatra tamin'ny olona ny nataon'i Kotity ka dia nafatratra tany amin'i Kotity daholo ny zava-nitranga rehetra teo amin'ny fiainany. Na dia ny akoho matin'ny barika aza dia i Kotity no omena tsiny. Taty aoriana moa dia navoakan'i Andry Rajoelina avy any Tsiafahy i Kotity satria resy lahatra izy fa tsy namono olona izany ilay rangaha io fa gadra politika fotsiny.

Fa tsy any no resaka, fomba fiteny fotsiny iny. Fa gaga ihany aho amin'ny ataon'ireto miaramila ao amintsika mbola miditra lalina amin'ny resaka politika. Averiko ihany fa manana zo hanana ny fireha-keviny avokoa ny olom-pirenena tsirairay na miaramila na tsia, zo tsy azo lavina. Fa hafahafa kosa raha toa ka ny miaramila no mampiseho sy milaza izany firehan-kevita politika izany am-pahibemaso sy an-gazety mihitsy. Midika ho fanaovana politika sahady izany amiko ka tsy afaka hiaro vahoaka intsony satria tsy hatokisan'ny vahoaka intsony. Ny vahoaka mantsy, na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hisy mitovy firehan-kevitra aminy na mifanohitra aminy. Dia ny mitovy firehan-kevitra aminy izany harovany fa ny mifanohitra aminy hogadrainy? Satria azy ny fahefana? Izay no mahatonga ny miaramila tsy tokony hanao politika.

Amin'izao dia manao antso avo indray i Cdt Charles sy i Cdt Lilyson samy Kolonely fa ataoko hoe Cdt ihany fa io no hahafantaran'ny maro azy. Mibaiko - eny, rehefa ny miaramila no manome hevitra dia mibaiko izay - ireo mouvances hafa mba tsy hitaky ny ministères de souveraineté fa an-dRajoelina io. Dia raha toa izany tsy manaraka an'izay teny izay ireo mouvances ireo dia ahoana? Hosamborina? Hogadraina? Hampisotroina? Hotifirina? Izay no mahatonga ny miaramila tsy tokony hanao politika.

Inona no idiran'i Kotity amin'izany?

Hevitra

kay zany indray no fiteny vaovao ? Dia gaga hany aho naheno fa efa colonel ry zareo,nalaky arĂ´ zany promo zany sa efa izay ilay izy ,
Ny fahitako azy,hatreto aloha ,dia efa lasa hafa tanteraka ilay miaramila !Ekena koa anefa fa ny toe-zava-mitranga any amintsika mihintsy no efa lasa hafa hany ka izay voakasika izany lasa voatery hafa ihany koa !Marina tokoa fa amin'ny maha-miaramila azy dia tsy tokony hiandany amin'ny firehana manokana ,nefa koa olombelona manana fo koa ,tsy mety ny tsy hitroatra ,na amin'ny firehana inona na inona izy,tahaka ny vahoaka rehetra maneho ny heviny !
Na atao hoe mibaiko aza ny miaramila ,aza manahy Hery fa ny vahoaka koa tsy adala ,eny na mitroatra fa saingy tsy ahavita raha maro !Ny hagegen'ny colonel roa ireo ange no efa tafahoatra e!Ny miaramila ambany fifehezany koa inoako fa misy ny tsy mitovy firehana aminy saingy izay ilay hierarchie ,fototry ny miaramila rahateo !Samy niaina tao tsika ka mahalala an'izany !
Inona no tian'ny Hery ? hitroatra ny miaramila dia hizara roa ve ? Vao maika ho ra mandriaka !Tsaroako ireny tamin'ny 2002 ireny manko tena nizara ihany ny miaramila ,nisy ripaka noho ny fijoroany manokana tsy nanaiky any Dada !
Enga anie monja mba ho avy ilay andro hifidianana ny vaovao (hafa tanteraka raha possible) mba hiadanan'ny Malagasy na dia atao hoe sombim-piadanana aza satria mbila mila fanorenana aman-taona maro vao ho tafarina e!(-:

Nampidirin'i fahamarinana @ 06:19, 2009-11-18 [Valio]

Za de tsy miteny intsony leo an'ty fitondrana jiolam-boto ity mht ny tena fa tsy afa makaiza fa tsy manam-pahefana e! ny fahefana eto dia ny basy no tena mahasolo azy kokoa

Nampidirin'i news2dago @ 07:15, 2009-11-18 [Valio]

Misy tantara ve androany ? Inona no idiran'i Kotity @ izany ? :)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:28, 2009-11-18 [Valio]

kbaomba> Ie, ilay tantara tamin'ny tapabolana ihany no miverina androany.

Nampidirin'i Hery @ 10:30, 2009-11-18 [Valio]

Tsy zava-baovao

1-Tsy solontenan'ny tafika rehetra ireo antokon'olona ireo.Tsy manana zo miteny amin'ny anarany.
2-Heviny manokana izay avoakany fa tsy hevitry ny foloalin-dahim-pirenena.
3-Tsy ireo antokon'olona vitsy ireo ihany anefa no tsy manaja ny foto-panorenana repoblikana fa ireo mpitondra rehetra izay nifandimby teo dia nampiasa ny tafika, ny lalam-panorenana, ny fitsarana sy tribonaly,ny haino aman-jery....hanamafy ny fitondrany, hany ka tsy misy afa-tsy arabe foana no mba azo hanehoan-kevitra.

Nampidirin'i malagasycool @ 11:44, 2009-11-18 [Valio]

mampatsiahy an'le hoe credit crunch sy hoe economic downturn ity lelika ee

isaky izay tsy te handoa vola na hoe ratsiratsy ny safidy na misy zavatra tsy mande @ ze lahoriny dia valiana fotsiny hoe tsy fidiny fa economic downturn ;-)

Nampidirin'i simp @ 14:53, 2009-11-19 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry