« | »

Namokatra ny taona 2009

2009-12-10 @ 16:54 in Izaho sy ny ahy

Na teo aza ny  krizy ekonomika iraisam-pirenena, na teo aza ny black monday sy ny "Phénomène" Rajoel, na dia teo aza ny horohorontany mafy tao L'Aquila teto Italie, na dia teo aza ny fahafatesan'i Michael Jackson, na dia tsy lany tamin'ny "Grande Fratello 9" aza i Christina Del Basso (sipa be entana), sns sns. Dia mbola azoko lazaina hoe namokatra ihany ity taona 2009 ity.

Tamin'ity 2009 ity tokoa no nisy olom-pantatro be indrindra bevohoka sy teraka. Tao amin'ny fianakaviana akaiky (izahay mianadahy iray tam-po) fotsiny dia efa nisy zaza 3 teraka. Ankoatry ny cousines sy ny tantines sns (2 no fantatro). Toa izany koa ny avy amin'ny fianakavian'ny vadiko, cousines maromaro samy niteraka tamin'ity taona ity (3 no fantatro). Dia eo koa ny namana akaiky na any Dago (2 no fantatro) na ny aty andafy (2 no fantatro teraka ary ny 1 mbola ho avy atsy ho atsy). Na ny mpiara-monina eto Italia (3 no henoko hatramin'izao)... na ny eo amin'ny serasera (misimisy ihany).

Raha atotaly dia any amin'ny 20 any ny zaza teraka misy ifandraisana mivantana na ankolaka amiko... ka tsy izany ve no tena mamokatra? :-) 

Dia irariana mba hihoatra an'io amin'ny taona ho avy :-) Mazotoa mamokatra. 

Hevitra

haha
miteraha, mamenoa ny tany...

mamokara mamokara!!

Nampidirin'i simp @ 17:25, 2009-12-10 [Valio]

kdaombaramita

"Baby-boom" ry ise a ! sady efa kely dia "mamenoo ny tany" izao ny tovovavy knou !

Nampidirin'i kdaombaramita @ 17:29, 2009-12-10 [Valio]

Mamokara; mamokara

Nomenan'Andriamanitry ny fara izany izy ireo.Ny korontana koa ange tsy dia manakana loatra ny dombolô e! ny koasakoasa ny minotsika hihihi vao maika fanafana tsara @ sorisory rehetra io

Nampidirin'i Maeva74 @ 18:41, 2009-12-10 [Valio]

ahoana ny statistikan'ny lahy sy ny vavy @ zany ry hery ?. ny lahy manko espèce en voie d'extinction teo ho eo zay, efa nanaovana antso avo t@ WWF mba ho arovana ka asa re raha efa miverina @ laoniny izy zay na tsy ambolana

Nampidirin'i ikalamako @ 22:52, 2009-12-10 [Valio]

Faly izahay Malagasy eran-tany satria tsy ho lany taranaka akory ny Malagasy raha izany famokaranareo Malagasy ao Italia izany no jerena :-)
Manamafy ny tenin'i simp hoe: "mamenoa ny tany".

Nampidirin'i LeRastah @ 04:54, 2009-12-11 [Valio]

ikalamako > Raha toa ka espèce en voie d'extinction ny lahy kely, dia mety ho voatery miverina amin' ny polygamie indray isika any amin' ny taona 2020 any ho any... :-)

Nampidirin'i LeRastah @ 04:58, 2009-12-11 [Valio]

LeRastah < mbola hisy afitsoka ve enao amin'ny 2020 raha izany ? hi hi hi !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 11:40, 2009-12-11 [Valio]

Lerastah : toudé atomboy dieny zao hono hoe ny polygamie d'office fa raharaha atao ihany

Nampidirin'i ikalamako @ 12:14, 2009-12-11 [Valio]

Hahaha

Miome mits za mamaky ny comment :).
Fa hevitra tokoa : aleo rangah tsy atao miandry 2020 zany mpôligamia zany a. sao leilah 1 ho an'ny veivav 30 millions sisa (30.000.001 mantsy hono ny isan'ny gasy @ 2020 lol).

Nampidirin'i Tokinao @ 23:03, 2009-12-12 [Valio]

lol

Misy mampme mintsy ko ato zany. Tonga de afaka tampoka teo ny stress-ko.

Raha zaho aloha de momba ny polygamie e! Tsy aleo ihany ve le hoe:
- "Nankaiza i Balita teo?"
- "Atsy amin'i Bozy rafivaviko atsy ambadika"
toy izay
"tsy mba fantatro mihitsy (ao an-tsaina: any amin'ny 2ème bureau-ny angamba...sao ho voa ny SIDA @ farany."

Tsy maninona mihitsy raha lany tamingana any daôly lisany ;-). Des millions de mpanitsaka en moins...super!!!
De ny sisa manao Salomôna daôly, zavatra ankasitrahandRamanitra mpahary ange hono e!!!
(minotsika mdr)

Nampidirin'i zafintaolo @ 09:21, 2009-12-15 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry